Commune Urbaine de Toliara

Commune Urbaine de Toliara Toliarako * Toliaranao * Toliaran-tsika

πŸ“’ FANAMBARANA Manomboka androany ny hetsika fanadiovana ny 41 Fokontany eto Toliara. Andraikitry ny rehetra ny fahadiova...
28/05/2026

πŸ“’ FANAMBARANA

Manomboka androany ny hetsika fanadiovana ny 41 Fokontany eto Toliara. Andraikitry ny rehetra ny fahadiovan'ny TanΓ na.
Hisy ny Fanentanana ny ankizy sy ny mponina momba ny fitantanana fako izay hiaraha-miasa amin'ny Projet PASSAT, ny Komity Fahadiovana, CERGDS sy ny Polisy Monisipaly.

Tandremo ! Voasazy ny :
🚫 Manary fako eny an-dalambe, ivelan'ny bac
🚫Manaja ny ora fanariana fako (6 ora hariva ka hatramy 6 ora maraina)
🚫 Manary rano maloto eny an-dranomandry
🚫 Manimba ny fitaovana fahadiovana

Sazy: 50 000 Ar miampy 48 ora fihazonana

Andao hiara-hiasa ! Aza manary fako eny rehetra eny, hajao ny fitsipika.

Commune Urbaine de Toliara Commune Urbaine de Toliara

Miaraha an-tsika iaby,Eny Andatabo ny fitsenana ny razana @ 8 ora tsy diso ho an'izay afaka.
13/05/2026

Miaraha an-tsika iaby,
Eny Andatabo ny fitsenana ny razana @ 8 ora tsy diso ho an'izay afaka.

πŸ“’ FAMPITAM-BAOVAOAraka ny vaovao voaray avy amin’ny fianakavian’Itopokolahy Rabehaja Jean, Ben’ny TanΓ nan’i Toliara, dia...
08/05/2026

πŸ“’ FAMPITAM-BAOVAO

Araka ny vaovao voaray avy amin’ny fianakavian’Itopokolahy Rabehaja Jean, Ben’ny TanΓ nan’i Toliara, dia ho tonga eny amin’ny AΓ©roport Ivato ny razana ny Alahady 10 Mey amin’ny 1 ora sy 40 mn (13h40min).

Ny razana dia andrasana sy hiaretan-tory ao amin’ny Palais des Sports, Antananarivo, ny Alahady alina, ary hitodi-doha hihazo an’i Toliara ny Alatsinainy 11 Mey hariva.

Mbola hampahafantarina eto ny tohin’ny fandaharam-potoana.

"Fa ny fifankatiava avao ro ahafahan-tsika mampandroso an'i Toliara satria Toliarako, Toliaranao, Toliaran-tsika."Rabeha...
06/05/2026

"Fa ny fifankatiava avao ro ahafahan-tsika mampandroso an'i Toliara satria Toliarako, Toliaranao, Toliaran-tsika."
Rabehaja Jean Ofisialy
Commune Urbaine de Toliara
Commune Urbaine de Toliara

β€œMila saropiaro isika rehetra amin’ny fahadiovan’ny tanΓ nantsika ary tokony hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny ta...
05/05/2026

β€œMila saropiaro isika rehetra amin’ny fahadiovan’ny tanΓ nantsika ary tokony hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny tanΓ na iaraha-manana, satria Toliarako, Toliaranao, Toliaran-tsika.
Amin’ny maha-aintsika azy dia raikitra adidy isika rehetra, ka tokony samy hitondra ny anjara birikintsika.”
Rabehaja Jean Ofisialy Rabehaja Jean
Commune Urbaine de Toliara Commune Urbaine de Toliara

πŸ‡²πŸ‡¬ π€π“π’πˆπŒπŽ: π…π€ππ€πŒππˆπ€ππ€ 𝐀𝐑𝐀-π“π’π€πŠπ€π…πŽ 5 000 π“π€πŽππˆππ€ π€π•π˜ π€πŒπˆπ'𝐈 π†πŽπ•π„π‘ππ„πŒπ€ππ“π€ π€πŒπ„π‘πˆπŠπ€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π€πŽ π€πŒπˆππ˜,​Haverina amin'...
20/04/2026

πŸ‡²πŸ‡¬ π€π“π’πˆπŒπŽ: π…π€ππ€πŒππˆπ€ππ€ 𝐀𝐑𝐀-π“π’π€πŠπ€π…πŽ 5 000 π“π€πŽππˆππ€ π€π•π˜ π€πŒπˆπ'𝐈 π†πŽπ•π„π‘ππ„πŒπ€ππ“π€ π€πŒπ„π‘πˆπŠπ€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ π€πŽ π€πŒπˆππ˜,

​Haverina amin'ny laoniny ny fanjarian-tsakafon'ny mponina any Atsimo! Natolotra androany tany Toliara ny fanampiana avy amin'ny vahoaka amerikana.

