SAHY Miteny

SAHY Miteny vaovao rehetra, trangam_piaraha_monina , politika, ....

🚹Ho samborina  tsirairay ny fianakavian' i Kolonely Patrick ‌Taoriana ny zafikeliny sy ny rahalahiny izay efa misotro r...
03/09/2026

🚹Ho samborina tsirairay ny fianakavian' i Kolonely Patrick ‌

Taoriana ny zafikeliny sy ny rahalahiny izay efa misotro ronono dia izao indray ny zanak'anabavin'i Kolonely Patrick dia i Dr Lalie no karohina, efa toy ilay mahazatra, fanohintohinana ny fiarovam-pirenena " atteinte Ă  la sĂ»retĂ© de l'État"

Lasa fitaovana ampiasaina hanaovana valifaty politika ilay rafi-pitsarana eto Madagasikara 😭

‌‌NAMALY NY FANASANA NATAO TENY IAVOLOHA NY VONDRON’ANTOKO POLITIKA IRMAR OMALY ALAROBIA 02 SEPTAMBRA 2026. MANAPOROFO...
03/09/2026

‌‌NAMALY NY FANASANA NATAO TENY IAVOLOHA NY VONDRON’ANTOKO POLITIKA IRMAR OMALY ALAROBIA 02 SEPTAMBRA 2026.

MANAPOROFO FA VONONA AMIN’NY DINIKA POLITIKA TENA IZY ITADIAVANA VAHAOLANA MAHARITRA AMIN’NY KRIZY POLITIKA NATERAKY NY FANONGANAM-PANJAKANA TAMIN’NY OKTOBRA 2025.

Teo anatrehan’ireo solotenan’ny sehatra iraisampirenena (SADC, UA, ONU), ny Kolonely Randrianirina ary ny Filohan’ny CENI dia nanambara mazava ny solotenan’ny Vondrona IRMAR fa tsy maintsy misy ny fepetra mila tanterahina (prĂ©alables) mba hisian’ny fitoniana mailohan’ny tena dinika politika.

KOA TAKIAN’NY IRMAR NY HANAJANA NY TOROMARIKA EFA NATAON’NY SADC tamin’ny 29 jona 2026 sy nohamafisin’ny VONDRONA AFRIKANA SY FIRENENA MIKAMBANA tamin’ny iraka manokana nataon’izy ireo ny 21 Jolay 2026:

🛑FAMOAHANA TSISY HATAKANDRO IREO GADRA POLITIKA
🛑FAMPODIANA AO ANATIN’NY FILAMINANA TANTERAKA AN’IREO MPANAO POLITIKA VOATERY NIALOKALOKA ANY IVELANY
🛑FANATSAHARANA TSISY HATAKANDRO NY FANENJEHANA SY NY VALIFATY ARY NY ANTSOJAY ARA-POLITIKA AMIN’NY ENDRINY REHETRA, IZAY ATAO AMIN’NY OLON’NY FITONDRANA TEO ALOHA.

VONONA AMIN’NY FIARAHA-MIDINIKA NY VONDRONA IRMAR REHEFA VOAHAJA IREO TEBOKA 3 LEHIBE IREO AHAZOANA FITONIANA MIALOHA.

🚹Tsy foana tsy akory ny delestazy na Dia efa niditra an-dapa aza ry kolonely sy ny ekipanyđŸ„±đŸ“TAMBAZOTRA IRAISAN’ANTANANAR...
02/09/2026

🚹Tsy foana tsy akory ny delestazy na Dia efa niditra an-dapa aza ry kolonely sy ny ekipanyđŸ„±

📍TAMBAZOTRA IRAISAN’ANTANANARIVO

Tsy ampy hiatrehana ny ora maha be ny filĂ na herinaratra izao hariva izao (pointe du soir) ny vokatra herinaratra eto amin'ny Tambazotra iraisan'Antananarivo, nohon'ny mbola tsy fahafahan'ny TAC 1 JIRAMA ao Ambohimanambola mihodina.

Eo ihany koa ny fihiban'ny haavon'ny rano ao amin'ny tohodranon'Andekaleka sy Mandraka izay mahatonga fihenan'ny vokatra azo avy amin'ny riandrano.

Tombanana ho 15 MW ny fahabangana ka hampiharana fahatapahan-jiro mifandimby anio hariva.

Ny Orinasa JIRAMA dia maneho ny fialan-tsiny nohon’ny fanelingelenana aterak’izany ary mankasitraka ny mpanjifany amin’ny faharetana.

