07/09/2026
FAMPANDROSOANA NOSY BE.
Efa tonga eto amintsika ny Orin'asa hanao ny Forages eto amintsika araka ny fampanantenana izay nataony Filoha ny Fanavaozana Repoblikan'i Madagasika Colonel RANDRIANIRINA Michaël nandritrany fahaonan'ny tamin'ny Vahoaka tao amin'ny Gymnase.
Nanomboka androany ny asa fanamboarana forages efatra (04) eto Nosy Be ary ho vita amin'ity herin'andro ity ihany ny asa fanamboarana.
Manampy ireo mpitondra eo anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Nosy Be izao fanamboarana forages izao satria efa nisy forage iray no namboariny tao amin'ny Hôpital Be izay fiaraha miasan'ny Kaominina tamin'ny tsy miankina ary hanamboatra Forages efatra (04) ihany koa ny Kaominina eto Hell-Ville izay efa délibération tamin'ny Conseil Municipal.