31/08/2026
πππππππ π
πππππππ
ππππππππ ππ πππππ-πππππππ ππππ
π-ππππππππππππππ ππ π
ππππππ ππππππππ (πππ)
Laharam-pahamehana ho anβny Faritra Ihorombe ny fandrafetana ny PRD na Drafi-pampandrosana ny Faritra, izay laharam-pahamehanβny Lehibenβny Faritra Ramilavonjy Tialy Tsiverihasy raha vao voatendry teo aminβny fitondrana.
Notanterahana androany 31/08/2026 ny tatitra fampahafantarana ny angon-kevitra, fanolorana vonjimaika, vokatry ny fidinana ifotony teny aminβireo Kaominina nataonβireo Β« πππβππ¦ ππβπ Β» (ππππ π’ππ‘πππ‘π) sy ireo mambra SLC.
Hamaο¬sina fa nanomboka ny volana Janoary no namolavolana ity PRD ity, ary izao andalan-pahavitana izao.
NambaranβAtoa Lehibenβny Faritra fa βπ΅πππππππβππ¦ πΉππππ‘ππ ππ¦ πππππππππ‘πππ ππ¦ ππ
π· ππ‘π¦ π ππ‘πππ ππ ππ πβππ‘πππ ππ¦ ππβππππ-ππβπππβππβππ¦ πΉππππ‘ππβ.
Nanentana araka izany Izy, aminβny fanaraha-maso sy aminβny soso-kevitra atolotra raha misy fanatsarana tokony hatao.
Nandray anjara taminβizao fivoriana izao ireo Benβny Tanana ato anatinβny Faritra Ihorombe, ny mambra SLC, ireo Talem-paritra sy Sampandraharaham-panjakana ka Atoa Lehibenβny Faritra Ihorombe no nanokatra izany taminβny fomba ofisialy.
Aorian'izao atrikasa izao dia hiroso indray amin'ny "π―ππ₯π’ππππ’π¨π§ ππ’π§ππ₯π".