‌Projet de loi sur la cybercriminalitĂ© Fa angah tsy hoe zo fototra indray ny fahalalahana maneho hevitra ry Gen Z a ?Iz...
02/09/2026

‌Projet de loi sur la cybercriminalitĂ©

Fa angah tsy hoe zo fototra indray ny fahalalahana maneho hevitra ry Gen Z a ?
Izao no vokatry ny tolona nataonareo tamin'ny septambra 2025.
Ho gejaina sy ho hampanginina izay manohitra ny fitondrana FAHAVOAZANA no tanjona amin'ity lalĂ na vaovao ity.

Zaraina amintsika ny fanazavana nomen'i To Ranaivoharijao mahakasika azy 👇👇

📱 MBOLA LOZA KOKOA NOHO ILAY SIPANAO TOXIQUE INDRINDRA ILAY PROJET DE LOI n°042/2026 - lutte contre la cybercriminalitĂ© ?

Lazain'ny enjana fa modernisation moa izany ity projet de loi ity, saingy rehefa jerena amin'ny antsipirihany dia hita fa fitaovana famoretana tanteraka, loza noho ny ataon'ny ankizinao... 👀

Ary lalambe migodana mizotra mankany amin' ilay antsoin'i Orwell hoe "Big brother is watching you " ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe - 1984.

Ireto avy ireo teboka lehibe mety hanahirana ary tokony ho fantatry ny besinimaro, fa tsy hoe hijery Novegasy foana ny fiainana :

- Article 75 : Mahazo accÚs technique direct et permanent 24h/24 sy 7j/7 amin'ny serveur-n'ny opérateurs (Yas, Airtel, Orange) sy fournisseurs d'accÚs internet ny Polisin'ny nomerika ( antsoina hoe UPIN).

Afaka mijery ny données d'identification, trafic, ary contenu-nao izy ireo na tsy misy alalana avy amin'ny mpitsara (autorisation judiciaire) mialoha aza ?

- Article 53 & 73 : Afaka manome baiko en urgence ny UPIN mba hanalana (retrait) na hanakanana (blocage) kaonty, pejy Facebook, na tranonkala iray amin'ny alalan'ny fanamarihana tsotra hoe « contenu manifestement illicite », eny fa na tsy mbola nisy fitsarana nandray an-tanana ny raharaha aza ?

- Article 2 & 18 : Tsy mazava tsara ny famaritana ny « fausse information numérique ». Ny Fitondrana sy ny polisy ihany no tompon'ny teny farany amin'ny hoe inona no « marina » na « diso ».

Izany hoe ny fanakianana "promesse Ă  la Rajoelina" na famoahanaa tarehimarika mety hanahirana ny enjana dia azo sokajiana avy hatrany ho heloka bevava ary sazy 2 hatramin'ny

‌‌NOLAZAINA FA NIRAY TSIKOMBAKOMBA TAMIN’NY FAMONOANA OLONA NY JENERALY RAVALOMANANA KA IZAY NO TENA NANAMELOHANA AZY ...
02/09/2026

‌‌NOLAZAINA FA NIRAY TSIKOMBAKOMBA TAMIN’NY FAMONOANA OLONA NY JENERALY RAVALOMANANA KA IZAY NO TENA NANAMELOHANA AZY 10 TAONA ASA ANTERIVOZONA.

🛑INONA NO POROFO? Nisy baiko an-tsoratra ve nataony hoe vonoy itsy na itsy? TSIA. Nisy olona nomeny baiko ve hoe vonoy? Ny vavolombelona nijoro tao dia samy nilaza daholo fa fanapahan-kevitra miaraka no noraisin’ny miaramila, polisy ary zandary (dĂ©cision collĂ©giale) ary tsy nisy nidiran’ny Jeneraly Ravalomanana.

🛑REHEFA MISY NY OLONA MELOHINA FA NAMONO OLONA DIA MISY ZANY OLONA MATY. IZA ARY ILAY OLONA MATY NOLAZAINA FA NIRAISANY TSIKOMBAKOMBA NOVONOINA? Tsy nisy nefa « identitĂ© » ny olona nolazaina fa maty nandritra ny fitsarana na 1 aza.

🛑Ny mpiambina azy dia nijoro vavolombelona nitantara ny zavanisy teo Ambatonakanga, fifamaliana sy karazana fifanenjehana tamin’ireo olona saika hisakan-dalana azy no nisy fa tsisy herisetra kely akory.

