Fonds National Foncier

Fonds National Foncier Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fonds National Foncier, Government Organization, Route Digue, Ambodimita (Enceinte APIPA), Antananarivo.

Le Fonds National Foncier (FNF) est un établissement public à caractère administratif, sous tutelle technique du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Foncier (MATSF).

𝟎𝟐 𝐣𝐨𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
03/06/2026

𝟎𝟐 𝐣𝐨𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

FIOFANANA HO AN'NY CIRDOMA (CIRCONSCRIPTION DES DOMAINES) AVARADRANO ANTANANARIVO : HO AN'NY FITANTANANA MAHOMBY SY MANG...
29/05/2026

FIOFANANA HO AN'NY CIRDOMA (CIRCONSCRIPTION DES DOMAINES) AVARADRANO ANTANANARIVO : HO AN'NY FITANTANANA MAHOMBY SY MANGARAHARA

📌 Laharam-pahamehana ho an’ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany (MATSF) ny fijerena akaiky ny fikirakirana sy ny fampidirana ny volam-panjakana mifandray amin’ny raharan-tany (Comptabilisation et recouvrement des recettes domaniales) eny anivon’ny CIRDOMA manerana an’ny Madagasikara.

🗓 Araka izany dia nisitraka fiofanana momba ny fitantanam-bola ho an’ny fananan-tany ireo tomponandraikitra ao amin’ny CIRDOMA AVARADRANO anio zoma 29 mey 2026. Ny tanjona dia ny hanitsiana ireo izay mety mbola ho tsy fahatomombanana mahakasika fikirakirana rehetra.

💬 "Anisan’ny tanjona goavana ihany koa ho an’ny taona 2027 ny hirosoana amin’ny fitantanana ara-potoana ka tsy hiasa ho an’ny fandaminana ny lasa intsony," hoy ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bola Nasionaly ho an'ny Fananan-tany (DGFNF). Nohamafisiny koa ny amin’ny maha andraikitra voarakitra ny lalàna ny fanatontosana ny raharaham-panjakana an-tsakany sy an-davany anisan’izany ny fanaraha-maso ny rejisitra ny fampanofana tanim-panjakana (sommier des baux).

Rehefa izany rehetra izany no tanteraka dia hirosoana tsikelikely ny fampiasana ny teknolojia (Informatisation) eo amin’ny fitantanana ny kaonty eny anivon’ny Sampandraharan’ny Fananan-tany mba hanaraka ny vaninandro.

===================================

FORMATION AU SEIN DE LA CIRCONSCRIPTION DES DOMAINES (CIRDOMA) D'ANTANANARIVO AVARADRANO : POUR UNE GESTION EFFICIENTE ET TRANSPARENTE.

📌 Le Ministère de l'Aménagement du Territoire et des Services Fonciers (MATSF) érige en priorité absolue le suivi rigoureux de la comptabilisation et du recouvrement des recettes domaniales au sein des CIRDOMA sur l'ensemble du territoire national.

🗓 C'est dans cette optique que les responsables de la CIRDOMA d’Antananarivo Avaradrano ont bénéficié, ce vendredi 29 mai 2026, d'une séance de renforcement de capacités axée sur la gestion financière foncière. Cette initiative vise impérativement à corriger les éventuelles anomalies techniques et à optimiser l'ensemble des procédures opérationnelles.

💬 « Notre ambition majeure pour l'exercice 2027 est d'instaurer une gestion en temps réel, afin de rompre définitivement avec la régularisation rétroactive des dossiers », a déclaré le Directeur Général du Fonds National du Foncier (DGFNF). Ce dernier a également rappelé l'obligation légale de garantir une exécution exemplaire du service public, notamment par un contrôle strict du sommier des baux.

L'aboutissement de ces réformes structurelles ouvrira la voie à une transition numérique progressive (informatisation) de la comptabilité domaniale au sein des services fonciers, alignant ainsi l'administration sur les standards de modernité actuels.

23/05/2026
𝟏𝟗 𝐦𝐞𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
20/05/2026

𝟏𝟗 𝐦𝐞𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

CIRDOMA ARIVONIMAMO/ CIRCONSCRIPTION PILOTE - FIZAHANA SY FANOFANANA MOMBA NY FITANTANAM-BOLA MAHAKASIKA NY FANANAN-TANY...
11/05/2026

CIRDOMA ARIVONIMAMO/ CIRCONSCRIPTION PILOTE - FIZAHANA SY FANOFANANA MOMBA NY FITANTANAM-BOLA MAHAKASIKA NY FANANAN-TANY EO AMBANY FANDRINDRAN'NY FONDS NATIONAL FONCIER.

Ny zoma 08 aprily 2026 dia natao ny fitsiriana ifotony ny Sampandraharan'ny Fananan-tany ao Arivonimamo,izay notsongaina ho anisan'ireo "Circonscription Pilote ".

Niompana tamin'ny fandrindrana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ny fomba fitazonana ny fitantanam-bola taorian’ny fizahana ireo antontan-taratasy teo am-pelatanana, fampiharana mivantana sy famakafakana trangan-javatra : ny fomba fandraketana amin’ny fotoana itrangan’ny fandoavam-bola.Tanjona amin'izany ny fandrindrana indray ny tamberim-bidy ho an’ny FNF.

Maro ireo asa miandry sy fepetra horaisina toy ny fanovana ny fomba fiasa ary ny fametrahana ny mangarahara tanteraka amin'ny maha anisan’ny "Circonscription Pilote" an'ny CIRDOMA Arivonimamo.

