30/08/2026
📋 DÉPOUILLEMENT – CHEF D’ÉQUIPE INSTAT | DISTRICT SAKARAHA
Araka ny fanazavana azo avy amin’ireo solontenan’ny INSTAT, dia manomboka androany ny fampidirana ao anatin’ny logiciel ireo dossiers voaray eto amin’ny District Sakaraha, mikasika ny fifantenana ireo Chef d’Équipe.
👉 Ny fanokafana sy fanangonana ireo dossiers dia notanterahin’ny Adjoint District, ny Délégué de la Population ary ny Kaominina.
📌 Tarehimarika vonjimaika :
✅ 161 dossiers Chef d’Équipe no voaray hatreto.
➡️ Mbola hiampy ireo kandidà izay nanao candidature en ligne.
🎯 Amin’ireo kandidà rehetra ireo dia 90 olona no hotendrena hiatrika ny formation.
💻 Araka ny fanazavana azo, dia ampidirina ao anaty logiciel ireo dossiers voaray. Ny logiciel no hikarakara ny fanomezana naoty sy ny sélection automatique, ka ireo mahafeno ny fepetra sy mahazo naoty mifanaraka amin’izany no ho voafantina.
📍 District Sakaraha
🤝 Ho an’ny kandidà rehetra, andrasana ny vokatra ofisialy aorian’ny fahavitan’ny traitement sy ny sélection.