Député Haja Mananjary

Député Haja Mananjary SAHY MIJORO HOAN'I MANANJARY

04/09/2026

𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥-𝟯 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗡𝗚𝗔 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢

𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢𝗭𝗢𝗠𝗔 𝟰 𝗦𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲🇲🇬𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗢𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗗𝗜𝗥𝗔𝗠-𝗕𝗢𝗟𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡𝗔𝗧𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢🇲🇬▪️ Isaor...
04/09/2026

𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢
𝗭𝗢𝗠𝗔 𝟰 𝗦𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲

🇲🇬𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔
𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗢𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗗𝗜𝗥𝗔𝗠-𝗕𝗢𝗟𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡𝗔𝗧𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢🇲🇬

▪️ Isaorana manokana ireo vahoaka, indrindra ireo 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗕𝗘𝗛𝗜𝗩𝗔𝗩𝗬 izay tonga nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny 𝗙𝗜𝗢𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗞𝗢𝗛𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗞𝗢𝗥𝗘𝗔𝗡𝗜𝗡𝗔, teto 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢.

▪️ Araka ny efa nampanantenain’ny 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥-𝟯 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔, dia androany no nanatanterahana ny fizarana akoho karazana 𝗖𝗢𝗠𝗕𝗢 ho an’ireo mpiofana, mba hahafahan’izy ireo manomboka mampihatra avy hatrany ireo fahalalana sy teknika noraisiny nandritra ny fiofanana.

▪️ Isaorana ihany koa ireo 𝗠𝗣𝗔𝗠𝗣𝗜𝗢𝗙𝗔𝗡𝗔, izay nanambara ny fahavononany hanaraka akaiky sy hanara-maso ireo mpiofana amin’ny fampiharana ny fomba fiompiana, mandra-pahazoana vokatra tsara sy maharitra.

▪️ Tanjona lehibe amin’izao hetsika izao ny fanomezana vahana ny mponina eny ifotony mba hahafahany mamorona asa, mampitombo ny fidiram-bola ary manatsara ny fari-piainan’ny tokantrano.

🇲🇬 𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢

𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢𝗭𝗢𝗠𝗔 𝟰 𝗦𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲Tonga ny fotoana nandrasana! Nafana sy feno hafaliana ny fandraisana ny 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗛...
04/09/2026

𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢
𝗭𝗢𝗠𝗔 𝟰 𝗦𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲

Tonga ny fotoana nandrasana!

Nafana sy feno hafaliana ny fandraisana ny 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥-𝟯 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 sy ireo Delegasiona niaraka taminy androany.

Tonga eto 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 izy ireo, ao anatin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny 𝗛𝗘𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗕𝗘 𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢. 🇲🇬

Fotoana iray lehibe entina hanehoana fisaorana, firaisankina, fifankatiavana ary fiaraha-mientana miaraka amin’ny vahoaka.

𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗛𝗜𝗩𝗔𝗡𝗔▪️ Ho antsika 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔NA na 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔𝗠-𝗣𝗢𝗞𝗢𝗧𝗔𝗡𝗬 rehetra izay ho avy hamonjy ny 𝗙𝗘𝗧𝗬 𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢, d...
04/09/2026

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗛𝗜𝗩𝗔𝗡𝗔
▪️ Ho antsika 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔NA na 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔𝗠-𝗣𝗢𝗞𝗢𝗧𝗔𝗡𝗬 rehetra izay ho avy hamonjy ny 𝗙𝗘𝗧𝗬 𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢, dia ampahatsiahivina isika mba tsy hanadino ny hitondra ireo fitaovana ilaina amin’ny fikarakarana, toy ny :
▪️ 𝗩𝗢𝗟𝗔𝗚𝗡𝗬 𝗕𝗘
▪️ 𝗞𝗜𝗧𝗔𝗬
▪️ 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗛𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔
▪️ Ary ireo fitaovana hafa mety hanamora ny fikarakarana ny sakafo.

📍 Momba ny toerana hivantanana sy ny sakafo andrahoina, dia afaka manatona sy mifandray amin’ny 𝗠𝗔𝗜𝗥𝗘 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 ianareo mba hahazoana ny fandaminana sy toromarika ilaina.

