Diraiky amin'i Coco velogno

Diraiky amin'i Coco velogno Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Diraiky amin'i Coco velogno, Political organisation, Toamasina.

Tratry ny faran-taona daholo atsika jiaby ka samby ho ela Velogno.
31/12/2025

Tratry ny faran-taona daholo atsika jiaby ka samby ho ela Velogno.

09/07/2025

📢📢Lasa atsika!
B5 Talenta 2025
🎁🎁Loka maro sy goavana hoan'ireo mpandresy isaky ny sokajy🎁🎁

Avoahy ny talentanao, misokatra ny fisoratana anarana hoan'ny hetsika B5 Talenta, manomboka ny alakamisy 10 jolay ka hatramin'ny alakamisy 31 Jolay.

Misy Sokajy telo afaka hifaninana:
🧿Talenta (Hira sy famoronana)
🧿Dihy
🧿Kabar'Slam( Slam poésie fa mifangaro KABARY Malagasy)

👉Toerana fisoratana anarana : Cyber Velogno Barikadimy, eo ambanin'ny Terrain Sambava
👉Téléphone : 038 65 929 18 / 037 49 444 30

Daty casting hoan'ireo nisoratra anarana : 02 sy 03 aogositra 2025.

🧿🧿Ny B5 Talenta no hitondra lavitra ny talentanao ary vonona hanatanteraka ny nofinofinao 🧿🧿🧿

👉👉Ny FIAT Mada sy ireo mpanohana rehetra dia maniry fahombiazana hoan'ny Tanora rehetra mandray anjara

02/07/2025

🌻🌻📢 Connexion VB5📢 🌻🌻
La Meilleure Expérience Wifi à Toamasina !

Découvrez la connexion wifi de haute qualité et longue portée qui va révolutionner votre expérience en ligne !

Consultez notre cyber Velogno Barikadimy Toamasina pour :

- Une connexion rapide et stable
- Une portée longue et fiable
- Des vitesses de téléchargement élevées

*Contactez-nous dès aujourd'hui !*

☎️ +261 38 65 929 18 / +261 37 49 444 30
📩 : [email protected]
🧿 Fb : Cyber Velogno Barikadimy - Cyber VB5

👉Rejoignez la communauté VB5 et profitez d'une connexion wifi exceptionnelle !

06/06/2025

Mankasitraka amin'ny fanomezana fahalalana

25/05/2025

👉KABARY FIARAHABANA HOAN'I NENY👈

Tompokolahy sy Tompokovavy!
Jafafafan-dia fataon'ny mahery, rodorodom-pamindra fataon'ny mantanjaka, mandalo izy iregny tsy mangata-dalagna, magnitsaka tsy magnano azafady.

🔵Voalohan-koragna, mialitsigny, miala fondro, miala salohy fito raha handray fivolagnana aketo imasonandre sahidy be lava tagnana, satria, ny tsigny raha mavaisatra.

👉Babegny mafola-tahaizana,
👉Trotrogny mahempa-tagnana,
👉Tatahovigny maha saola laoha.
👉Tsy zakan'ny razambe talöha, ombako tsy mahazaka.

🔵Faharoa magnarak'izaigny,

Tsy hagnano vanja kalay, hipoaka alöhan'ny tafondro fa teny amiagna maha solanga ary teny tsy azo maha-joko.
Ka raisiko ampanetren-tena ny hitondra koragna fiarahabana sy teny firariantsoa ary fisaoragna hoan'ny reny.

🔵Ka amin'izao fetin'ny reny izao dia maminay mpikambana ato amin'ny FIAT Mada (Fototra Iray Ampandrosoana ny Tanora eto Madagasikara) ny miarahaba andre jiaby reny, loharano nipoirana, kitapo nifognösana, nitondra tagnatin'ny sivy (09) vaolagna, tamin' ny fitiavagna nasehon'andre zahay zanaka.

👉Arahabaigny karan-jaigny, andre renikely izay nikolokolo sy nagnabe ary nitaizana sy nagnanatranatra.
Tsy navailanandre ho kara zaza kamboty zahay fa noraisinandre ho kara zanaka nateraka.
Ary tsy nagnano renikely mandoza zaigny, samy zanany fao iangarany, fa nametraka ny maha reny mendrika sy maodely hoan'ny taranaka sy ny fianakaviana.

🔵Ka magnano merci, fisaoragna tamin'ny fitiavagna namian'andre .
Sitraka enti-matory, valiagna raha mahatsiaro.
Tsy atao lava ny resaka ary tsy atao fohy ny fivolagnana, fa ataontsika amin'ny antoniny fao ny koragna.

🔵Eto am-paranana dia mirary soa sy meva, amin'andre reny.

👉Ho mamy oditra amin'ny tany honena,
👉Tsy ho resy tosiky ny ratsy.
👉Hitady ka ahita,
👉 Hamboly ka havokatra,
👉Hiompy ka hahatavy,
👉Hatombo Zaza tezaina ka ho avara-pianarana.

Mankasitraka tompokolahy, Mankatelina tompokovavy.

🔵Ny FIAT Mada dia mitondra

21/05/2025

Matoa izy mahalala mifona sy mitalaho aminao dia mbola tia izy izay.

👉Raha tianao aharitra ny Fitiavanareo roa dia fantaro aloha ireto famaritana ny atao hoe Fitiavana ireto:

Ny Fitiavana dia fifonana, ny Fitiavana dia fandeferana, ny Fitiavana dia fifamelana, ny Fitiavana dia fifanajana, ny Fitiavana dia fiafiana, ny Fitiavana dia fifanampiana.

https://www.facebook.com/mantsiviry

07/05/2025
Ndesiko Anao
20/03/2025

Ndesiko Anao

Alerte ! Urgent!
20/12/2024

Alerte ! Urgent!

Aza manary zo, vitao ny adidy ka mandeha mifidy.
19/11/2024

Aza manary zo, vitao ny adidy ka mandeha mifidy.

Address

Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Diraiky amin'i Coco velogno posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share