Commune Urbaine Toamasina

Commune Urbaine Toamasina Mairie Toamasina I

▶️ Noho ny fiaraha-miasa amin'ny fanjakana foibe sy ny Commune Urbaine Toamasina dia efa natomboka ny fanamboarana ny la...
04/09/2026

▶️ Noho ny fiaraha-miasa amin'ny fanjakana foibe sy ny Commune Urbaine Toamasina dia efa natomboka ny fanamboarana ny lalana mirefy 600 metatra izay miainga eo amin’ny Hôtel Marotia Tanambao V ary mivoaka any amin’ny Bazary Ambolomadinika izay natao Béton.

▶️ Ho fanatsarana ny fotodrafitrasa sy hisorohana ny dibondrano amin’ity faritra Béryl ity dia tsy maintsy amboarina sy hatsaraina ihany koa ireo lakan-drano fanarian-drano indrindra fa eo amin'ny manodidina terrain Basket.Nanolo-tanana sy nanohana izao asa fanamboarana izao ny Fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël.

▶️ Androany dia nijery sy nanara-maso ny fanombohan’ny asa ny Ben'ny tananan'i Toamasina Andriamatoa Alain Andriafanomezantsoa.

▶️ Natao ny fanokafana ny lalana mampisaraka ny Bazar Kely Ambony sy ny Bazar Kely Ambany ho fanatsarana ny fandaminana ...
03/09/2026

▶️ Natao ny fanokafana ny lalana mampisaraka ny Bazar Kely Ambony sy ny Bazar Kely Ambany ho fanatsarana ny fandaminana sy ny fiarovana ao amin’ny tsenan'ny Bazar Kely. Ity fepetra ity dia natao indrindra hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara ary hanatsarana ny fidirana sy ny fivoahana ao amin’ny tsena. Tsy maintsy manaraka ny alignement napetraka ihany koa ireo mpivarotra rehetra.

▶️ Ankoatra izany, dia napetraka ihany koa ny "𝗯𝗼𝘂𝗰𝗵𝗲 𝗱'𝗶𝗻𝗰𝗲𝗻𝗱𝗶𝗲”miisa Telo eto Bazar kely izay fitaovana lehibe amin’ny fiatrehana sy famonoana afo raha sendra misy tranga toy ny hain-trano.

👉 Ireo asa ireo dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Commune Urbaine de Toamasina amin’ny fanatsarana ny fandaminana, ny fiarovana indrindra taorian’ireo tranga mampalahelo izay nitranga tao amin’ny Bazar Kely.

▶️ Ny ASCUT Atsinanana zazalahy no tompondakan'i Madagasikara tamin'ny taranja basket-ball U16 izay natao tany Ambositra...
02/09/2026

▶️ Ny ASCUT Atsinanana zazalahy no tompondakan'i Madagasikara tamin'ny taranja basket-ball U16 izay natao tany Ambositra. Notsenaina tamin'ny fomba manetriketrika nanomboka teo amin'ny Iraka carrière ary nentina namakivaky ny Tanàna ny Toamasina ireto mpilalao ireto. Nandritran'io fotoana io no nanoloran'izy ireo ny amboaro hoan'ny Ben'ny tanana teto amin'ny Lapan'ny tanàna.

▶️ Manome laja hatrany ireo tanora mpiangaly fanatanjahantena ny Ben'ny Tanàna Alain ANDRIAFANOMEZANTSOA ary nanolotra maripan-kasitrahana 2.000.000 ariary hoan'ireo mpilalao ary and oa ny sarany fisoratana anarana taom-pianarana 2026-2027 ireo mpilalao anatin'ny ASCUT U16 Zazalahy.

Eto dia Mankasitraka feno ireo nanampy ny mpilalao ao amin'ny ASCUT, anisan'izany ny Filoha mpamorinan ny ASCUT Andriamatoa Narson RAFIDIMANANA, ny Ben'ny tanànan'i Toamasina Andriamatoa Alain Andriafanomezantsoa, ny ligue Atsinanana basket-ball, ny section basketball Toamasina, sy ireo nanampy rehetra.

▶️ Atomboka amin'ny asa fanatsarana sy fanarenana ny lalana ity voalohan'ny volana septembre ity. Tohizana eto Tanambao ...
01/09/2026

▶️ Atomboka amin'ny asa fanatsarana sy fanarenana ny lalana ity voalohan'ny volana septembre ity. Tohizana eto Tanambao V ny asa fanarenana sy fanatsarana ny lalana eto an-tapotananan'i Toamasina izay hanome endrika mendrika kokoa an'i Toamasina.

❌ Mangataka ny faharetan'ny rehetra ny Commune Urbaine Toamasina amin'ny mety hisian'ny fanelingelenana aterak'izao asa fanamboarandalana izao.

𝗧𝗮𝗺𝗮𝘁𝗮𝘃𝗲 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗴𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗶𝗮. UCR Unité de Coordination pour la Reconstruction

▶️ Nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa "session extraordinaire" nataon'ny  Filan-kevitra monisipaly ...
31/08/2026

▶️ Nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa "session extraordinaire" nataon'ny Filan-kevitra monisipaly tamin'ity taona 2026 ity izay notarihin'ny Filohan'ny filan-kevitra monisipaly Andriamatoa ABRAHAM Franck.

