01/09/2026
MISOKATRA AMIN'NY FOMBA OFISIALY ARY AZO IVEZIVEZENA NY LALANA EO AMIN'NY DON BOSCO MANGARIVOTRA
Nosokafan'ny Delegasiona Manokana ny CUM tarihin'Atoa DOLSAIN Guy sy ny Filohan'ny Filankevitra Monisipaly, Atoa RAKOTOJAOBELINA Haja Liva sy ireo Mpanolontsaina, tamin'ny fomba ofisialy androany 01 septambra 2026 ity lalàna ity. Tonga nanotrona izany Atoa Préfet'ny Mahajanga sy ny solontena avy amin'ny Faritra Boeny, ny Staff avy ato amin'ny CUM ary ireo solontenan'ny mponina manodidina.
Mirefy 150m ny halavany ary 6m ny sakany ity lalàna ity, naharitra 3volana teo ny asa fanamboarana ary notsindrin'Atoa PDS fa ny volan'ny CUM madiodio no nanatanterahana ny asa.
Heverina fa hanala fahasahiranana ny maro tokoa iny lalana iny.
Mbola hitohy ny asa tamberinandraikitra satria mbola misy ireo fanamboarana fotodrafitrasa hataon'ny CUM.