02/09/2026
⚖️ 𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐈𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐄𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀: 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐁𝐄 𝐊𝐎𝐀 𝐍𝐘 𝐆𝐑𝐄𝐅𝐅𝐈𝐄𝐑.
Faly ny Tribunal Administratif d’Antsiranana mandray ireo mpianatra ho Mpiraki-draharaha miisa 𝟐𝟐, izay manao 𝐬𝐭𝐚𝐠𝐞 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝟐 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 eto amin’ny Fitsarana. Izy ireo moa dia ampahany ihany amin’ireo É𝐥è𝐯𝐞𝐬 𝐆𝐫𝐞𝐟𝐟𝐢𝐞𝐫𝐬 - 𝟏𝟗𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐦𝐨𝐭𝐢𝐨𝐧, izay miisa 𝟑𝟖𝟐.
📚 Vao 𝐭𝐞𝐥𝐨 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 monja no nanombohan’ny stage, nefa efa maro ny zavatra norantovin’izy ireo: fahafantarana ny Tribunal Administratif, ny firafiny, ny andraikiny ary ny fomba fiasan’ny juridiction administrative.
Ity stage ity dia fotoana iray ahafahan’izy ireo mampifandray ny 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨𝐫𝐢𝐤𝐚 amin’ny 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚.
💡 𝐅𝐚𝐧𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚𝐨 𝐯𝐞?
Mandalo fasahiranana ny Fitsarana manerana ny Nosy ankehitriny noho ny tsy fahampian'ny Mpiraki-draharaha. Ny zava-misy anefa dia izao: tsy afaka miodina araka ny tokony ho izy ny Fitsarana raha tsy misy azy ireo.
Izany indrindra no mahatonga anay eto amin'ny T.A Antsiranana 𝐦𝐚𝐧𝐤𝐚𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐨𝐚 manokana ireto zandry ireto. Enga anie hahavita soa aman-tsara ny fianarany izy ireo mba hanatevin-daharana haingana ireo greffiers efa amperin’asa. 🇲🇬
👇 𝑨𝒏𝒅𝒂𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒌𝒂𝒉𝒆𝒓𝒚 𝒂𝒛𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐! 𝑴𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒕𝒆𝒏𝒚 𝒌𝒆𝒍𝒚 𝒇𝒊𝒓𝒂𝒓𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒐𝒂 𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒓𝒐𝒉𝒆𝒗𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏'𝒊𝒓𝒆𝒕𝒐 𝒕𝒂𝒏𝒐𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒕𝒐 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒄𝒐𝒎𝒎𝒆𝒏𝒕𝒂𝒊𝒓𝒆 📝⬇️