▶️ Loha-hevitra maromaro no hodinihana mandritran'ny telo andro eto anivon'ny lapan'ny tanàna anisan'izany :
👉 Fangatahana fankatoavana ny indemnité de logement ireo mpiasa eto anivon'ny Commune Urbaine de Toamasina.
👉 Fangatahana fankatoavana ny fanarenana ny Rue " Venance magnifatra" izay mampitohy ny Boulevard Ratsimilaho (Hotel Marinah beach) sy Boulevard Ralaimongo ( trois chemin ambohijafy).
👉 Fangatahana fankatoavana ny fanarenana sy fanitarana ny Rue de la Pérouse sy ny fanitarana ny Rue Radama I ( Adventiste - Eglise sacre cœur - quatre chemin vatsy) .
👉 Fangatahana fankatoavana amin’ny fitadiavana famatsiam-bola hoenti-manatanteraka ny asa fanarenana ireo lalana eto an-tanànan’i Toamasina.

Miarahaba ny ekipan'ny ASCUT Atsinanana zazalahy  izay tompondakan'i Madagasikara saison 2026 nandritran'ny Championnat ...
30/08/2026

Miarahaba ny ekipan'ny ASCUT Atsinanana zazalahy izay tompondakan'i Madagasikara saison 2026 nandritran'ny Championnat de Madagascar U16 tao Ambositra🎉🎉

▶️ Vita ny ampahan-dalana ety amin'ny Boulevard Joffre, izao asa fanamboaran-dalana izao dia dingana iray lehibe amin’ny...
26/08/2026

▶️ Vita ny ampahan-dalana ety amin'ny Boulevard Joffre, izao asa fanamboaran-dalana izao dia dingana iray lehibe amin’ny fanatsarana ny lalana sy ny tontolo an-tanàn-dehibe mba hahafahan’ny mpampiasa lalana mivezivezy ary mbola hitohy ny asa.

UCR Unité de Coordination pour la Reconstruction

𝗧𝗮𝗺𝗮𝘁𝗮𝘃𝗲 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗴𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗶𝗮.

▶️ Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fandaminana eto amin’ny Bazar Kely, ary anisan’ny hetsika natao ny fanadiovan...
26/08/2026

▶️ Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fandaminana eto amin’ny Bazar Kely, ary anisan’ny hetsika natao ny fanadiovana faobe, niarahan’ny "Direction des Marchés et Abattoir" eto anivon'ny Commune Urbaine Toamasina . Natao izao hetsika izao ho mariky ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitra iombonana, mba hitandrovana hatrany ny fahadiovan’ny tsena sy ny manodidina azy, satria andraikitsika rehetra ny fananana tsena madio, milamina ary mendrika.

𝗧𝗮𝗺𝗮𝘁𝗮𝘃𝗲 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗴𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗶𝗮.

▶️ Natao andraony alatsinainy faha 24 Aogositra 2026 teto amin'ny PACT ny atrik'asa fankatoavana ny tahirin'kevitra izay...
24/08/2026

▶️ Natao andraony alatsinainy faha 24 Aogositra 2026 teto amin'ny PACT ny atrik'asa fankatoavana ny tahirin'kevitra izay ho entina hanarenana an'ny Toamasina I sy II. Ny vina apetraka dia " mponini - toamasina ao anatiny tontolo voajanahary mahafinaritra ary afaka miatrika ny hoavy". Raha ny fantatra dia ny Distrikan'ny Toamasina I sy II ihany raha eto madagasikara no misy ity diagnostic territorial ity ary mahatratra 5 ka hatramin'ny 6 isantaona ny rivodoza mandalo eto toamasina.

▶️ Ny Tanjona dia tokony hanana fomba fijery mitovy ny rehetra eo amin'ny lafiny tekinika mikasika ny tetika hanarenana any toamasina. Raha ny IMATEP no nanohana ara tekinika raha ny PNUD kosa no manohana ara-bola ny Unité de Coordination pour la Reconstruction de Toamasina nanao fanagonan- kevitra. Aorian'izao dia alefa any amin'ny ambaratonga ambony ny vinan -Kevitra.

UCR Unité de Coordination pour la Reconstruction
Commune Toamasina Suburbaine
Faritra Atsinanana

▶️ Mpifankatia miisa 18 no natao mariazy faobe ho an'ny Kristianina teto amin'ny Ekar Notre Dame Toamasina  izay fiaraha...
24/08/2026

▶️ Mpifankatia miisa 18 no natao mariazy faobe ho an'ny Kristianina teto amin'ny Ekar Notre Dame Toamasina izay fiaraha-miasan'ny Commune Urbaine Toamasina.

Mirary tokantrano Sambatra ho anareo.

Address

Avenue De L'Independance
Toamasina
501

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Urbaine Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Commune Urbaine Toamasina:

Shortcuts

Share