01/04/2026
𝗡𝗔𝗩𝗘𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗠𝗣𝗢𝗡𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗢𝗕𝗢𝗗𝗢𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔𝗦𝗔 𝗧𝗘𝗟𝗠𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗥𝗜𝗡𝗬 𝗡𝗢 𝗧𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗔𝗟À𝗡𝗔 : 𝗠𝗜𝗧𝗢𝗛𝗬 𝗡𝗬 𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔
Latsa-dranomaso ireo tompon-tany tao Antanandrano raha notolorana ny “Certificat d'immatriculation de situation juridique” mitondra ny titra n° 16624bav amin’ny Tany Mirefy 29Ha 84are 03ca izay nisy olana efa ho 26 taona lasa izay.
Raha ny tantara dia toerana saika hanorenana foto-drafitrasam-panjakana (telecom) ity tany ity, efa nisy ny fanesorana (expropriation) tamin'ny taona 1964, nanaiky ireo tompony satria noeritretreretina fa ara-dalàna ny fanesorana azy, saingy tsy tanteraka izany ka nobodoin’ny orinasa tsy miankina Telma ny tany taty aoriana. Tsy ara-dalàna izany‚ ary betsaka amin’ireo mpandova no namoy ny ainy fa tsy mba nisitraka ny Taniny na anjara Taniny.
Ankehitriny tapa-kevitra ny Fitondram-panjakana izay tarihin'ny filoha kolonely Michael Randrianirina miaraka amin'ireo mpanolo-tsainany, nandinika ireo antontan-taratasy (dossiers). Nisy ny komity iraisan’n’ny Minisitera izay voakasiky ny raharaha nanao ny fandinihana‚ ao anatin'izany ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ary ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ka namoaka fanampahan-kevitra izao.
Andron’ny Fanovana izao, tsy hisy intsony izany tsindry izany, na ara-panjakana na resaka ara-pananana fa ny ara-dalàna ihany no ara-dalàna ka manomboka masin'andro androany dia miverina amin’izy ireo ny taniny ary aza manana ahiahy amin'ny Fitondram-panjakana Fanavaozana ianareo fa hotsirihinay an-tsakany sy an-davany izay antontan-taratasy (dossiers) rehetra tonga aminay, ary tsy misy ambonin'ny lalàna.
Miara miasa amin'ny vahiny isika, raisintsika an-tanandroa izay vahiny te hiara-hiasa amintsika fa isika no tompony ny tany.
Politikan'ny Minisitera ny iadiana amin'ny fangalaran-tany sy ny fampanarahana ny ara-dalàna. Matoa misy ny adi-tany dia misy ny tsy tompony izay mangalatra ny an'ny sasany na misy olona na vondron'olona miasa amin'ny fanamboarana an-tontan-taratasy hangalarana ny tany. Ny adidin'ny Minisitera dia miandraikitra ny raharahan-tany. Ny fanatanterahana ny voalaza ao anaty lalàm-panorenana, ny amin'ny hoe tokony hisitraka tany daholo ny Malagasy tsirairay.
Maro ny olana ara-tany amin'izao :
- olana ara-tany tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany izany hoe ireo '' terrains coloniaux''. Efa vitan'ny teknisianina eto anivon'ny Minisitera ny volavolan-dalana mikasika ny famerenana ny tany izay nobodoin'ireo mpanjanaka ho ampelatanan'ny Malagasy. Miandry ny fivoriana voalohany ny Antenimieram-pirenena izay iarahana amin'ny filohan'ny Antenimiera Andriamatoa Siteny sy filohan'ny vaomieran’ny fananantany ao amin'ny Parlemanta, dia mivoaka izay lalàna izay ary ho zaraina amin'ireo mipetraka eo ambonin'ireo “terrains coloniaux” rehetra.
- eo ihany koa ny olana ara-tany amin'ny famaritana be loatra nataon'ireo fanjakana any amin'ny faritany, tahaka any an'i Mahajanga: tany 188 ha tsy misy afaka manao titra sy borne, izay efa nandalo filan-kevitry ny ministra ary efa vita ny Decret mikasika io tany io, izay ho averin'ny fitondram-panjakana amin'ny vahoaka atsy ho atsy.
Mbola hitohy any amin'ny toerana sasany izay mbola tsy vita ny Opérations Domaniales Concertées (ODOC). Ho an'ny tanàna andrenivohitra (villes) dia vidiana amin'ny sandany 20 Ar ny m2 an'ny tany. Manoloana ireo fitarainana voaray tamin'ny vahoaka amin'ireo mpiasan'ny fananantany sy fandrefesantany taloha, kosa dia hamoaka sarany tsy miova (barème fixe) ny Minisitera amin'ny vola haloa amin'ny fanaovana fidinana amin'ny fandrefesantany. Handraisana fepetra izay olona mangataka mihoatra an'izay vola tokony haloa izay.
Ny tombontsoa an'ny vahoaka hatrany no ezaka lehibe ataon'ny Minisitera ary ho ezahina vahana avokoa ireo olana ara-tany rehetra satria miasa ankalalahana izao ireo teknisianina eto anivon'ny ministeran'ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany, izay manampahaizana amin'ny fananantany ka mahazo matoky atsika rehetra.
- 🇲🇬