IZANY HOE RAHA FIFAMALIANA SY FANENJIKA NO NAHAZOAN’i JENERALY RAVALOMANANA 10 TAONA AN-TRANOMAIZINA,

🛑I FANIRISOA IZAY NANOME BAIKO NAZAVA HOE DORY NY TRANON’I RAHOLDINA, LALATIANA, RATSIVAHINY, PRADON, VIVA, HOTEL DE VILLE, TELEFERIKA SY IZAY FOTODRAFITRASA REHETRA NAMBOARIN’NY FITONDRANA TEO ALOHA, TOKONY SAZY ANTERIVOZONA MANDRA-PAHAFATINY?
ARY MISY POROFO MAZAVA BE DAHOLO NY AZY HITAMPOKO HITAM-PIRENENA SADY TENA TANTERAKA NY BAIKO NOMENY SATRIA NISY TOKOA NY FANDORANA.

🛑I SITENY SY AFAKANDRO NANDENDEHA ERAN’NY ARABE NIZARA VOLA NANIMBANA FANANAM-BAHOAKA, NITARIKA OLONA NANDORO NY TELEFERIKA TEO ALAROBIA ZANY TOKONY SAZY ANTERIVOZONA MANDRA-PAHAFATINY KOA. NISY POROFO HITAN’NY REHETRA.

AZA ASIANA FIANGARANA NY FITSARANA, RAHA TENA TSY VALIFATY POLITIKA TOKOA NO MISY DIA TOKONY SAMBORINA TSISY HATAK’ANDRO ARY TSARAINA KOA I FANIRISOA SY SITENY ARY NY MPIARADIA AMIN’IZY IREO.

🚹 Kolonely Patrick sy ny fianakaviany Rehefa tsy mbola hifoha amin'izao ianareo tafika dia tsy hifoha intsony.Aiza ianar...
01/09/2026

🚹 Kolonely Patrick sy ny fianakaviany

Rehefa tsy mbola hifoha amin'izao ianareo tafika dia tsy hifoha intsony.
Aiza ianareo tafika amin'izao antsojay sy fanapotehana mahazo an'i Kolonely Patrick sy ny fianakaviany izao.

Anjaran'i Kolonely Patrick sy ny fianakaviany androany fa mety anjaranareo indray rahampitso.
Mampalahelo i Kolonely Patrick fa miady irery amin'ny mafia hatrany am-ponja.

Rehefa tsy nanaiky ho baikon'ny karĂ na sy ireo mafia milisin'i Koufali Daya sy Fanirisoa Ernaivo dia potehana sy tadiavina ho vonoina.

Ahoana marina tohin'ny ampamoaka nataon'i Kolonely Patrick momba an'i Koufali Daya, Fanirisoa Ernaivo sy i José sipany?
Ny ampamoaka momba ny JIRAMA sy fanomezana vahana ireo karĂ na ?

Raha tena mahaleo tena tokoa ny fitsarana dia tokony hisy fanadihadiana marina sy tsy mitanila mahakasika ireny ampamoaka ireny.

Mila mijoro ianareo tafika manampy sy miaro an'i Kolonely Patrick amin'izao zava-misy eto amin'ny firenena izao.
Ho avelanareo tandroka aron'ny vozona ho potehan'ireo mafia ve ny firenena ?
Hangina ka tsy hiloa-bava ka hiray tsikombakomba amin'ireo mpamadika tanindrazana sy mpivarotra ny harem-pirenena ve?
Sa hijoro ho an'ny tanindrazana ka hikatsaka ny fahamarinana ?

31/08/2026

🚹Fanirisoa Ernaivo

Raha ny Zavatra hita mahakasika ireo namono an'i Stéphanie sy Haingotiana iny dia tsy maintsy novoina izy 4 ireo mba hanafenana ny tena marina.
Ary namoronana an'izay tantara izay hoe nanohitra ary naika haka ny basy teny amin'ny mpitandro filaminana.
Tsy misy fitandremana mihintsy zany ireto mpitandro filaminana, sa mbola stagiaire daholo?
Fa angah moa tsy menottés ilay olona noentina nanao reconstitution des faits?
Ny maty mantsy tsy afaka hiteny intsony.
Dia miara milevina miaraka amin'izareo ny tena marina.

