02/09/2026
π *MIRAY HINA HO AN'I BABAIQUE*
Mandalo fotoan-tsarotra indrindra aminβny fahasalamany aminβizao fotoana izao i BABAIQUE, mpanakanto malaza sy fantadaza Malagasy.
Efa tontosa ny fikarakarana ny **ΓVACUATION SANITAIRE any Inde**, noho ny toe-pahasalamany izay tena mila fitsaboana manokana sy maika.
π Tsy hay ny tsy hisaotra ireo rehetra nanampy taminβizany, indrindra ny *Filohanβny Fanavaozana mivady Atoa sy Ramatoa RANDRIANIRINA MICHAEL nanampy sy nankahery sy nanolo-kevitra ka nampalaky izao fahafahana mitsabo-tena any INDE izao. ISAORANA MAVENTY koa ireo Minisitera-panjakana isan-tsokajiny nikarakara izay tandrify azy sy ireo araky ny ambaratongany tsirairay avy , Indrindra indrindra ireo mpitsabo Malagasy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra namelona sy nikarakara azy.
π Fisaorana manokana ihany koa ho anβny Mpnakanto namana MAMY GOTSO, izay raha vao naheno ny fahasahirananβny mpanakanto zokiny sy namany ity dia nitotototo avy hatrany, nanampy ary nanao izay rehetra azony natao mba hahafahana mitsabo anβi BABAIQUE haingana.
Misaotra Mamy, fa tena havana tokoa ianao!
Isaorana ihany koa ny fikambanana tarihinao " MANAVAO sy ny FANJIRY niara-nifanampy nikarakara be.
Isaorana miaraka aminy koa i Atoa Fidelis Manajeur , ireo mpanakanto namana rehetra, ireo havana amantsakaiza, ireo fikambananadrazana sy tsotra maro tsy ary ho voatanisa eto. Indrindra ny Malagasy rehetra izay samy nandray anjara taminβny fanohanana na ambavaka na ara moraly.
π FA MBOLA EO AM-PIANDOHAHANA NY TOLONA...
Tontosa ity ny fandefasana azy any INDE, saingy ny tena ady sarotra sy lehibe eo aminβny fitsaboana kosa dia vao manomboka eto.
Koa aminβny fanetren-tena lehibe tompoko no iangavianay fianakaviana antsika rehetra na ny eto antoerana na ny avy any ivelany rehetra any izay rehetra mba afaka hanampy araka izay tsirambinβny tanana.
Fa Tsy misy fanampiana kely rehefa aina sy fahasalamana no resahina fa lehibe daholo izany.
Ireto ny laharana azo andraisana ny fanampiana Tompoko
π M'Vola : 034 05 998 58
πOrange Money: 032 49 014 19
( Controleur GΓ©nΓ©ral de Police TOMBOHASY CHRISTIAN) Rahalahany
πβ€οΈAndao hiara-hijoro, hiara-hivavaka ary hiara-hanohana anβi BABAIQUE.
*Enga anie izy ho tafody eto an-tanindrazana indray, ho salama sy matanjaka.*
Source : Ny Fianakaviana.