07/04/2026
💥 💥 Isika vahoaka Malagasy ve efa mametraka olona hofidina ho mpitondra ?
👉 TSIA ny valiny .
Hatramin’izay, ireo hery ivelany (firenena vahiny) sy mpanambola no mametraka… ka izy ihany avy eo no mibaiko. Izy misafidy rafitra mety aminy .
🔴 Raha tsy isika vahoaka no mametraka, tsy isika no tompony.
🔴 Raha tsy isika vahoaka no hijoro ho tompony, tsy ho antsika ny fanapahan-kevitra.
💥 💥Fotoana izao hanovana rafitra tena izy .
👉 Aoka isika vahoaka Malagasy mba hametraka olona hofidina ho mpitondra amin'izay !
👉 Dia isika ihany koa no MIBAIKO avy eo ho amin’ny tombontsoa iombonana.
📍 Aona moa ity hoe izay mametraka no MIBAIKO ity ?? 👇
👉 Mifidy olona teratany Malagasy hatao filoha fona ireo firenena vahiny hatramin'izay ( samy nanana candidat natolotra avokoa ireo firenena vahiny matanjaka ireo nandritra an'izay 65 taona nifandimby zay , dia izy ireo no manome volabe milliards nanaovana "propagande " ! Misy tambiny goavana anefa iny dia lasa SORONA ny fiainam-bahoaka ! 😭
(Sary indrana )