Governoran'ny Faritra Betsiboka

Governoran'ny Faritra Betsiboka Ato amin'ity page ity no hifaneraserantsika mivantana!

GOVERNORAN'NY FARITRA BETSIBOKANohon'ny orana mikija eto maevatanana dia ataorana in-dray ny mety fiakaran'ny rano eny a...
22/02/2022

GOVERNORAN'NY FARITRA BETSIBOKA
Nohon'ny orana mikija eto maevatanana dia ataorana in-dray ny mety fiakaran'ny rano eny amin'ireo toerana iva

🟡Manentana ireo mponina monina amin'ny faritra iva ny Governoran'ny Faritra Betsiboka mba hanatona toerana avo sy azo antoka.
🟢Raha misy tranga mampiahiahy na koa vaovao tina hampitaina maika dia Azo atao NY miantso ny laharanan'ny
COM BETSIBOKA 034 69 185 78

Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra
22/02/2022

Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra

Antoko TGV Maevatanana Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra,Betsiboka tsy maintsy mandroso
19/02/2022

Antoko TGV Maevatanana

Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra,Betsiboka tsy maintsy mandroso

15/02/2022
15/02/2022
Sary tsika AndroanyFa ny fitiavana no lehibe indrindra
12/02/2022

Sary tsika Androany
Fa ny fitiavana no lehibe indrindra

FANOLORANA VARY HOAN'NY VEVAVY MANANOTENA SY BEANTITRA ETO MAEVATANANANotoloran'NY Faritra  vary 7 kg isan'olona ireo ve...
12/02/2022

FANOLORANA VARY HOAN'NY VEVAVY MANANOTENA SY BEANTITRA ETO MAEVATANANA

Notoloran'NY Faritra vary 7 kg isan'olona ireo vehivavy mananotena sy Beantitra mihisa 710 eto amin'ny distrikan'i Maevatanana.

Nambaran'Andriamatoa governora tamin'izany fotoana izany fa tena ilaina ny fifanampiana amin'izao fotoana fahavaratra izao, ary hitohy isaky ny kaominina rehetra manerana NY Faritra izao hetsika izao.

Hosokafana eto amin'ny Faritra ihany koa ny tobim-pasalamana iray hisahana ireo vehivavy sy ny zanany latsaky ny 1taona, ka ny Faritra Betsiboka no handray an-tanana ireo fanafody rehetra izay hilaina hampiodinana io tobimpahasalamana io. Eo ihany koa NY fanaganana "Centre de formation professionelle'' hoan'NY vehivavy izany dia atao isam-pokontany.

SEKRETERAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANĂ€NA SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA SY FARITRA BETSIBOKA ...
11/02/2022

SEKRETERAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANĂ€NA SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA SY FARITRA BETSIBOKA

Fambolen-kazo 2022 teto amin'ny PK180 site nouvelle ville RAMALA Mahatsinjo RN4
Izay mamboly hazo manavotra firenena, izay mandoro ala mandoro tanindrazana
Fambolen-kazo fanarenana loharano,antoky ny fiveloman'ny mponina.isika taranaka mpanarina

Mitovy ny fomba fijery sy ny tanjona hoy Andriamatoa governoran'i faritra betsiboka mba ho rakotra ala Madagasikara indrindra ny faritra betsiboka

Namoaka fanambarana Andriamatoa governoran'i faritra betsiboka fa milamina ny fandriampahalemana izao vokatry NY ezaka n...
10/02/2022

Namoaka fanambarana Andriamatoa governoran'i faritra betsiboka fa milamina ny fandriampahalemana izao vokatry NY ezaka natao tao anatin'ny 3 volana.
Mbola misy anefa NY zavatra mbola mila hamafisina MBA hamongorana hatramin'ny fakany NY tsy fandriampahalemana ato anatin'ny Faritra Betsiboka, ka isan'izany NY fikarohana an'i PARFAIT, dahalo malaza amin'ny fankana an-keriny izay mbola karohina ary tsy maintsy atao izay hatratrarana azy.
Noho izany dia nanetsika mpiray Dina 300 lahy miaraka amin'ireo mpitandro filaminana mba hanao fisavana ireo toerana izay ahina ho misy io dahalo malaza io.

Nanambara ihany koa ny kolonely ANDRIANINDRINA Ravaloson Jérémia izay mpanolotsaina manokan' Andriamatoa Governora fa tsy maintsy hatao ny fomba rehetra hasamborana ireo dahalo ireo ato anatin'ny 3 volana manaraka. Raha ny angom-baovao dia fantatra fa nifindra toerana any amin'ny Faritra afa izy ireo.

