13/02/2026
🌳 Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo 2026 – Faritra Ihorombe 🌱
Natao androany 13 Febroary 2026 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2026, izay notanterahina tao Ilempo III, Kaominina Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe.
🎯 Lohahevitra tamin’ity taona ity :
“Izay mamboly hazo, mamelona aina.”
🌍 Nosafidiana manokana ny toerana Ilempo III satria izy anisan’ny loharano manan-danja miantoka ny famatsian-drano fisotro ho an’ny Kaominina Ankily sy ny Kaominina Ambonivohitr’Ihosy.
👉 Zava-bita :
🌱 Zanakazo 2 800 no novolena
🌿 Karazana : kily, kininim-boasary, rotra ary ananambo
📍 Velarantany : 3 ha
👉 Fandraisana anjara :
👥 Olona 800 mahery no nandray anjara (mpiasam-panjakana, fikambanana miankina sy tsy miankina ary antoko politika)
🤝 Ny hetsika dia notarihin’ny DREDD Ihorombe
🎖️ Nosokafan’ny Prefetn’Ihosy tamin’ny fomba ofisialy, niaraka tamin’ny fanatrehan’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra nisolotena ny Lehiben’ny Faritra ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny
💧 Ny DREAH Ihorombe dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fambolen-kazo nandritra ity hetsika ity.
✨ Nizotra am-pilaminana sy nahomby ny lanonana fanokafana, ary antenaina fa hitondra vokatra maharitra ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny loharanon-drano eto amin’ny Faritra Ihorombe.
🌿💧