𝗛𝗢𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗥𝗘 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢.

Miara-mientana isika mba hahatonga ny 𝗙𝗘𝗧𝗬 𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 ho hetsika lehibe, milamina ary feno firaisankina.

03/09/2026

𝗛𝗘𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 « 𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 »
𝗙𝗜𝗡𝗔𝗟𝗘 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗗𝗘𝗣𝗨𝗧𝗘́ 𝗛𝗔𝗝𝗔
𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔
Député Haja Mananjary

𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 – 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬𝗙𝗜𝗡𝗔𝗟𝗘 – 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗗𝗘𝗣𝗨𝗧𝗘́ 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔 ▪️Tanteraka soa aman-tsara androany, tao anatin’ny ...
03/09/2026

𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 – 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬

𝗙𝗜𝗡𝗔𝗟𝗘 – 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗗𝗘𝗣𝗨𝗧𝗘́ 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔

▪️Tanteraka soa aman-tsara androany, tao anatin’ny filaminana sy firaisankina tanteraka, ny lalao famaranana (Finale) tamin’ny tournoi 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗗𝗘𝗣𝗨𝗧𝗘́ 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔.

▪️Nifarana tamin’ny fahombiazana izany fifaninanana ara-panatanjahantena izany, izay sady nanamarika ihany koa ny fanokafana ny hetsika lehibe “𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢”, hetsika karakarain’ny 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥-𝟯 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔.

▪️Samy nahazo loka sy fanomezana avokoa ireo ekipa telo voalohany, ho fankasitrahana ny ezaka sy ny fahavononan’izy ireo nandritra ny fifaninanana:

🥇 𝗖𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗢𝗡 – 𝗙𝗖 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢
🔸OMBY MIDEKADEKA : 1
🔸 Vola : 200 000 Ar
🔸 Maillot complet : 1
🔸 Tee-shirt

🥈 𝗩𝗜𝗖𝗘-𝗖𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗢𝗡 – 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗧𝗢𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗔𝗡𝗔
🔸Vola : 300 000 Ar
🔸 Maillot complet : 1
🔸 Tee-shirt

🥉 𝟯𝗘̀𝗠𝗘 𝗣𝗟𝗔𝗖𝗘 – 𝗜𝗥𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢
🔸 Vola : 100 000 Ar
🔸 Maillot complet : 1
🔸 Tee-shirt

Mankasitraka sy miarahaba ireo ekipa rehetra nandray anjara tamin’ity 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗗𝗘𝗣𝗨𝗧𝗘́ 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔 ity.

▪️𝗠𝗘𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 dia mbola hitohy rahampitso, ka manentana ny rehetra mba ho avy hanotrona sy hiara-hientana amin’ity hetsika lehibe ity.

𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 – 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬

03/09/2026

𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬 — 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢

𝗙𝗔𝗡𝗢𝗞𝗔𝗙𝗔𝗡𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬
🏆 𝗙𝗜𝗡𝗔𝗟𝗘 — 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 DEPUTE HAJA 𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔 🏆

Androany Alakamisy 3 Septambra 2026 no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 𝗙𝗜𝗡𝗔𝗟𝗘 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔 izay notarihan'i 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩AMBAHOAKA 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔 — 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥-𝟯 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔,

𝗙𝗖𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 🆚 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗧𝗢𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗔𝗡𝗔

📍 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 | 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬

𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔 — 𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗠𝗣ONT𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗜 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬🇲🇬Retour en images sur un événement exceptionnel, placé sou...
01/09/2026

𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔 — 𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗠𝗣ONT𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔
𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗜 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬

🇲🇬Retour en images sur un événement exceptionnel, placé sous le signe de la convivialité, de l’unité, du partage et du dialogue avec la population, au cœur de la 𝗖𝗢𝗠𝗠𝗨𝗡𝗘 𝗥𝗨𝗥𝗔𝗟𝗘 𝗗’𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔.

