Distrikan'i Vohibato -MID

Distrikan'i Vohibato -MID Fampitam-baovao sy fampahafantarana eto anivon'i District Vohibato

CR Lamosina 28/07/23Fitsidiana sady fivoriana fanao isambolana tarihin'ny Lehibe'ny Distrika sy ireo olom-boafidy Ary Mp...
28/07/2023

CR Lamosina 28/07/23

Fitsidiana sady fivoriana fanao isambolana tarihin'ny Lehibe'ny Distrika sy ireo olom-boafidy Ary Mpiasam-panjakana isan-tokony eto anivon'ny Distrika.

29/06/2023

Anisany nampiavaka ny teto Alakamisy Itenina Dia ny fandraisana anjara an'Atoa Commandant de Brigade Alakamisy Itenina sy ireo Chorale '' Ity Nosy malalanay ity-TMI''
Nahafinaritra Ary nampihetsipo ny rehetra izany!
Mankafiza finaritra ihany koa isika rehetra ato ary !

Fankalazana ny fetim-pirenena teto Alakamisy Itenina Distrikan'i Vohibato.Natombaka tamin'ny fifaninanana basket ball iz...
28/06/2023

Fankalazana ny fetim-pirenena teto Alakamisy Itenina Distrikan'i Vohibato.
Natombaka tamin'ny fifaninanana basket ball izay nifanandrinan'ny Manampahefa sivily sy ny Zandarmaria eto Alakamisy, nitohy tamin'ny alim-pandihizan'ny firaisan-kina.
Ary ny Alahady 25 Jona kosa no nanaovana ny vavaka firaisam-pinoana.
Ny hariva Dia nisy ny harendrina sy ny afomanga Ary nofaranana tamin'ny alim-pandihizana hoan'ny daholo bé izany!
26 Jona kosa ny Matso lehibe teny Amboavoa niarahana tamin'ireo mpandray anjara Maro.

CR Vohitrafeno 28/04/23 Niverina indray ny fivoriana fanao isam-bolana mitety Kaominina izay tarihin'Atoa Lehiben'ny Dis...
29/04/2023

CR Vohitrafeno 28/04/23

Niverina indray ny fivoriana fanao isam-bolana mitety Kaominina izay tarihin'Atoa Lehiben'ny Distrika sy ireo mpiara miasa aminy ary ny eo anivon'ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny, tao ihany koa ireo mpitam-bolan'ny Kaominina 16 eto Vohibato.

Talohan'ny nandrasain'ny Lehiben'ny Distrika anjara fitenenana Dia nanokatra izany tamin'ny fiarahabana ny vahiny sy ny eo an-toerana, ireo tompon'andraikitra eto anivon'ny Kaominina dia ny Ben'ny Tanàna sy ny Déléguém-panjakana.

Ny Lehiben'ny Distrika hatrany moa no nitarika ity fivoriana ity Ary nisy ihany koa ny fampiofanana sy fanentanana izay nataony tao anatin'ny fandraisana anjaram-pitenenany, koa nizara efatra mazava tsara ny lahadinika nentiny:
1-Fandaminana ny fivoriana mitety Kaominina;
2-Fandaminana ny fomba fiasan'ny sampandraharaham-panjakana ato Vohibato sy ny antony mahazava-dehibe ny fivoriana fanao isam-bolana Ary notsindrihiny tamin'izany ny lalàna 2014-021 tamin'ny 12 Septambra 2014 izay miresaka ny fisoloantenam-panjakana;
3-Fandaminana ny fomba fiasana'ny Kaominina ( olomboafidy, mpiasam-panjakana Ary sehatra tsy miankina) resaka fandrindrana amin'ny fampandrosoana;
4-Sehatra hoan'ny tsirairay hifampizarana ary
faranana amin'ny resaka fanontanina sy ny valiny.
Nofaranana tamin'ny vaovao samihafa toy ny :
-hetsika kara-tany CASIEF.
-fanomezana kit solaire hoan'ny Fokontany
-lisitry ny mpifidy efa Tonga eny anivon'ny Fokontany
-calendrier fitsarana miaramila eto Vohibato.

Tao aorian'ny fandraisan'ny Lehiben'ny Distrika anjara fitenenana dia Samy nandray ny anjaram-pitenenana tandrify azy ihany koa ireo sampandraharaham-panjakana eto Vohibato Tonga nanatrika ity fivoriana ity.

Ny tanjona amin'ity fivoriana mitety Kaominina ity moa dia ny hialana amin'ilay hoe tany tsy misy fanjakana ary fametrahana ny fisoloan-tenam-panjakana,fandraisana soson-kevitra avy amin'ny tsirairay ihany koa.

CR Vinanitelo 25/04/23 Natomboka omaly ny fametrahana vato fototra  ny Asa Fanorenana ny Fotodrafitr'asa Rano Fisotro Ma...
26/04/2023

CR Vinanitelo 25/04/23
Natomboka omaly ny fametrahana vato fototra ny Asa Fanorenana ny Fotodrafitr'asa Rano Fisotro Madio izay iarahana amin'ny Faritra sy ny Métropole de Lyon eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Rano,ny Fanadiovana sy ny fidiovana.

Vita rafitra ary natolotra ny boky mirakitra ny Drafim-pampandrosoana sy fitantanana ny sehatry ny Rano,fidiovana ary fanadiovana , an'ny Kaominina Vinanitelo (PCDEAH).