🚹 URGENT 🚹 Nosamborin'ny fitondrana FAHAVOAZANA ihany koa ny zokin'i Kolonely Patrick, Andriamatoa Rakotoarivonjy Étienn...
31/08/2026

🚹 URGENT 🚹

Nosamborin'ny fitondrana FAHAVOAZANA ihany koa ny zokin'i Kolonely Patrick, Andriamatoa Rakotoarivonjy Étienne izay miaramila retraitĂ©.

Dia nampangaina fa manao déstabilisation sy atteinte à la sûreté de l'Etat.
Olon-dehibe efa nahazo taona toy izao ve no mbola hampangaina ho mikasa hanongam-panjakana ihany?

Mba mandry ve ny sain'i Fanirisoa Ernaivo nanome baiko misambotra olona efa lehibe toy izao?
Fa de inona loatra no tena atahoranareo ao anaty fitondrana FAHAVOAZANA ka hanaovana antsojay sy ramatahora toy izao ny fianakavian'i Kolonely Patrick ?

Ireo tanora miisa 4 nosamborina mbola ao amin'ny BC hatramin'izao fa hoe mikasa hanongam-panjakana ihany koa.

Matahotra ny hiongana koa angah ianareo mpanongam-panjakana ka izay olona manelingelina rehetra sy tsy mitovy hevitra aminareo dia samborina avokoa?

🚹Hafahafa ihany e ‌Ahoana moa ny olona no tsy hametraka fanontaniana hoe inona no tena marina momba ny nahafaty azy 2 v...
30/08/2026

🚹Hafahafa ihany e ‌

Ahoana moa ny olona no tsy hametraka fanontaniana hoe inona no tena marina momba ny nahafaty azy 2 vavy ?

Lasa nivadika fanendahana sy fanolanana fotsiny ilay raharaha.
Ka inona marina izany no nahatonga an'i zareo 4 dahy namono azy?

Inona no antony nanaterana ny razan'izy 2 vavy teny Ambohimanga Rova ?
Nisy fifandraisany amin'ny resaka sorona ve sa ahoana ?

Iza no naniraka azy 4 dahy naka ankeriny sy namono olona ?
Misy olona ambony tafiditra ve amin'ity raharaha ity ka tsy maintsy hafenina mafy ny marina ka novonoina izy 4 dahy?

Na fomba fitantaran'izy 4 dahy ny zava-doza nataony aza mahagaga fa tsy mba misy tahotra mihitsy.
Tena maro ny fanontaniana tsy voavaly nefa de hoe manana fahaiza-manao manokana ny mpitandro filaminana nisahana ny raharaha.

🚹 DĂ©putĂ© Antoine RajerisonFANONTANIANA MILA VALINY MAHAKASIKA NY FANAFARANA GASOIL HO AN’NY JIRAMA 👇Raha ny filĂ n’ny JIR...
29/08/2026

🚹 DĂ©putĂ© Antoine Rajerison

FANONTANIANA MILA VALINY MAHAKASIKA NY FANAFARANA GASOIL HO AN’NY JIRAMA 👇

Raha ny filàn’ny JIRAMA no jerena, dia manodidina ny 15 000 m³/mois ny fuel lourd, ary 5 000 m³/mois ny gasoil.

Midika izany fa 75% ny filàn’ny JIRAMA dia fuel lourd, ary 25% kosa gasoil. Ny machine mandeha antanan-dehibe tahaka Antananarivo ohatra dia fuel lourd daholo.

⁉Koa nahoana no gasoil no nafaran'ny fanjakana hoentina hamahana ny olan’ny JIRAMA ?

❓ Inona marina no antony? Ohatrinona marina ny tena vidin’ilay solika nafarana? Ary nahoana no mbola mitohy ny fanafarana, nefa efa mihoatra ny filàn’ny JIRAMA isan-taona ny gasoil nafarana?

Ary indrindra, iza no tena mahazo tombontsoa amin’izao fanafarana ampiasana ny volam-bahoaka izao?

Tokony hazava amin’ny vahoaka ny habetsahana, ny vidin’ny fanafarana ary ny kajy rehetra ao ambadik’ireo fanafarana ireo.

👉 Volam-bahoaka no ividianana io solika io, ary ny vahoaka ihany koa no handoa ny faktiora. Koa rariny raha mangarahara tanteraka amin’ny vahoaka ny fitantanana izany.

🔔 Raha izao no fomba fitantanana, dia tsy ho afaka amin’ny delestazy isika.

Address

Foulpointe
Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SAHY Miteny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share