09/06/2024
" ’’
☑️📈 Tsapa fa mitombo isa ny asa ratsy fanolanana tato ato, ny tena loza dia saika ireo tsy ampy taona no iharan’izany;
☑️ Ilaina ny fahamailoana fa havana akaiky (Ray niteraka, raikely, iray tampo, anadahin-dreny, rahalahin-dray, mpampianatra, tompon' trano ...) no mahavanin-doza.
Ny Polisimpirenena dia miady amin' ny herisetra mifototra amin' ny maha-lahy sy maha- vavy ( Lutte contre les VBG) sy ny ady amin' ny fanararaotana ara-nofo atao amin' ny ankizy (abus sexuels envers les mineurs).
☑️ 👨👩👧👦Ho Antsika Ray aman-dReny niteraka, Ray aman-dreny mpiahy, mpanabe.
- Araho maso akaiky ny ankizy :
• iza avy ny namany ?
• Aiza ny toerana falehany na filalaovany ?
• Inona avy ny fataony ?
• Ny fiankanjony, ny fiteniny, firesany.
Fa ny tena zava-dehibe nefa mazàna hadinointsika dia ny fahasalamany, ny fivoaran’ny toe-batany, ny fahatongavan’ny fotoana ho an’ny zazavavy.
☑️📣 Iresaho ny ankizy, mizara mifanakalo hevitra aminy, aza atao FADY na SAKANA ny firesahana fananahana amin’ny zanaka ; atoroy azy ny tokony sy ny tsy tokony hataony, ataovy namana izy mba hialan’ny tahotra sy ny fihafahafana izay sakana tsy hafahany milaza izay manjo azy aminao.
☑️ 📌 TANDREMO ! Aza atakalo FIHAVANANA ny ho avin’ny Zanaka, ny fiainan’ny ankizy. Rehefa misy trangana fanolanana dia ataovy ny fitoriana na iza na iza nanao izany, eny fa na havana akaiky aza.
❌ ❗, midika ho firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy izany, fanomezana vahana ny mpanao ratsy.
📣📣📣 Hentanina ny rehetra fa na iza na iza mahita trangana herisetra na fanolanana atao amin’ny tsy ampy taona dia afaka mampandre haingana ny Polisy. Manome toky ny Polisim-pirenena fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao :
📣 Sahia miteny
📣 Sahia mampahafantatra
📣 Sahia mitoroka
📣 Sahia mitory
📱☎️ 117 / 034 07 517 15
🎬