Nanatanteraka izany tao amin'ny Kaominina Vinanitelo ny Lehiben'ny Distrika niaraka tamin'ny solotenan'Atoa Solombavambahoaka voafidy Tato Vohibato ary ireo tale Maro toy ny DIDR izay nisolo tena ny Goverinora,ny DREAH-HM, ny Responsable de la Solidarité Internationale Métropole de Lyon ary Atoa Mpandrindra ny Fandaharan'asa EAURIZON 2025 notronin'ireo Tompon'andraikim-panjakana Maro ao amin'ny Distrikan'i Vohibato.

Hisitraka rano fisotro madio arak'izany ny mponina ato Vinanitelo, isaorana ny fitodram-panjakana hatrany.

Tanamaro Mars 2023 teto amin'ny Commune Rurale Talata Ampano, izay notarihin'i Lehiben'ny Distrika sy ny Solombavambahoa...
18/03/2023

Tanamaro Mars 2023 teto amin'ny Commune Rurale Talata Ampano, izay notarihin'i Lehiben'ny Distrika sy ny Solombavambahoaka voafidy Tato Vohibato Ary notronon'ireo olom-panjakana Maro miaraka amin'ny fokonolona eo an-toerana.
Fanamboaran-dàlana sy fanavaona lakan-drano no tena nibahana ny fotoana.
Isaorana ny rehetra Tonga nandray anjara!

Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoana ny fankalazana ny 08 Mars ato anivon'ny renivohitrin'ny Distrikan'i Vohibato n...
05/03/2023

Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoana ny fankalazana ny 08 Mars ato anivon'ny renivohitrin'ny Distrikan'i Vohibato ny fandiovana sy ny fanamboaran-dàlana izay nandraisan'ny rehetra anjara!
Tonga navitrika tokoa ireo fikambanam-behivavy isam-pokontany notronon'ireo lehilahy mahery!
Isaorana ny rehetra tamin'ny fandraisana anjara !

Présentation de vœux 2023 du personnel au Pietra Hôtel Fianarantsoa
10/02/2023

Présentation de vœux 2023 du personnel au Pietra Hôtel Fianarantsoa

28/10/22Teto amin'ny CR Ihazoara indray no nanantontosaina ny fivoriana fidinana ifotony fanao isambolana eto amin'ny Di...
29/10/2022

28/10/22
Teto amin'ny CR Ihazoara indray no nanantontosaina ny fivoriana fidinana ifotony fanao isambolana eto amin'ny Distrikan'i Vohibato.
Tonga namaly ny antso avokoa ireo mpisehatra amin'ny asam-panjakana rehetra.
Araka toy ny mahazatra dia ny Lehiben'ny Distrika izay solontenam-panjakana aty an-toerana no nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy, nizara Telo mazava tsara ny lahadinika Dia ny fanambarana ny vokatra azo tamin'ny andiany voalohany tamin'ny fanomezana Karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana, faharoa Dia ny fanentanana amin'ny resaka doro-tanety izay iarahana amin'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Ary farany ny resaka sosialy!
Téo ihany koa ny fandraisana anjaram-pitenen'ireo sampandraharaha hafa eto anivon'ny Distrika.
Ny CR Lamosina indray no handray izany fivoriana fidinana ifotony izany amin'ny volana Novambra izao!

Andro voalohany sy andro faharoa tamin'ny fanaovana karapanondrom-pirenena maimaimpoana teto Alakamisy itenina.Mandray a...
18/10/2022

Andro voalohany sy andro faharoa tamin'ny fanaovana karapanondrom-pirenena maimaimpoana teto Alakamisy itenina.
Mandray andraikitra tanteraka ny Lehiben'ny Distrika sy ireo mpiara miasa tarihiny!
Isaorana ihany koa ireo mpitandro filamina eto Alakamisy itenina.

30/09/22 CR Vohibato OuestTontosa anio indray ny fivoriana fanao isambolana teto anivon'ny Distrikan'i Vohibato izay nan...
30/09/2022

30/09/22 CR Vohibato Ouest
Tontosa anio indray ny fivoriana fanao isambolana teto anivon'ny Distrikan'i Vohibato izay nandrasain'ny rehetra anjara toy ny efa mahazatra!
Ny Lehiben'ny Distrika hatrany moa no nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy,Ary nizara Telo mazava tsara ny fandaharam-potoana:
- Fitantanan-draharaha amin'ny ankapobeny eto anivon'ny Distrika;
- Fitsarana mitety vohitra izay tena nibahana ny ampaham-potoana;
-Sosialy.
Ary nanamafy ihany koa ny maha zava-dehibe ny resaka filaminana sy fandriampahalemana.
Ny fanentanana ny programam-panjakana amin'ny resaka fanaovana karapanondrom-pirenena sy Kopia maimaimpoana,koa namoaka tetiandro manaraka izao:
CR Mahasoabe :10 Octobre
CR Andranovorivato : 12 Octobre
CR Vohimarina :14 Octobre
CR Alakamisy itenina : 17 Octobre
CR Mahaditra 19 Octobre
Ny tanjona moa Dia tsy hisy olona tsy hanana Kopia sy Karampanondro intsony amin'ny taona 2023, Ary ho tafiditra amin'ny lisitry ny mpifidy ihany koa!

Address

Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Distrikan'i Vohibato -MID posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share