02/06/2026
Fifaninanam-pirenena literatiora 2024 nokarakarainโny Minisiteranโny Serasera sy ny Kolontsaina
Iza avy no mpitsara?
Ahoana ny fahitany ny asasoratra nahazo ny loka voalohany?
Enina (06) mianadahy izy ireo no nanaiky sy nanolo-tena namaky sy nitsara ny asasoratra voaray taminโity fifaninanana ity. Ahitana mpampianatra mpikaroka, poeta, mpanoratra, matihanina aminโny sokajy nidirany an-tsehatra avy izy ireo.
Ndao ary hofantarintsika ny mombamomba azy ireo.
SOKAJY TANTARA FORONINA
AndrianimerinA HOBIANA
Poeta, mpanoratra, mpitantsoroka amin'ny lafiny haisoratra
Mpanorina ny Famoloana Telozoro - Literary Lab
Mpanorina ny HAVรTSA-UPEM sampana Arivonimamo
Fahitany ny sanganasa nahazo ny loka voalohany.
ยซ Ankoatra ny fahaizan'ny mpanoratra nifehy ny tokotanina lohahevitra nilalaovana dia manan-karena ity tantara ity. Ao ny "harena an-kibon'ny teny" notrandrahina avy any Antsihanaka any, fa ao koa ny fampiboridanana mba hahitana ny aretina miafina any anaty akanjon'ny fiarahamonina sy ny fiaraha-monina. ยป
RATRIMOHERITOMPO Vololonantenaina Holiharinaivo (Holy Ratrimo)
Mpanoratra, mpamoron-kira, mpihira,
Mpampianatra mpikaroka, ENS Antananarivo, nandalina manokana momba ny teatira sy ny tantara foronina...
Fahitana ny sanganasa nibata ny loka voalohany
ยซ Literatiora mampisaina: mamaky bantsilana ny miafina any amin'ny fiaraha-miaina rehetra any, fa literatiora anantenana rivo-baovao hitsoka indray ho fandrehetana ny afon'ny fitiavana tantara foronina malagasy. Mandrosoa hasina! ยป
AMBOARAN-TONONKALO Dr RATSIMBAZAFY Minoson Laingo Ny Hasina
Mpampianatra mpikaroka momba ny literatiora, Fekioltenโny Teny aman-tsoratra ary Siantsanโny maha olona, OniversitenโAntananarivo,
Poeta
ยซ Sarotra ny mifehy ny teny ho lasa sora-kanto mahavoaka ny ao anaty hifandraika amin'ny misy hankafizin'ny mpamaky. Fa ity sanganasa ity kosa ahatarafana fa hain'ny mpanoratra ny namoaka ny hazavana ao anaty ho lasa zavakanto voatefy, hipariaka any amin'ny saina sy fanahin'ny mpamaky. ยป
RAKOTOMAHALAFY Norbert Eugรจne Poeta, mpanoratra, mpandrindra nasionalinโny Faribolana Sandratra
ยซ Zava-dehibe ho anโny fanabeazana sy fanentanana aminโny hatsarana ny fifandraisanโny mpiara-belona ny tantara toy izao, ka mendrika indrindra raha haparitaka manerana ny Nosy. ยป
TANTARA ANโONJAMPEO RANDRIAMANALINA Gaston Mpamokatra fandaharana, mpanatontosa tantara ana onjampeo ao aminโny Radio Madagasikara
ยซ Ankoatra ny fahafehezan'ny mpanoratra ny tekinika fanoratana tantara fihaino amina onjampeo dia voafehiny ny fampisongadinana ny lohahevitra roa ho ao anatona sanganasa iray. Miaina, mahasarika ny fiangaliany azy.ยป
RANAIVOSON Lantonirina Patrick Mpanoratra tantara ana onjampeo, mpanoratra tantara an-gazety, mpamokatra boky
ยซ Fomba fijery, fifampitondrana, toe-javatra tena iainan'ny fiarahamonina no nahodin'ny sain'ny mpanoratra ary noangaliany, araka ny aingampanahiny. Ainga vao ho an'ny tantara fihaino maneho amin'ny fomba miavaka ny zava-misy sy manipy lesona indray ity diampenina iray ity.ยป