β€‹βœ… Olona 300 000 no hahazo tombontsoa mivantana.
βœ… Laharampahamehana: Ny ady amin'ny kere sy ny fanatsarana ny fiveloman'ny vahoaka.
βœ… Fahavitan-tena: Ankoatra ny sakafo, misy koa ny tetikasa rano fisotro madio sy fahasalamana.

​Misaotra ny governemanta amerikana amin'ny fiaraha-miasa ho an'ny vahoaka Malagasy! πŸ€πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡ΊπŸ‡Έ
Commune Urbaine de Toliara Commune Urbaine de Toliara Rabehaja Jean Ofisialy Patrick Manasoa

"Naman'ny manadio ianao rehefa tsy mandoto" πŸ§Ήβœ¨β€‹Tonga nandray anjara tamin'ny fanadiovana ny teny ambadiky ny Plazza ny P...
18/04/2026

"Naman'ny manadio ianao rehefa tsy mandoto" 🧹✨

​Tonga nandray anjara tamin'ny fanadiovana ny teny ambadiky ny Plazza ny PremiΓ¨re Dame de la RΓ©publique de Madagascar Ramatoa Elisa Randrianirina androany.

Nifanome tanana taminy tao ireo fikambanana maro, ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ary ireo mpiasam-panjakana avy amin'ny fitalevam-paritra samihafa. 🀝

​Hetsika iraisana ho fanadiovana ny tanΓ na iaraha-manana ity natao ity. Andao hifampitaiza ho amin'ny fahadiovana foana! πŸ‡²πŸ‡¬
​

π…πˆπŽπ…π€ππ€ππ€ πŒπ€πˆπŒπ€πˆπŒ-ππŽπ€ππ€ π‡πŽ 𝐀𝐍'𝐍𝐘 π“π€ππŽπ‘π€ π„π“πŽ π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€, ​Te hifehy ny hoavinao ve ianao? Manasa anao ny tetikasa PIC amin’n...
16/04/2026

π…πˆπŽπ…π€ππ€ππ€ πŒπ€πˆπŒπ€πˆπŒ-ππŽπ€ππ€ π‡πŽ 𝐀𝐍'𝐍𝐘 π“π€ππŽπ‘π€ π„π“πŽ π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€,

​Te hifehy ny hoavinao ve ianao? Manasa anao ny tetikasa PIC amin’ny hetsika miavaka:

β€‹πŸ€– Faharanitan-tsaina Artifisialy (πˆπ€): Ianaro ny fitaovana manova izao tontolo izao.
πŸ’Ό Masterclass Fandraharahana: Torolalana amin'ny tetikasa Fizahantany, Agribusiness ary Nomerika.

🎀 Fizarana Traikefa: Hihaona amin’ireo tanora nahazo vatsy (subvention) sy nahomby.
​Nahoana no handray anjara?
βœ… Fahaiza-manao vaovao sy maimaim-poana.
βœ… Aingam-panahy avy amin'ny tantara marina.
βœ… Fitrandrahana ireo fahafahana vaovao.

β€‹πŸ“ Toerana: Immeuble Score
πŸ“… Daty: 18 Aprily @ 09h

​Maimaim-poana ny fidirana! Ny hoavy dia amboarina anio. Ary manomboka aminao izany. 🌟
​

🧹 FANADIOVANA NY TSENA SCAMA 🧼Niroso tamin’ny asa fanadiovana lehibe tao amin’ny tsena SCAMA ny Kaominina Ambonivohitry ...
11/04/2026

🧹 FANADIOVANA NY TSENA SCAMA 🧼

Niroso tamin’ny asa fanadiovana lehibe tao amin’ny tsena SCAMA ny Kaominina Ambonivohitry Toliara, ho fanatsarana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana eny an-toerana.

Tanjona amin’izao hetsika izao ny:
βœ”οΈ Fanesorana ireo fako miangona
βœ”οΈ Fiarovana ny fahasalaman’ny mpivarotra sy ny mpanjifa
βœ”οΈ Fanatsarana ny endriky ny tsena

Zava-dehibe ho an’ny rehetra ny fitandroana ny fahadiovana, ka entanina isika rehetra mba hiara-hientana amin’ny fikajiana ny tsena ho madio sy mendrika.

Commune Urbaine de ToliaraCommune Urbaine de ToliaraRabehaja Jean Ofisialy

Address

Tulear
601

Opening Hours

Monday 08:00 - 12:00
14:30 - 18:00
Tuesday 08:00 - 12:00
14:30 - 18:00
Wednesday 08:00 - 12:00
14:30 - 18:00
Thursday 08:00 - 12:00
14:30 - 18:00
Friday 08:00 - 12:00
14:30 - 18:00

Telephone

+261 32 04 828 20

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Urbaine de Toliara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Commune Urbaine de Toliara:

Share

Category