25/04/2018
FANAMBARANA AVY AMIN’NY MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA
Ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka dia manamafy ny fanambarana niarahan’ny mpitandro filaminana, na amin’ny fiaraha-miory izany, na amin’ny firariana fahasitranana haingana ho an’ny naratra, ary indrindra amin’ny fandraisana andraikitra manoloana ny zava-misy ankehitriny.
Ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, izay miahy ny Polisim-pirenena dia mijoro amin’ny andraikitra voafaritry ny lalàna ho fiarovana ny olona sy ny fananany, sy ho fiarovana ny andrim-panjakana.
Amin’izany fanatanterahany ny asany izany dia tsy miandany amina firehana politika sy Polisim-pirenena, araka ny voalazan’ny andininy faha 13, andalana faha 3 ao amin’ny Lalàna 96-026 tamin’ny 02 oktobra 1996 mamaritra ny Sata ankapobeny mahaleotenan’ny Mpiasa ao amin’ny Polisim-pirenena.
Ny sata mifehy ny Polisim-pirenena dia mamaritra fa ny tombotsoa arak’asa (Interêt professionnel) irery ihany no andraisana anjara amin’ny asa sendikaly eo anivon’ny Polisim-pirenenena.
Noho izany, manoloana ny fanambarana tamina haino aman-jery sasantsasany teto andrenivohitra androany Talata faha 24 aprily 2018, nataona Polisy vitsivitsy avy amin’ny “Corps des Inspecteurs de Police sy Brigadiers ary Agents de Police”, izay nitonona ho avy amin’ny Sendikan'izy ireo,
Noho ny maha saro-pady ny asa fitandroana ny filaminana, indrindra amin’ny vanim-potoana lalovan’ny firenena ankehitriny.
VOALOHANY : Ny fanambarana izay nataon’izy ireo dia tamin’ny anaran’izy ireo manokana, fa tsy tamin’ny anaran’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, miahy ny Polisim-pirenena velively, izay misy "Corps" efatra dia ny “Corps des Inspecteurs Généraux, Contrôleurs Généraux et Commissaires de Police”, sy ny “Corps des Inspecteurs de Police” ary ny “Corps des Brigadiers et Agents de Police”.
FAHAROA : Ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka dia tsy miantoka izay fanambarana miala amin’ny voafaritry ny didy aman-dalàna, ka tompon’andrakitra tanteraka izay mivoana amin'izany.
FAHATELO SADY FARANY : Miangavy ny rehetra hahay hamakafaka sy handanjalanja ny zava-misy, ka tsy hihinana am-bolony amin’ny fampielezana vaovao etsy sy eroa.