🇲🇬Cette rencontre a été particulièrement honorée par la présence de plusieurs personnalités et responsables locaux :

▪️ 𝗛𝗢𝗡𝗢𝗥𝗔𝗕𝗟𝗘 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔 — 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥-𝟯 𝗗𝗘 𝗟’𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔
▪️ 𝗠𝗢𝗡𝗦𝗜𝗘𝗨𝗥 𝗟𝗘 𝗖𝗛𝗘𝗙 𝗖𝗜𝗦𝗖𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬
▪️ 𝗠𝗢𝗡𝗦𝗜𝗘𝗨𝗥 𝗟𝗘 𝗠𝗔𝗜𝗥𝗘 — 𝗖𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔
▪️ 𝗠𝗢𝗡𝗦𝗜𝗘𝗨𝗥 𝗟𝗘 𝗠𝗔𝗜𝗥𝗘 — 𝗖𝗥 𝗩𝗢𝗛𝗜𝗟𝗔𝗩𝗔
▪️ 𝗠𝗢𝗡𝗦𝗜𝗘𝗨𝗥 𝗟𝗘 𝗠𝗔𝗜𝗥𝗘 — 𝗖𝗥 𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗘𝗧𝗥𝗔
▪️ 𝗠𝗢𝗡𝗦𝗜𝗘𝗨𝗥 𝗟𝗘 𝗗É𝗟É𝗚𝗨É 𝗗’𝗔𝗥𝗥𝗢𝗡𝗗𝗜𝗦𝗦𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧 — 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔
▪️ 𝗠𝗢𝗡𝗦𝗜𝗘𝗨𝗥 𝗟’𝗔𝗦𝗦𝗜𝗦𝗧𝗔𝗡𝗧 𝗣𝗔𝗥𝗟𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧𝗔𝗜𝗥𝗘 — 𝗠𝗔𝗠𝗬 𝗩𝗢𝗛𝗜𝗟𝗔𝗩𝗔

🇲🇬𝗙𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔
Fisaorana lehibe no atolotra ireo vahoaka marobe tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’ity fotoana manan-danja teto an-tampontanana, Kaominina Ambodinonoka ity.

Fotoana iray niavaka izy ity, izay nahafahana namangy sy nihaona mivantana tamin’ny vahoaka, nanao tatitra momba ireo lalana lany teo anivon'ny Antenimierampirenena sy ireo asa efa vita, ary indrindra indrindra nihaino sy nandray ireo hetahetam-bahoaka aty amin’ity faritra lavitra ity.

🇲🇬𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗙𝗔 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢
Efa maro ireo ezaka sy fanohanana natao ho an’ny 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔, hatramin’izay naha 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 an’i 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔.

Anisan’izany :

▪️ Fanomezana 𝗝𝗜𝗥𝗢 𝗟𝗔𝗠𝗣𝗔𝗗𝗔𝗜𝗥𝗘 ho fanatsarana ny fahazavana eny an-toerana.

▪️ Fanomezana 𝗧𝗢𝗟𝗘 ho an’ny 𝗖𝗘𝗚.

▪️ Fanomezana 𝗧𝗔𝗕𝗟𝗘𝗔𝗨 𝗡𝗢𝗜𝗥 ho an’ny sekoly maromaro

▪️ Fanomezana 𝗧𝗔𝗕𝗟𝗘-𝗕𝗔𝗡𝗖 ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana.

▪️ Fanohanana ireo 𝗤𝗨𝗔𝗥𝗧𝗜𝗘𝗥 𝗠𝗢𝗕𝗜𝗟𝗘, izay nahazo 𝗧𝗘𝗡𝗨𝗘.

▪️ Fanomezana 𝗠𝗔𝗦𝗢𝗠𝗕𝗢𝗟𝗬 ho an’ireo vehivavy, miaraka amin’ny fanohanana ara-bola mitentina 𝟭 𝗧𝗔𝗣𝗜𝗧𝗥𝗜𝗦𝗔 𝗔𝗥𝗜𝗔𝗥𝗬 ho fanomanana ny fankalazana ny 𝟴 𝗠𝗔𝗥𝗦 ho avy.