Ho fitsinjovana ireo Zokiolona dia nizara vary 1 taonina ho an'ireo Beantitra sy ireo  vehivavy mananotena teto amin'ny ...
09/02/2022

Ho fitsinjovana ireo Zokiolona dia nizara vary 1 taonina ho an'ireo Beantitra sy ireo vehivavy mananotena teto amin'ny kaominina Ambakireny distrikan'i Tsaratanana tapany
an-tsimo Andriamatoa Governoran'ny Faritra Betsiboka androany 9 Febroary 2022.

Natao izao mba hitsinjovana ireo havatsika sahirana amin'izao fiatrehana ny fahavaratra izao ary samy hahazo ny anjarany avy NY kaominina rehetra, fa fanokafana ihany ny eto amin'ny kaominina ambakireny.

Fihaonan'Andriamatoa Governora sy ireo Ben'ny tanĂ na rehetra eto amin'ny  tapany atsimon'ny distrikan'i Tsaratanana. Not...
08/02/2022

Fihaonan'Andriamatoa Governora sy ireo Ben'ny tanĂ na rehetra eto amin'ny tapany atsimon'ny distrikan'i Tsaratanana.

Notontosaina nanomboka androany Talata 8 febroary 2022 teto Ambakireny NY fihaona teo amin'Andriamatoa Governoran'ny Faritra Betsiboka sy ireo Ben'ny tanàna 07 ato anatin'ny tapany antsimon'ny distrikan'i Tsaratanana ary ireo delegasiona avy ao anivon'ny Faritra Betsiboka. Izany dia natrehan'ny Mpanolotsainan'i Ramatoa Vice Presidente de l'Assemblée Nationale misahana NY faritanin'i Mahajanga.

Manga ny lanitra ka niafara tamin'ny fifanoroana ny dinika, ary toro-hevitra toy ny fanaon'ny Ray aman-dReny amin'ny zanaka no nataon'Andriamatoa Governora tamin'ireto Ben'ny tanĂ na teo amin'ny lafin'NY fitantanana NY kaominina.

Isan'ny nambaran' Andriamatoa Governora fa ianareo Ben'ny tanĂ na no fitaratra eny anivon'ireo kaominina tantananareo, noho izany ataovy mendrika ny fitafy sy NY fandraisana Olona ary aza atao ambanin-javatra NY fanajana ireo vahoaka izay mampiasa an-tsika.
Mila mahay miara-miasa iany koa ireo Mpanolotsaina sy NY Ben'ny tanĂ na, noho izany hoy izy dia hatsaharo manomboka eto ny adiady misy eo aminareo samy mpitantana fa NY fampandrosoana no tanjona iraisana eto.
Atolory ny faritra hoy Andriamatoa Governora ny programa fampandrosoana NY kaominina tantaninareo MBA hafahantsika mandrindra izany ka hiteraka fampandrosoana haingana NY Faritra.

Teo amin'ny lafiny politika indray, dia nanambara Andriamatoa Governora fa: andao hiaraka hanatanteraka ireo velirano izay nampanatenain'Andriamatoa Filoham-pirenena isika rehetra mba hatratrarana ireo tanjona amin'ity taona 2022 ity.

FILOHA ANDRY RAJOELINA Ry malagasy namako, mpiray Tanindrazana, Hiarahantsika mahita ny fahavoazana sy ny takaitra goava...
06/02/2022

FILOHA ANDRY RAJOELINA
Ry malagasy namako, mpiray Tanindrazana,

Hiarahantsika mahita ny fahavoazana sy ny takaitra goavana nateraky ny rivodoza Batsirai tany amin’ireo faritra nolalovany nanomboka omaly.

Miombom-po tanteraka aminareo traboina analiny maro vokatr’izany manerana ny Nosy ny tenako. Izay marary anareo dia marary ahy ihany koa.

Miantso ny Malagasy rehetra aho haneho firaisam-po sy firaisan-tsaina amin’ireo mpiray Tanindrazana amintsika any amin’ireo Faritra tena voa mafy. Hifarimbona isika hanampiana ireo havantsika traboina ary hiaraka hanarina indray.
Tsy hanary anareo ny Fitondram-panjakana fa hiahy sy ho eo anilanareo hatrany

Address

Maevatanana
Betsiboka

Telephone

+261322970294

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Governoran'ny Faritra Betsiboka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share