Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha

Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha 👮‍♂️
Bienvenue sur la page officielle de la compagnie de sécurité intérieure de la gendarmerie nationale Sakaraha (CSI Sakaraha)

📱 0341400612

⚡ Nahazo komandy vaovao ny holafy Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha. Voatendry amin'ny toeran-kafa kosa ny koman...
11/04/2026


Nahazo komandy vaovao ny holafy Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha.

Voatendry amin'ny toeran-kafa kosa ny komandy teo aloha.

ADY AMIN'NY HALATRA OMBYAnisany ahafahana miady amin'ny halatra omby ny fiadiana amin'ny famotsiana omby halatra. Rehefa...
07/04/2026

ADY AMIN'NY HALATRA OMBY

Anisany ahafahana miady amin'ny halatra omby ny fiadiana amin'ny famotsiana omby halatra.

Rehefa avy nangalatra omby ireo dahalo dia mitady indray izy ireo ny fomba rehetra hampidirana indray ireo omby halatra any amin'izy ireo eo amin'ny ara-dalàna - "famotsiana omby halatra" - .

Izany indrindra no antony anarahana maso ireo tsena fivarotana omby sy itsirihana ireo omby mampiahiahy.

⚠️ Fampahatsiahivana : eny amin'ny tsenan'omby voaramaso ihany no azo ivarotana sy ividianana omby.

📍Besavoa, Sakaraha

  !🌸 Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy – 8 Martsa 🌸Tamin’ny taona 1977 no nanambaran’ny Firenena Mikambana...
08/03/2026

!

🌸 Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy – 8 Martsa 🌸

Tamin’ny taona 1977 no nanambaran’ny Firenena Mikambana (ONU) amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy.
Tsara anefa ny mampahatsiahy fa nialohavana hetsika sy tolona maro no nahatongavana amin’izany fankalazana izany.

Ankehitriny dia ireto no tanjon’izany fankalazana izany :
✨ fampiroboroboana ny fitovian-jo sy fitovian-tsafidy eo amin’ny lahy sy ny vady
✨ fiadiana amin’ny herisetra sy fanavakavahana atao amin’ny vehivavy;
✨ fanohanana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny fiaraha-monina : fianarana - asa - fitondrana - sns

💙 Mirary andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy sambatra ho an’ny vehivavy rehetra!

Mahatsiaro manokana ireo vehivavy vadin’ny zandary miasa eto amin’ny Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha

"Amin'izao fankalazana iraisam-pirenena ny zon'ny vehivavy izao dia miarahaba ny vehivavy rehetra manerana an'i Madagasikara ary indrindra eto amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny ratsamangaikany ary ianareo vehivavy eo anivon'ny FIVAMI. Manan-danja eo amin'ny firenena ianareo vehivavy satria mpampita ny aina sy fototry ny fitaizana ny ankohonana. 🟢Mandray anjara lehibe amin'ny fiainam-pirenena ihany koa ny vehivavy eo amin'ny famokarana, ny asa aman-draharaha amin'ny sehatra rehetra sy ny fiaraha-mientana amin'ny tolona sy ny fampandrosoana. Na dia mbola maro an'isa aza ny lehilahy eto anivon'ny Foloalindahy dia efa miha-maro kosa ny isan'ny vehivavy manatevin-daharana ny Tafika sy ny Zandarmaria. Mankahery anareo vehivavy ny tenako ary mirary anareo hahavita bébé kokoa hatrany amin'ny adidy aman'andraikitra".
𝐇𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚🇲🇬

4 izay no vita 4 no sisa. Mazavaoazy moa fa kilaometatra ny resaka. 😉 Samia tsara.
06/03/2026

4 izay no vita 4 no sisa. Mazavaoazy moa fa kilaometatra ny resaka. 😉



Samia tsara.

🌪️ "IZAY TSARA FIOMANANA TSY HO TAMPOHIN'NY LOZA"BNGRC Foibe Famantarana ny toetry ny andro
10/02/2026

🌪️ "IZAY TSARA FIOMANANA TSY HO TAMPOHIN'NY LOZA"

BNGRC

Foibe Famantarana ny toetry ny andro

🚨 FAMPAHAFANTARANA FAHATAPAHAN-DALANAAntony : fametrahana tetezam-by "Bailey"📆 Andron’ny : alakamisy 05 - zoma 06 febroa...
03/02/2026

🚨 FAMPAHAFANTARANA FAHATAPAHAN-DALANA

Antony : fametrahana tetezam-by "Bailey"

📆 Andron’ny : alakamisy 05 - zoma 06 febroary 2026

📍Toerana : RN7 PK 236+700 (tetezan’ny Vinany , Kaominina Tsarasaotra, distrika Ambositra)

↪️⚠️ Fivilian-dalana : Tsy misy

://www.facebook.com/share/1DdGVwbMCr/

Finaritra ! Mahafaly anay no mampandre antsika fa niampy 06 ny isan'ireo zandary miasa eto amin'ny Compagnie de sécurité...
24/01/2026

Finaritra !

Mahafaly anay no mampandre antsika fa niampy 06 ny isan'ireo zandary miasa eto amin'ny Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha

Nivoaka tamin'ny andiany faha 78 tao amin'ny EGNA izy ireo. Nanohy fiofanana herintaona indray avy eo teo anivon'ny Commandement Des Formations Spécialisées

Ny zokin'izy ireo no nandray azy ireo ary niarahaba hoe tongasoa 😉 satria izay ilay hoe :
"Mpirahalahy mian'ala ka izy tokiko izaho tokiny"

Andao isika indray hiarahaba azy ireo.

📍 Sakaraha

🔵
12/01/2026

🔵

Akory lahy longo ! 😉Tonga aty aminay daholo ireny hafatra miafina feno firariantsoa nalefantsika ireny. Eto koa izahay d...
02/01/2026

Akory lahy longo ! 😉

Tonga aty aminay daholo ireny hafatra miafina feno firariantsoa nalefantsika ireny. Eto koa izahay dia faly miarahaba antsika rehetra nahatratra izao taona vaovao izao.

⚠️ Amin'izao andro fety izao dia manafatra manokana ho antsika mampiasa kodiaran-droa sy ireo izay rehetra mivezivezy eny amin'ny arabe mba hitandrina ka hisoroka ny loza.

"Lonoky samy tsy hagnahy.*

Araho tsy tapaka ny pejy Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha

Noely 2025 🌲Toy ny fanao isan-taona dia nankalazaina anio 23 desambra 2025 ny Noely teto amin'ny Compagnie de sécurité i...
23/12/2025

Noely 2025 🌲

Toy ny fanao isan-taona dia nankalazaina anio 23 desambra 2025 ny Noely teto amin'ny Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha.

Nosokafana tamin'ny "carnaval" nitety ny tanàn'ny Sakaraha izany ny maraina ary nitohy tamin'ny fampisehoana dihy mirindra sy kilalao nomanin'ireo ankizy.

Taorian'izay dia nisy ny fizarana zavatra maro samihafa amin'ny lafiny sosialy tahaka ny "paniers garnis".

Ny komandin'ny holafy mivady kosa dia nanolotra vatomamy - koban'ny Talata ary kilalao ho an'ireo ankizy zanakireo zandary mpiaramiasa.

Mirary fety sambatra sahady ho antsika rehetra. 🎉

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Compagnie de sécurité intérieure Sakaraha posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share