▪️ Tsy adino ireo 𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔, tamin’ny alalan’ny fanomezana 𝗔𝗞𝗔𝗡𝗝𝗢 𝗦𝗬 𝗦𝗔𝗧𝗥𝗢𝗞𝗔 𝗠𝗘𝗡𝗔 ary ny VILAGNY BE.

🇲🇬𝗙𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 AVY AMIN'𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡À𝗡𝗔

Naneho ny fisaorana sy ny hafaliany ihany koa ny 𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡À𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔, noho ny fahatokisan’ny vahoaka azy sy ny nahalany azy hitantana ny Kaominina.

Ity fihaonana ity dia maneho fa zava-dehibe ny fifanatonana, ny fihainoana ny vahoaka ary ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny kaominina.

🇲🇬𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗢𝗜𝗕𝗘 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗠𝗣𝗢𝗡’𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔

Eto ihany koa dia apetraka ny antso amin’ny 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗢𝗜𝗕𝗘, ireo tompon’andraikitra amin’ny tetikasa, ary ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina isan-karazany, mba hijery akaiky kokoa ny zava-misy aty amin’ny 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔.

Vahoaka Malagasy mitovy zo sy mitovy hasina amin’ny vahoaka rehetra ny aty an-toerana, na dia lavitra sy sarotra aleha aza.

Koa ilaina ny fanohanana sy ny fijerena akaiky kokoa mba hahafahan’izy ireo misitraka ihany koa ireo fotodrafitrasa, tolotra ary tetikasa fampandrosoana mendrika azy.

𝗔𝗠𝗕𝗢𝗗𝗜𝗡𝗢𝗡𝗢𝗞𝗔 — 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔 AMIN' 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔

31/08/2026

MANANJARY
KAOMININA AMBODINONOKA
▪️Izy no kaominina lavitra indrindra ato amin'ny Distrikan'i MANANJARY. Inona ny zavatra misy any amin'izao??
Député Haja Mananjary

𝗠𝗘𝗜𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 ------------------------------------📢 𝗔𝗨 𝗣𝗥𝗢𝗚𝗥𝗔𝗠𝗠𝗘 — 𝗩𝗔𝗢𝗩𝗔𝗢  𝗛𝗘𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗕𝗘!📅 𝗔𝗟𝗔𝗞𝗔𝗠𝗜𝗦𝗬 𝟯 𝗦𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮...
31/08/2026

𝗠𝗘𝗜𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢
------------------------------------
📢 𝗔𝗨 𝗣𝗥𝗢𝗚𝗥𝗔𝗠𝗠𝗘 — 𝗩𝗔𝗢𝗩𝗔𝗢 𝗛𝗘𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗕𝗘!

📅 𝗔𝗟𝗔𝗞𝗔𝗠𝗜𝗦𝗬 𝟯 𝗦𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲

⚽ 𝗙𝗜𝗡𝗔𝗟𝗘 — 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗗𝗘𝗣𝗨𝗧𝗘́ 𝗛𝗔𝗝𝗔 𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔

🕑 2 ora tolakandro
🏆 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗧𝗢𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗔𝗡𝗔 🆚 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 𝗙𝗖
📍 Terrain ANTSENAVOLO

⚽ Ady baolina kitra goavana
famaranana izay hihaonan’ireo ekipa roa hiady ny amboaran’ny 𝗖𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗗𝗘𝗣𝗨𝗧𝗘́ 𝗛𝗔𝗝𝗔-𝗢𝗠𝗕𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗘𝗞𝗔𝗗𝗘𝗞𝗔!

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

📅 𝗭𝗢𝗠𝗔 𝟰 𝗦𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲

🔹 01 — 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗕𝗘
🕘 9 ora maraina
🤝 Fandraisana sy fitsenana ny 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔 — 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥-𝟯 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔, miaraka amin’ireo 𝗩𝗔𝗛𝗜𝗡𝗬 rehetra.

