16/09/2025
_[ 11-12-13 Septambra 2025]_
*" VITRINE DU VAKINANKARATRA "* ANDIANY FAHA 27
*Amin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra sy fampahafantarana ireo orinasa any an-toerana, diaben'ny firaisankina ary fampirantiana amin'ny tranoheva maherin'ny 330 manoloana ny garan'Antsirabe no anohanana ny mpandraharaha sy ny orinasa madinika, hampiroboroboana koa ny indostria sy ny varotra eny ifotony*
📌"Fitomboan'ny orinasa, fepetra tena ilaina amin'ny fampandrosoana miaraka sy maharitra eto amin'ny Faritra". Telo andro no natokan'ny FIOVA (Fikambanan'ny Orinasan'i Vakinankaratra) hiarahana mientana anatin'ny hetsika fanao isan-taona "Vitrine du Vakinankaratra". Asongadina amin'izany ny fampivoarana ny orinasa, ny fampitomboana ny vokatra ary ny fampifanarahana amin'ny lafiny tsena mba ahafahana mitondra fitomboana ara-toekarena maharitra ho an'ny Faritra Vakinankaratra.
✅Mpiahy ny Vitrine du Vakinankaratra andiany faha-27 moa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA izay nosoloin'ny Talen'ny Fiaraha-miasa sy ny Tetikasa (DPP) Hanitsoa Ravo RAMAHERY tena nandritra ny lanonam-panokafana izay natrehan'ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an'ny Faritanin'Antananarivo, ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ireo manampahefana any an-toerana.
🟢Anisan'ireo mandray anjara amin'ny hetsika ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC Vakinankaratra), ny Orinasa ODOF (One District One Factory) Ampalia, Naturia, Orora ary Tetikasa fanohanana ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Sehatra ara-bola (PAISF).