05/06/2026
𝐌𝐢𝐀𝐒𝐀- 𝐅𝐈𝐃𝐀: 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞 𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚̀𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲.
📍04 jiona 2026_Nisy ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Andriamatoa RAMINDO Gaëtan sy ny Solontena maharitry ny FIDA eto Madagasikara, Andriamatoa Joseph Rostand Olinga Biwole.
Anton'ny fihaonana:
✅ Fanaovana jery todika ny asa vita
✅ Fizaràna ireo vina sy sehatrasa vaovao afaka hiaraha-miasa amin’ireo tetikasa efa mandeha ankehitriny, indeindra ireo tetikasa vaovaon'ny MiASA izay mifantoka kokoa amin'ny fandraharahana ara-pamokarana,
✅ Fizarana ireo laharam-pahamehan’ny Ministera, iaraha-miasa amin’ny FIDA ka isan’izany:
⏩ ny fananganana Sampana misahana ny Tanora eo anivon’ny Minisitera, araka ny tolo-kevitry ny SADC, mba hametrahana ny fanamby sy mametraka ny tanora ho ivon’ny politika sy paikady momba ny fambolena,
⏩ ny fanamafisana ny fampitaovana na ny « mécanisation » eo amin’ny sehatry ny famokarana, amin’ny alalàn’ny fahazoana traktera sy fitaovam-pamokarana mifanaraka amin’ny filàn’ny tantsaha, mba hampitomboana ny vokatra sy hanavaozana ny sehatry ny fambolena ;
⏩ ny fanitarana ny « Parc d’Innovation Agricole » any amin’ny Faritra Atsimo indrindra ao Androy, miaraka amin’ny fampiroboroboana ny fomba fanondrahana «goutte-à-goutte », takatry ny mpamokatra ary mampiasa teknolojia tsotra sy mahomby ;
⏩ ny fanarenana ny seha-pihariana kafe, amin’ny alalan’ny fanohanana ara-teknika sy ny famolavolana tetikasa manokana hamerenana ny lazan'ny kafe malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
"𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨"
Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire
Programme Pays FIDA Madagascar