Platforme Nasionaly Gen XYZ Malagasy Faritany Toamasina

Platforme Nasionaly Gen XYZ Malagasy Faritany Toamasina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Platforme Nasionaly Gen XYZ Malagasy Faritany Toamasina, Political organisation, Vahatra Center, Place kabary, Antsiranana.

Voatendry ho Praiminisitra Andriamatoa Mamitiana RAJAONARISON.Miarahaba ary mirary azy hahavita ny fametrahana ilay Fano...
15/03/2026

Voatendry ho Praiminisitra Andriamatoa Mamitiana RAJAONARISON.

Miarahaba ary mirary azy hahavita ny fametrahana ilay Fanorenana Ifotony niarahana nitolona teny ankianja.


“Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy androany, faha-04 Martsa 2026, ny Birao PLATE-FORME NASIONALY GEN XYZ MALAGASY, Di...
04/03/2026

“Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy androany, faha-04 Martsa 2026, ny Birao PLATE-FORME NASIONALY GEN XYZ MALAGASY, Distrika Mahanoro, Faritra Atsinanana.”

📅 Asabotsy 28 Febroary 2026Ankoatran'ny fametrahana ireo points de recharge finday maimaim-poana miisa folo (10) teto am...
28/02/2026

📅 Asabotsy 28 Febroary 2026
Ankoatran'ny fametrahana ireo points de recharge finday maimaim-poana miisa folo (10) teto amin'ny revivohitry ny faritra Atsinanana.
Ny Plate-forme Nasionaly GEN XYZ Malagasy, rantsana Toamasina, tarihin’i Atoa Sylvestre Rajaonary dit COCO VELOGNO, dia nanatanteraka hetsika tolotanana sy fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo ' Lonaky tamin’ireto toerana manaraka ireto:
🔹 Telo Troky Antefasy – Farafangana
🔹 Telo Troky Antesaka – Vangaindrano
🔹 Akon’i BETELA – Toamasina
🔹 Zoky be JEAN DE BOOSS
Ity hetsika ity dia maneho ny finiavan’ny fikambanana hanamafy ny firaisankina sy ny fifanohanana eo anivon’ny fiarahamonina, indrindra ho fanampiana ireo marefo.
🤝 Mitohy hatrany ny asa soa sy ny fanoloran-tena ho an’ny vahoaka.
HO ELA VELOGNO !

🔋 CHARGE TÉLÉPHONE GRATUIT 🔋Ny Alliance VATO dia manolotra ho an’ny mponina eto Toamasina Renivohitra toerana ahafahana ...
26/02/2026

🔋 CHARGE TÉLÉPHONE GRATUIT 🔋
Ny Alliance VATO dia manolotra ho an’ny mponina eto Toamasina Renivohitra toerana ahafahana micharge téléphone maimaim-poana, “BOJO” miisa 10.
Amin’ireo dia misy roa (2) napetraka:
📍 FY Matsiro Ankirihiry
📍 En face Magasin Jacky Ambohijafy
Ireo toerana roa ireo dia nankinin’ny Alliance VATO tanteraka amin’Andriamatoa COCO VELOGNO, Vice-Président an’ny Plateforme GEN XYZ MALAGASY rantsana Toamasina.
Tongava maro ary araraoty izao tolotra maimaim-poana izao.

23/02/2026

FISAORANA SY SOSOKEVI-BAVENTY HO AN'I TOAMASINA
Mankahery hatrany ny vahoakan’i Toamasina sy ny mponina manodidina izahay, izay niharan’ny rivodoza Gezani.
Misaotra indrindra ny Fitondram-panjakana foibe sy ireo delegasionina nalefany, ary koa ireo sampandraharaha sy olon-tsotra maro tsy voatanisa, izay efa miezaka tsy an-kijanona manampy anay eto Toamasina amin’ny fanarenana ny fahavoazana sy ny takaitra navelan’iny rivodoza iny.
✔️ Voaray ary efa manampy amin’ny ampahany ny fanampiana omenareo, toy ny vary sy ny PPN samihafa. Ankasitrahanay tokoa izany rehetra izany.
🔎 SOSOKEVI-BAVENTY Mangataka izahay mba hananganana Banky-panjakana fampindramam-bola ho an’ireo olona rava fananana, hanarenana trano fonenana sy fihariana. Ireto ny soso-kevitra atolotray:
Zanabola: 4% hatramin’ny 6% isan-taona
Fe-potoana famerenam-bola: 10 hatramin’ny 15 taona
Fanombohana famerenana: 4 volana aorian’ny nahazoana ny vola
Fepetra: Hohamora tanteraka ny fisitrahana ny fampindramam-bola
Ny zanaky ny faritra no mahalala tsara ny olona sy ny antsipirian’ny fahavoazana, ka tsara raha omena sehatra amin’ny fitantanana io rafitra ara-bola io, miaraka amin’olona mahafeno fepetra sy azo itokisana.
_ Vonona hatrany amin’ny fiaraha-miasa izahay, ary manantena ny handraisan’ny Fitondram-panjakana izao soso-kevitra izao ho dinihina sy hampiharina.

Izahay, Plateforme Nasionaly GEN XYZ Malagasy – Toamasina, dia mahita Sady mahatsapa fa  miasa amin’ny fahadiovana sy ma...
19/02/2026

Izahay, Plateforme Nasionaly GEN XYZ Malagasy – Toamasina, dia mahita Sady mahatsapa fa miasa amin’ny fahadiovana sy mangarahara tanteraka n'y fomba fiasan'ireo solontena avy amin’ny PRRM izay manatanteraka iraka eto Toamasina amin’izao fanampiana ireo vahoaka traboina izao.

Mankasitraka sy manohana tanteraka ny ezaka sy ny fahavononan’izy ireo izahay, ary manentana ny rehetra mba hiara-hiasa sy hitandro ny firaisankina ho fanampiana ny mpiara-belona sahirana.

Address

Vahatra Center, Place Kabary
Antsiranana
201

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Platforme Nasionaly Gen XYZ Malagasy Faritany Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share