Fitaleavam-Paritrin'ny Mponina Sy Ny Firaisankina-Sava

Fitaleavam-Paritrin'ny Mponina Sy Ny Firaisankina-Sava En charge de la promotion des femmes, de la protection des enfants, des personnes âgées, des personnes handicapées et de la solidarité à Madagascar

26/08/2026
📍 Secteur Mahavanona, Fokontany Manakana, Kaominina Ambanivohitra Tsarabaria (Distrikan’i Vohemar)Androany Talata 25 Aog...
25/08/2026

📍 Secteur Mahavanona, Fokontany Manakana, Kaominina Ambanivohitra Tsarabaria (Distrikan’i Vohemar)

Androany Talata 25 Aogositra 2026, nidina ifotony tany amin’ny Secteur Mahavanona ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina (DRPS) SAVA, niaraka tamin’ny solontenan’ny Faritra SAVA, ny BNGRC, ny solontena avy ao amin'ny Fahasalamana ary ny SAF FJKM, nitondra fanampiana sy fihavanana ho an’ireo fianakaviana 240 tratry ny loza hain-trano.

Ireo tokantrano 240 tra-boina dia samby nahazo tohana mivaingana mba hanamora ny famerenana tsikelikely ny fiainana andavanandro toy ny :

🌾 Vary fotsy sy voamaina

📦 Koveta, seaux, lovia sy bodofotsy

🛏️ Moustiquaires sy fanafody

🛢️ Menaka

🥬 Masomboly (legioma sy akotrim-bary) ho fanarenana ny fambolena

🫶Anisan’ny natolotra mivantana ho an’ireo fianakaviana tra-boina ihany koa ny fanomezana manokana avy tamin-dRamatoa Minisitra misahana ny Mponina sy ny Firaisankina, RAKOTONIAINA Voahanginirina Cathia, izay natolotry ny ekipan'ny DRPS SAVA.

🚜 Tsy sakana ny fahasarotan-dalana :
Na dia teo aza ny fahasarotan’ny lalana mankany an-toerana — izay nampiasana tracteur mihitsy mba hahatongavana tamin’ny toerana nitrangan’ny loza — dia tsy natao ho sakana izany.
💪Naneho fahavononana sy finiavana lehibe ireo mpisehatra rehetra mba hahatongavan'ny fanampiana any amin'ireo vahoaka tena mila izany.

Ity fidinana ifotony ity dia manaporofo hatrany ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka hitoetra ho mpisava lalana amin'ny fiahiana sy ny fampandrosoana ny mponina, indrindra amin'ny fotoan-tsarotra.

"Tsy sakana ny halaviran-toerana sy ny fahasarotan-dalana rehefa ny fanampiana ny vahoaka no tanjona."

🇲🇬 DRPS SAVA — Mponina sy Firaisankina

Nifaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Zoma 21 Aogositra 2026 teo, tany Ambilobe (Faritra DIANA), ny fiofanana momba ny V...
22/08/2026

Nifaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Zoma 21 Aogositra 2026 teo, tany Ambilobe (Faritra DIANA), ny fiofanana momba ny Vonjy Taitra Voalohany (Premiers Secours de Base) izay naharitra telo andro (19 - 21 Aogositra 2026).

Ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina SAVA (DRPS SAVA) dia nandray anjara mavitrika tamin'izao hetsika lehibe izao.
Andriamatoa LEONG Sam Dano Éric, Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina Faritra SAVA, no nitarika ny delagasiaona avy taty SAVA izay nahitana ireo solontena avy amin'ny Sampan-draharahan'ny Mponina sy ny Firaisankina isaky ny distrika efatra mandrafitra ny Faritra SAVA (Sambava, Antalaha, Vohemar ary Andapa).

🎯 Fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mandray andraikitra haingana sy mahomby amin'ny famonjena sy fiarovana ny ain'ny mpiara-belona manoloana ireo tranga maika sy tampoka no tanjona lehibe t@ ity fiofanana ity.

Fanehoana fankasitrahana feno sy fisaorana manokana ho an'ireo mpampiofana, ireo mpandray anjara rehetra, ireo mpiara-miombon'antoka, ary indrindra Ramatoa Minisitra misahana ny Mponina sy ny Firaisankina amin'ny fanohana sy ny fandraisana anjara lehibe tamin'ny fahatanterahan'izao fiofanana izao no votoatin'ny lahatenin'ny Talem-paritry ny mponina sy ny firaisankina SAVA nandritran'ny lanonam-pamaranana izao atrik'asa izao no sady niarahaba sy namporosika ireo mpiofana rehetra nahavita soa aman-tsara Ilay fiofanana ! 👏

💬 « Ny fahalalana momba ny vonjy taitra dia fahalalana afaka mamonjy aina. »

21/08/2026
21/08/2026

Address

Sambava-Centre
Sambava
208

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitaleavam-Paritrin'ny Mponina Sy Ny Firaisankina-Sava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category