03/09/2026
✳️Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny talata 01 septambra 2026 tao amin’ny efitranon’ny faritra Matsiatra Ambony ny « atrikasa fanapariahana ny sori-dalana ankapobeny ny rafi-panabeazana eto Madagasikara sy ny fakan-kevitra amin'ny lohahevitra fampiharana ».
▶️Ekipa avy amin'ny minisitera 03 misahana ny fanabeazana (MEN-MESUPRES-METFP) tarihin'ny CELCO no miara mientana amin’izany.
▶️Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny ekipan’ny DREN Matsiatra Ambony izay notarihin’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena.
▶️Haharitra 04 andro ity atrikasa ity.