30/03/2026
Tatitra sy hetsika niarahana tamin’i Kal’Ain ny Asabotsy 28 Marsa 2026
Mitohy hatrany ny fizarana traikefa sy fanomezan-danja ny faritr’Itasy miaraka amin’i Zoky Kal’Ain. Natomboka tamin’ny fanamboaran-dalana teo amin’ny Kaominina Miarinarivo 2 : nizara section 3 ny asa isaky ny tanana voakasika, vatan-dehilahy maro dia maro no tonga nanohina ny antso tsy nisalasala fa antsitra-po tanteraka no nanatanterahana ny asa, fisaorana mitafotafo kosa no natolotr’izy ireo an’i Zoky Kal’Ain sy ireo mpiara-miombonantoka ary mpanohana tamin’ny fampitaovana sy ny fanomezana lanja ny tananana.
Nitohy tamin’ny Conférence mitondra ny lohateny hoe: Le vrai leadership en 2026 ny hetsika, vory lanona iany koa ireo tanora, liana sy vonona niara nientana ho tonga mpitantana mahomby, mankasitraka ireo mpizaika rehetra ary koa ireo mpanohana ity fihofanana ity.
Rehefa vita izany rehetra izany dia nofaranana tamin’ny fialmboly ny hetsika rehetra, niara-nifaly sy nilalao ka faly sy ravo avokoa, ny masoandro maty no nampalahelo ary nalaina nisaraka ny rehetra.
Aza adino iany koa ny hetsika Alatsinainy p***a hiarahana amin’ny Kal’Ain sy ny ekipany ao kianja maintso Mandrevo, hisy kilalao maro isankarazany sy fampisehoana iany koa ka tongava maro.
HItohy hatrany io hetsika io manerana ny distrikan’ny Miarinarivo fa arao tsy tapaka ny pejy hoanareo any Anosibe Ifanja, Manazary, Mandiavato, Analavory, Ambatomanjaka, Zoma be aloka sy ny sisa tsy voatanisa, hoavy izahay fa araho hatrany ny pejy.
Lalaina Kal'Ain - Tiako ny tananako!!!!