04/05/2026
𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐧𝐨𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐬𝐚𝐢𝐧'𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐈𝐭𝐚𝐬𝐲
🗓️04 𝐌𝐚𝐢 2026
📍𝐁𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧 𝐈𝐭𝐚𝐬𝐲
✍️Toy ny fanao isaky ny alatsinainy voalohan'ny volana dia nanatanteraka fananganan-tsaina ny mpiasa rehetra eo anivon'ny sampandraharaham-panjakana eto Miarinarivo Itasy.
✨Nitarika izany Andriamatoa Lehiben'ny Fileovana Miarinarivo sy Ramatoa Lehiben'ny Faritra Itasy mpisolo toerana.
📎Teboka maromaro no nifampizarana nadritra izany
✅Fampahafantrana ny fisian'ny fanendrena ny Lehiben'ny Faritra vaovao
✅Fisaorana tamin'ny fiaraha-miasa tamin'i Ramatoa Lehiben'ny Faritra Mpisolo toerana teo aloha
✅Fampahafantarana ny fankalazana ny faha 55 taona kaominina renivohitra Miarinarivo
✅Fampahafantarana ny fanaovam-bakisiny mpox izay misokatra ho an'ny rehetra
✅Fampahafantarana ny hetsika ho fanokafana ny cantine scolaire sy fanamafisana fahaiza-manaon'ireo mpampianatra mba hampiakarana ny fari-pahaizan'ireo mpianatra any an-tsekoly
✅Fampahafantarana ny hetsika fizarana kopia faobe.
𝑵𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 𝒆𝒕𝒐 𝑴𝒊𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒕𝒂𝒓𝒊𝒉𝒊𝒏-𝒅𝑹𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑻𝒂𝒍𝒆𝒎-𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒎-𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 𝑰𝒕𝒂𝒔𝒚.