02/09/2026
🛑Nanatanteraka fitsidihana sy fidinana ifotony tao amin’ny CISCO Ambatoboeny ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Boeny, ny talata 01 septambra 2026.
▶️Nandritra izany no nihaonany tamin’ireo mpampianatra sy talen-tsekoly ary nanentana ny amin’ny fikojakojana sy fanatsarana ary fambolena voninkazo hahatsara ny toeram-pianarana sy iasana.
▶️Ankoatra izay dia natolotra ofisialy ny efitrano fianarana miisa 02 nohavaozina tao amin’ny CEG Ambatoboeny, izay niantsorohan'ny fikambanana "Fanantenana" rehefa simba noho ny fandalovan'ny rivodoza.
▶️ Ary farany dia nanararaotra nihaona sy niara-nisakafo ary nanolotra fanomezana ho an'ny mpianatra mendrika tamin'ny fanadinana CEPE 2026 ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Boeny.
▶️ Ankoatra ny fitaovam-pianarana nomena dia notolorana fanampiana amin'ny saram-pianarana iray volana sy saram-pisoratana anarana ilay mpianatra mendrika ary nahazo fitaovana enti-miasa ihany koa ny sekoly nivoahany.
Communication DREN BOENY/Septambra 2026