05/01/2026
ASA TAGNAMARO (HIMO) – AMBOASARY ATSIMO
————————
Tontosa soa aman-tsara nandritra ny telo andro ny Asa Tagnamaro (HIMO) teto amin’ny Kaominina Ambonivohitra Amboasary-Atsimo.
Mpandray anjara mihisa 1000 no hisatraka izany .
Androany 05 Janoary 2025 no notanterahina ny fanomezana tambi-karama ho an’ireo mpandray anjara:
➡️ Vary 2kg isan'olona isan'andro sy vola 7.000 Ar isan’olona isan'andro ihany kosa, mandritra ny Telo andro ho an’ireo olona miisa 600 tamin’ity andiany voalohany ity.
✅. IZAO NO NATAO HO FITSINJOVANA IREO TSY AN’ASA NATERAKIN’NY FIKATONAN’NY ORIN’ASA MPANODINA SISAL ETO AMBOASARY ATSIMO.
🎯Marihina fa mbola hisy ny andiany manaraka, ka olona hafa indray no hahazo tombontsoa sy handray anjara amin’ny asa. Vague faharoa 400 isa ,mandritra ny Telo andro mahazo vary 2kg isan'andro isan'olona sy lelavola 7000ar isan'olona sy isan'andro ihany kosa.
Marihina fa Fokotany 17 ao anatiny 62 ao Kaominina ambonivohitra amboasary Atsimo izany ,vague voalohany no vita dia amin'ny manaraka indray ny vague faha roa.
🎯Isaorana indrindra ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Mponina, izay namaly avy hatrany ny fangatahana nentin’ireo Solombavambahoaka voafidy taty an-toerana, dia ANDRIAMAMONJY Olivier sy RAKOTONIRINA Richard.
➡️ Asa iombonana, tombontsoa ho an’ny vahoaka, fampandrosoana maharitra ho an’i Amboasary-Atsimo sy ny Faritra Anôsy🇲🇬