18/09/2026
๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ป-๐๐๐ผ๐ป๐ถ๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ-๐บ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ธ๐ฎ๐๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ป๐ ๐ฅ๐ฒ๐ท๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐ณ๐ผ๐ถ๐ฏ๐ฒ๐ปโ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ (๐ฅ๐๐๐)
Voasonia anio, zoma 18 septambra 2026, ny fifanaraham-piaraha-miasa mahakasika ny Rejisitra foibenโireo mpisitraka tena izy na ny RCBE miisa efatra (04), izay notanterahanโny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, taminโny alalanโny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra, niaraka taminโireo mpiara-miombonโantoka aminy, dia ny Foibem-pitondrana ny Raharaha ara-pitsarana, ny Fandinihana ary ny Fanavaozana (DGAJER), izay nisolo tena ny Ministeran'ny Fitsarana Malagasy, ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ny Birao Mahaleo tena aminโny Ady aminโny Kolikoly (BIANCO) ary ny Chambre Nationale des Notaires de Madagascar (CNNM).
Raha tsiahivina dia natolotra taminโny fomba ofisialy ny 16 jona lasa teo ny sehatra RCBE. Ary fampiharana ny ๐๐ผ๐ฟ๐ผ๐บ๐ฎ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ, ๐ถ๐๐ฎ๐ ๐ป๐ผ๐บ๐ฒ๐ปโ๐๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ฎ๐บ๐ฎ๐๐ผ๐ฎ ๐ฃ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐บ๐ถ๐ป๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ, ๐๐ฒ๐ต๐ถ๐ฏ๐ฒ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ผ๐๐ฒ๐ฟ๐ป๐ฒ๐บ๐ฎ๐ป๐๐ฎ, ๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฅ๐๐๐๐ข๐ก๐๐ฅ๐๐ฆ๐ข๐ก, taminโio fotoana io, nitaky ny tena hifampizarana sy hitrandrahana ireo angom-baovao ara-ketra, ity fifanaraham-piaraha-miasa ity.
Fanamafisana ny ezaka atao aminโny ๐ฎ๐ฑ๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ผ๐๐๐ถ๐ฎ๐บ-๐ฏ๐ผ๐น๐ฎ, ๐ป๐ ๐ต๐ผ๐๐ผ๐ธ๐ฎ, ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ธ๐ผ๐ฟ๐ถ๐ฎ๐บ-๐ฏ๐ผ๐น๐ฎ ๐๐๐ ๐ฎ๐ฟ๐ฎ-๐ฑ๐ฎ๐นร ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ผ๐๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ, araka ireo fepetra sy fenitra iraisam-pirenena napetraky ny โForum mondial sur la transparence et l'รฉchange de renseignements ร des fins fiscalesโ sy ny GAFI, ary fanatanterahana ireo ๐น๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ฎ๐ต๐ฎ๐บ๐ฒ๐ต๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ฃ๐ผ๐น๐ถ๐๐ถ๐ธ๐ฎ ๐๐ป๐ธ๐ฎ๐ฝ๐ผ๐ฏ๐ฒ๐ป'๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ท๐ฎ๐ธ๐ฎ๐ป๐ฎ, ๐ฒ๐ผ ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐ต๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ถ๐น๐ผ๐ต๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ, ๐๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฒ๐น๐ ๐ ๐ถ๐ฐ๐ต๐ฎรซ๐น ๐ฅ๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐ก๐๐ฅ๐๐ก๐ no tanjonโizao dingana lehibe izao.
๐ Vakio ny lahatsoratra feno ao aminโny tranonkala www.impots.mg