Tribunal de Première Instance Miarinarivo

Tribunal de Première Instance Miarinarivo Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tribunal de Première Instance Miarinarivo, Government Organization, Antanambao Sud, Miarinarivo.

⚖️Fandraisana anjaran’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Miarinarivo amin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena m...
06/03/2026

⚖️Fandraisana anjaran’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Miarinarivo amin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena momba ny Zon’ny Vehivavy 👩‍🦰🌍

Anio faha-06 Martsa 2026, nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena momba ny Zon’ny Vehivavy 👩‍🦰 ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Miarinarivo ⚖️.

Nandritra izany dia nisy famelabelaran-kevitranatao ho fanentanana sy fanazavana momba ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy mba hampahafantarana bebe kokoa ny vahoaka ny zo ananan’izy ireo sy ny fiarovana omen’ny lalàna ⚖️.

Ny tanjona amin’izao dia ny fanamafisana ny fahalalana ny zo sy ny adidy, ary koa ny fanentanana ny rehetra hiaro sy hanaja ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy 🤝, izay anisan’ny fototra iorenan’ny fiarahamonina mirindra sy mandroso 🌱.

Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Miarinarivo ⚖️ dia manamafy hatrany ny fanoloran-tenany amin’ny fampanjakana ny rariny ⚖️ sy ny fiarovana ny zon’olombelona 🕊️, indrindra ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy.

Anio Zoma 21 Febroary 2025 no nanatanteraka ny fambolen-kazo fanao isan-taona teny Ambohipitetaka, fokontany Manankasina...
21/02/2025

Anio Zoma 21 Febroary 2025 no nanatanteraka ny fambolen-kazo fanao isan-taona teny Ambohipitetaka, fokontany Manankasina, Kaominina Miarinarivo II ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Miarinarivo.

Fambolenkazo nataon'ny Faritra Itasy sy ireo herivelona ao aminy ny 24 janoary 2025Isan'ny nandray anjara mavitrika ny M...
26/01/2025

Fambolenkazo nataon'ny Faritra Itasy sy ireo herivelona ao aminy ny 24 janoary 2025
Isan'ny nandray anjara mavitrika ny Ministeran'ny Fitsarana ahitana ny avy ao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Miarinarivo sy ny Fandraharahana ny Fonja

MATCH DE COHÉSION BASKETBALL  FIN D’ANNEE 2024Notanterahina anio 13/12/24 ny match de cohésion tamin’ny taranja basket b...
13/12/2024

MATCH DE COHÉSION BASKETBALL FIN D’ANNEE 2024

Notanterahina anio 13/12/24 ny match de cohésion tamin’ny taranja basket ball teo amin’ny mpiasan’ny fitsarana sy ny polisim-pirenena teto Miarinarivo. Izany no natao dia entina hamaranana ny taona ary hanatsarana ny fifandraisana sy hifankahafantarana eo amin’ny mpiasan’ny Fitsarana sy ny mpanejika fandikan-dalàna izay tsy afa misaraka amin’ny raharaha ady heloka. 

Address

Antanambao Sud
Miarinarivo
117

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tribunal de Première Instance Miarinarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share