31/08/2026
🌊 Niova ho toy izao ny filazana fampitandremana noho ny alondrano 😏
FAMPITANDREMANA NOHO NY ALONDRANO | 31 Aogositra 2026
⚠️ 🌊 Hahery hatrany ny ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy atsinanana na atsimo atsinanana. Vinavinaina hanodidina ny 2.5/3m ny haavon’ny onja, hahatratra 3.5m indraindray manakaiky ny tendrony avaratra.
▶️FE-POTOANA :
➢Anio Alatsinainy 31 Aogositra 2026.
▶️FIANTRAIKANY :
➢Fahasarotan’ny fifamoivoizana na faharendrehana an-dranomasina;
➢Fikorontan’ny asa fihariana andavanandro.
▶️FARITRA VOAKASIKA :
📕📕 Fampitandremana miloko mena : Mahanoro hatrany amin’ny tanjona Bobaomby.
❌❌Entanina ny rehetra mba hanaraka tsy tapaka ny toromarika atolotry ny tompon’ andraikitra eny ifotony. ❌❌
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar