18/06/2026
FANJARIANTSAKAFO : FANANGANANA IREO KIF na KOMITY IFOTON’NY FANJARIANTSAKAFO
Ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben'ny Fanjakana mikasika ny fanomezan-danja ny maha-olona, dia manohy ny ezaka fanatsarana ny fanjariantsakafo eny ifotony ny Faritra Analanjirofo amin’ny alalan’ny Ôfisim-paritry ny Fanjariantsakafo (O.R.N.).
Anisan’ny paikady napetraka amin’izany ny fananganana ireo KIF (Komity Ifoton’ny Fanjariantsakafo) eny anivon’ny Fokontany. Ahitana ny Filohan’ny Fokontany, ny Filohan’ny Fikambanana 8 Marsa, ny ACN (Agent Communautaire de Nutrition), ireo solontena ifoton’ireo rafitra marolafy ary ireo raiamandreny hajaina eny an-toerana ireo komity ireo.
Ho fanamafisana ny fahafantarana ny andraikitra sy ny anjara toeran’izy ireo dia notanterahina ny atrikasa fampahafantarana sy fiaraha-mientana ho an’ny fanjariantsakafo. Tao amin’ny Distrikan’i Sainte-Marie no nanombohana izany ny 12 Jiona 2026, nahitana mpandray anjara miisa 40 (Toby ara-panjariantsakafo miisa 10). Mitohy ao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana kosa ny hetsika ny 17, 18 ary 19 Jiona 2026 ao amin’ny trano malalaky ny SAYA sy MYLENE Amparatanàna, miaraka amin’ny mpandray anjara miisa 292 (Toby ara-panjariantsakafo miisa 73).
Ny ao Fenoarivo Atsinanana, ny hetsika dia tanterahina eo ambany fitarihan’ny Faritra Analanjirofo sy ny Fileovana Fenoarivo Atsinanana, miaraka amin’ny fiaraha-miasan’ireo sehatra mpiara-miombon’antoka, ahitana ny Fahasalamam-bahoaka, Jono sy Toekarena Manga, Fanabeazam-pirenena, Fambolena sy Fahaleovan-tena Ara-tsakafo ary ny Mponina sy ny Firaisankina.
Ity hetsika ity dia manamafy ny fitohizan’ireo ezaka natao teo anatin'nyTetikasa HAFA Velontegna, izany hifarana amin'ity volana jona ity ny andiany faharoa, ary mikendry ny hampiroborobo ny fandraisana andraikitra iombonana ho fanatsarana ny fanjariantsakafo sy ny fahasalaman’ny mponina eny anivon’ny fokontany.
💢
💢
💢
💢
----------------------------------------------
NUTRITION : MISE EN PLACE DES KIF ou COMITÉ LOCAL DE LA NUTRITION
Dans le cadre de la mise en œuvre de la politique générale de l'État axé sur la valorisation du capital humain, la Région Analanjirofo, à travers l’Office Régional de Nutrition (O.R.N.), poursuit ses actions en faveur de l’amélioration de la situation nutritionnelle au niveau communautaire.
Parmi les stratégies mises en place figure la création des KIF ( Comité local de la Nutrition) dans chaque Fokontany. Ces comités regroupent notamment les Chefs de Fokontany, les Présidentes des associations « 8 Mars », les Agents Communautaires de Nutrition (ACN), les représentants locaux des structures multisectorielles ainsi que les notables de la communauté.
Afin de renforcer la compréhension de leurs rôles et responsabilités, des ateliers de sensibilisation et de mobilisation pour la nutrition ont été organisés. La première session s’est tenue dans le District de Sainte-Marie le 12 juin 2026 avec la participation de 40 personnes (10 sites de nutrition communautaire). Les activités se poursuivent dans le District de Fenerive-Est du 17 au 19 juin 2026 dans les salles SAYA et MYLENE Amparatanàna, CU Fenerive-Est, avec 292 participants (73 sites de nutrition communautaire).
À Fenerive-Est, l’atelier est conduit sous la collaboration de la Région Analanjirofo et du Préfecture de Fenerive-Est, avec l’appui des services techniques partenaires intervenant dans les secteurs de la santé publique, de la pêche et de l’économie bleue, de l’éducation nationale, de l’agriculture et de l’autosuffisance alimentaire, ainsi que de la population et des solidarités.
Cette initiative s’inscrit dans la continuité des acquis du Projet HAFA Velontegna, phase II, dont la clôture est prévue en juin 2026, et vise à renforcer l’engagement communautaire en faveur de l’amélioration durable de la nutrition et du bien-être des populations.
💢
💢
💢
💢