25/08/2026
Nandritra ny fitsidiham-paritra voalohany nataon’i Ambasadaoro Lefitra Atoa Simeon Onaji ivelan’Antananarivo dia nitsidika tanàna sy kaominina maromaro manamorona ny lalam-pirenena fahafito RN7 ny tenany. Isan’izany i Ambositra, Itremo, Fianarantsoa ary Ranomafana.
Io fitsidihana io dia fotoana nahafahana nijery ny fiarahan’ireo fandaharan’asa tohanan’I Royaume-Uni miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka malagasy sy ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, mba hiarovana ny harena voajanahary tsy manam-paharoa eto , sady manohana ny fiveloman’ny mponina, ny fahazoana rano fisotro madio ary ny fitantanana maharitra kokoa ny tany.
Nitsidika ireo asa tohanan’ny Royal Botanic Gardens Kew tao Itremo ny Ambasadaoro Lefitra izay ahitana vondrona tahiry sy fampindramam-bola ifotony, fisafoana ataon’ny mponina ho fiarovana ny tontolo iainana, asa fanarenana ny tontolo voajanahary ary hetsika fisorohana sy fitantanana ny doro tanety sy doro ala.
Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka miasa amin’ny fampisitrahana rano fisotro madio, ny fampandrosoana ny fiarahamonina ary ny fiarovana ny ala tao Ranomafana ihany koa izy.
Ity fitsidihana ity dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanohanana ny asa fiarovana ny tontolo iainana izay mahasoa ny olombelona sy ny zavaboary, indrindra eny anivon’ireo vondrom-piarahamonina monina manakaiky ireo faritra arovana eto .
--------
In his first field visit outside Antananarivo, Deputy Ambassador Simeon Onaji visited several cities and communes along the RN7, including Ambositra, Itremo, Fianarantsoa and Ranomafana.
The visit was an opportunity to see how UK-supported programmes are working with Malagasy partners and local communities to protect ’s unique biodiversity while supporting livelihoods, access to clean water and more sustainable land management.
In Itremo, the Deputy Ambassador visited activities supported through Royal Botanic Gardens Kew, including community savings groups, local conservation patrols, landscape restoration and fire-management work.
In Ranomafana, he met partners working to connect clean drinking water, community development and forest protection.
The visit highlighted the importance of supporting conservation that works for both people and nature, especially in communities living close to ’s protected areas.
Department for Environment, Food and Rural Affairs (Defra)
Kew Gardens
Kew Madagascar