🔹 02 — 𝗣𝗢𝗗𝗜𝗨𝗠 & 𝗛𝗘𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 ISAN-KARAZANY
🎤 Aorian’ny fitsenana dia mizotra eny amin’ny 𝗞𝗜𝗔𝗡𝗝𝗔 𝗠𝗔𝗟𝗔𝗞𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 ny rehetra.
🎶 Hanomboka eo ny 𝗣𝗢𝗗𝗜𝗨𝗠, miaraka amin’ny:
• Kilalao isan-karazany
• Hetsika ara-kolontsaina
• Vakodrazana
• Fialamboly sy hetsika maro samihafa

🔹 03 — 𝗙𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗞𝗢𝗛𝗢 𝗞𝗢𝗠𝗕𝗢
🐔 Hotanterahina ihany koa ny 𝗙𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗞𝗢𝗛𝗢 𝗞𝗢𝗠𝗕𝗢, ho fampiharana ireo fampiofanana izay natao tao 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢.

🔹 04 — 𝗔𝗟𝗜𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 (9ora alina)
🎊 Faranana amin’ny hetsika sy fialamboly ny fandaharana, amin’ny alalan'ny 𝗔𝗟𝗜𝗡𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 eny amin’ny 𝗧𝗘𝗥𝗥𝗔𝗜𝗡 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 ny Zoma io.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

📅 𝗦𝗔𝗕𝗢𝗧𝗦𝗬 𝟱 𝗦𝗘𝗣𝗧𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲

🔹 01 — 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗖𝗔𝗥𝗡𝗔𝗩𝗔𝗟
🕣 8 ora sy 30 maraina
Hanomboka ny 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗖𝗔𝗥𝗡𝗔𝗩𝗔𝗟 hifaninanana isaky ny 𝗙𝗢𝗡𝗞𝗢𝗧𝗔𝗡𝗬.
🏆 Loka lehibe: OMBY 1 ho an’izay mendrika amin’ny fifaninanana!

🔹 02 — 𝗞𝗔𝗕𝗔𝗥𝗬 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗕𝗘
🎙️ Rehefa vita ny Carnaval dia hotanterahina eny amin’ny 𝗧𝗘𝗥𝗥𝗔𝗜𝗡 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢 ny 𝗞𝗔𝗕𝗔𝗥𝗬 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗕𝗘 𝗜𝗙𝗔𝗡𝗗𝗜𝗠𝗕𝗜𝗔𝗦𝗔𝗡𝗔.

🔹 03 — 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗔𝗞𝗔𝗙𝗢
🍽️ Rehefa vita ny kabary dia hisy ny 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗔𝗞𝗔𝗙𝗢 eny amin’ny:
📍 𝗞𝗜𝗔𝗡𝗝𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗕𝗜𝗥𝗔𝗢 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔

🔹 04 — 𝗦𝗣𝗘𝗖𝗧𝗔𝗖𝗟𝗘 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗕𝗘
🔥 Amin’ny tolakandro kosa dia hisy 𝗦𝗣𝗘𝗖𝗧𝗔𝗖𝗟𝗘 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗕𝗘 miaraka amin’ireo mpanakanto:

🎤 𝗟𝗜𝗖𝗢 𝗞𝗜𝗡𝗜𝗡I𝗞𝗘
🎤 𝗞𝗛𝗘𝗟𝗘𝗡𝗘
🎤 𝗙𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗘𝗧𝗥𝗔 — ⭐ 𝗜𝗡𝗩𝗜𝗧𝗘́ 𝗦𝗣𝗘́𝗖𝗜𝗔𝗟

HETSIKA LEHIBE, FIALAMBOLY, KOLONTSAINA ARY FIFANKATIAVANA — AO ANATIN’NY FOTOANA IRAY!

📍 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢
🤝 𝗧𝗢𝗡𝗚𝗔VA 𝗠𝗔𝗥𝗢, 𝗧𝗢𝗡𝗚𝗔VA 𝗛𝗜𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔! Afaka tonga ihany koa isika KAOMININA HAFA MANOTRONA
🎊 Aza adino ny fotoana!

𝗠𝗘𝗜𝗥𝗖𝗜 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢
Com/DEPUTE HAJA/Août 2026

Address

Mananjary

Telephone

+261346550065

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Député Haja Mananjary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Député Haja Mananjary:

Shortcuts

Share