DREAH Vakinankaratra

DREAH Vakinankaratra Source de bien être, pilier du developpement

23/02/2022
FIFAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY RANO, FANADIOAVANA SY FIDIOVANA VAKINANKARATRA💧 Araka ny filankev...
23/12/2021

FIFAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY RANO, FANADIOAVANA SY FIDIOVANA VAKINANKARATRA

💧 Araka ny filankevitry ny ministra ny 15 Desembra 2021 izay manendry ny Talem-Paritry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana Vakinankaratra dia notontosaina ny 22 Desambra 2021 ny fifamindram-pahefana teo amin-dRamatoa RAHARIVOLA Lanto Mirisoa Tale-paritra teo aloha sy Andriamatoa RANDRIANARIVONY Lovasoa. Nizotra tamim-parahalahiana tokoa ny fanatanterahana izany tao amin’ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana.

💧 Nomarihan’i Tale teo aloha tamin’ny fandraisam-pitenenana natao ny fankasitrahana ny Filoham-pirenena hajaina Andry Rajoelina tamin’ny fametrahana fitokisana taminy nandritra izay 17 volana nitondrany. Fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro lehibe efatra amin’ny kaominina efatra eto Vakinankaratra no vita izay misy mpahazo tombotsoa miisa 27 914. Teo ihany koa ny fifanaram-piaraha-miasa hamahana ny olan’ny famatsiana rano sy ny fako eto Antsirabe. Nirary soa ny tale vaovao izy amin’ny adidy mavesatra izay miandry azy ary tamin’ny fifaliana no nanolorany azy ny fahefana indray. Notolorany fisaorana ihany koa ny mpiara-miombon’antoka sy ny manampahefana rehetra tao antoerana tamin’ny tolo-tanana nahatanterahany ireo asa ireo.

💧 Nambaran’ny Tale vaovao ny fahavononany hanatanteraka ny vina napetraky ny Filoham-pirenena ny amin’ny velirano faharoa « Rano fisotro madio ho an’ny rehetra ». Nanentana ihany koa izy ny amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra.

Nanolotra daba-pako 1, Virokil 5l ary DLM 3 ny ATT eto Antsirabe ny DREAH Vakinankaratra ho fiantrehana ny firongatry ny...
02/12/2021

Nanolotra daba-pako 1, Virokil 5l ary DLM 3 ny ATT eto Antsirabe ny DREAH Vakinankaratra ho fiantrehana ny firongatry ny valan'aretina Corona Virus. Izany dia ho ampiasaina eny amin'ny Toby fiantsonan'ny fiara.

miatrika ny COVID-19

19 Novambra Andro maneran-tany ho an'ny Kabone.💧TAM TAM fanentanana amin'ny fampiasana kabone ara-pahasalamana sy fanafo...
27/11/2021

19 Novambra Andro maneran-tany ho an'ny Kabone.

💧TAM TAM fanentanana amin'ny fampiasana kabone ara-pahasalamana sy fanafoanana ny fangerena ankalamanjana no nanamarihan'ny DREAH VAKINANKARATRA Izany andro maneran-tany ho an'ny Kabone izany ny 26 Novambra 2021, namakivaky ny tananan'Antsirabe sy ny manodidina.

ny fampiasana kabone,
hiara-hientana hampiasa Kabone.
.

Velirano faharoa : « Rano fisotro madio ho an’ny rehetra ». 💧 Fananganana fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio f...
18/11/2021

Velirano faharoa : « Rano fisotro madio ho an’ny rehetra ».

💧 Fananganana fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana sy ny ONG GRET izay vatsian’ny CHARITY WATER.

💧 Fokontany dimy ao amin’ny Kaominina Ambano, distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra no efa misitraka rano fisotro madio ary manodidina ny 18 000 ny isan’ny mpahazo tombotsoa.

💧 Ho fanatanterahana ny vinan’ny filoham-mpirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA dia miampy iray ny fanaganana fotodrafitrasa ao amin’ity kaominina ity izay ao amin’ny fokontany Ankerambe . Vinavinanina ho 3000 ny isan’ny mpahazo tombotosa amin’izany. Nidina ifotony nijery ny fanombohan’ny asa fanamboarana ny Captage, OMC, ary ny Reservoir ny fitaleovam-paritry ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Vakinankaratra ny 16 Novambra 2021.

Fiatrehana ny ady atao amin’ny valanaretina COVID_19 dia Posy sy « cyclo-pousse » manodidina ny 1200 isa teto Antsirabe ...
22/04/2021

Fiatrehana ny ady atao amin’ny valanaretina COVID_19 dia Posy sy « cyclo-pousse » manodidina ny 1200 isa teto Antsirabe no nanaovan’ny DREAH Vakinankaratra famendrahana anio 22 Aprily 2021niaraka tamin’ny kaominina Antsirabe I ny DRTTM Vakinankaratra. Toerana efatra no nanatanterahana izany, Ambohimena, Tsena Sabotsy, Tsangambato Gare ary Vatofotsy.
Akoatry ny famendrahana ireo posy sy « cyclo-pousse » dia nisy ny fanolorana Virokil miisa 5 bidons ho an’ny ATT eto Antsirabe hamendrahana ny fiara fiantateram-bahoaka, izay natolotra ny DRTTM.
Vakinankaratra_mandresy_ny_aretina.
DREAH_VAKINANKARATRA

02/04/2021

TAMTAM fanairana ny mponina Antsirabe amin'ny fanafoanana ny fangerena ankalamanjana.
Madio 2021.

Ouverture officiel de la Célébration Journée Mondiale de l'Eau à Vakinankaratra.
05/04/2018

Ouverture officiel de la Célébration Journée Mondiale de l'Eau à Vakinankaratra.

Address

Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREAH Vakinankaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share