===================================

CIRDOMA ARIVONIMAMO
/ CIRCONSCRIPTION PILOTE: MISSION DE CONTRÔLE ET DE RENFORCEMENT DES CAPACITÉS EN GESTION FINANCIÈRE DES RESSOURCES DOMANIALES, SOUS LA COORDINATION DU FONDS NATIONAL FONCIER (FNF).

Le vendredi 08 avril 2026, la Circonscription Domaniale et Foncière (CIRDOMA) d’Arivonimamo, établie en tant que « Circonscription Pilote », a fait l'objet d'une descente d'inspection de proximité.

Cette mission a été consacrée à l'harmonisation des procédures et à la montée en compétences des agents en matière de comptabilité domaniale. Après un contrôle des pièces, les travaux se sont poursuivis par des exercices d'application directe et des analyses de cas pratiques, portant notamment sur les protocoles d'enregistrement instantané des flux financiers. L'objectif stratégique de cette intervention est d'optimiser le recouvrement des redevances dues au Fonds National Foncier (FNF).

À l'issue de cette mission,d’importants chantiers et des mesures correctives sont attendus, notamment la réforme des processus opérationnels et l’instauration d’une transparence absolue.

FAMPITAOVANA NY BIRAO IOMBONAN’NY FANANANTANY SY FANDREFESANTANY AO MANJAKANDRIANATontosa soa aman-tsara ny alarobia 06 ...
07/05/2026

FAMPITAOVANA NY BIRAO IOMBONAN’NY FANANANTANY SY FANDREFESANTANY AO MANJAKANDRIANA

Tontosa soa aman-tsara ny alarobia 06 Aprily 2026 ny fanomezana fitaovana ho an’ny Birao Iombonanan’ny Fananantany sy Fandrefesantany ao Manjakandriana, izay notanterahin’ny Direction Générale des Services Fonciers(DGSF), tamin’ny alalan’ny fanohanana avy amin’ny Fonds National Foncier (FNF).

Nosafidiana manokana ny Birao Iombonanan’ny Fananantany sy Fandrefesantany ao Manjakandriana noho ny fahamaroan'ny fangatahana sy amin'ny maha sampandraharaha lehibe azy,izay sokajy faharoa amin’ny fanatanterahana ny Titra Faobe.

Nandritry ny fidinana ifotony dia nampahafantarina ireo mpiasa ny maha sarobidy ny fanatsarana ny fomba fiasa izay mitaky ezaka lehibe avy amin'izy ireo. Natolotra ireo fitaovana toy ny solosaina,imprimante.. mba hanamorana ny "dématerialisation" hahazoana vokatra tsara ho an'ny vahoaka.

Nohamafisin'ny Tale Jeneraly eto anivon'ny Fonds National Foncier ihany koa ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana tsara amin'ny atsakany sy andavany ny asa ny Sampandrahara ny Fananantany mba hahafahan'ny Fonds National Foncier manohy hatrany ny famatsiana ary fanampiana ihany koa.

===================================

DOTATION EN MATÉRIELS INFORMATIQUES DU GUICHET UNIQUE DE MANJAKANDRIANA.

Le mercredi 06 avril 2026, s’est tenue la cérémonie de remise d’équipements au profit du Guichet Unique Foncier et Topographique de Manjakandriana. Cette initiative, portée par la Direction Générale des Services Fonciers (DGSF), a bénéficié de l’appui du Fonds National Foncier (FNF).

Le choix de la Circonscription de Manjakandriana revêt un caractère stratégique. En raison du volume important des dossiers traités et de son rôle prépondérant en tant que service de deuxième catégorie dans la mise en œuvre du "Titra Faobe", cette structure nécessite un renforcement substantiel de ses capacités opérationnelles.

Lors de cette descente sur les lieux, l'accent a été mis sur l’impérative optimisation des méthodes de travail, exigeant un engagement accru du personnel. À cet effet, des lots de matériels informatiques, comprenant notamment des ordinateurs et des imprimantes... ont été remis afin d'accélérer le processus de dématérialisation, garantissant ainsi une prestation de qualité et de proximité envers les usagers.

Le Directeur Général du Fonds National Foncier a, pour sa part, réitéré l’importance d’une exécution rigoureuse et transparente des missions dévolues aux services fonciers. Il a souligné que l’efficience des résultats sur le terrain constitue la condition essentielle à la pérennisation des financements et du soutien technique apportés par la Direction Générale du Fonds National Foncier.

𝟎𝟓 𝐦𝐞𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
05/05/2026

𝟎𝟓 𝐦𝐞𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

𝟐𝟖 𝐚𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
28/04/2026

𝟐𝟖 𝐚𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

25/04/2026
Anio zoma 24 aprily 2026 no andro faharoan'ny fikaonandoham-paritra Analamanga, izay notanterahana tao amin'ny efitrano ...
24/04/2026

Anio zoma 24 aprily 2026 no andro faharoan'ny fikaonandoham-paritra Analamanga, izay notanterahana tao amin'ny efitrano fivoriana Plan Anosy.

Niompana tamin'ny fandraisana mivantana ireo olana sy hetaheta entina hanatsarana ny fananan-tany sy fanajariana ny tany ary ny trano fonenana ny lahadinika. Nomena lanja manokana ny fakan-kevitra avy amin'ireo tanora sy mpianatra nandritra io fotoana io.

Ny Tale Jeneralin'ny Tahirim-bola Nasionaly ho an'ny Fananantany no nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy, ary nanamafy ny maha zava-dehibe ny fananantany. Nanararaotra nampahafantatra ny fisian'ny Tahirim-bola Nasionaly ho an'ny Fananantany na ny "Fonds National Foncier" ihany koa ny tenany, izay antoka iray lehibe ho an'ny fampandrosoana ny fananan-tany eto Madagasikara, ary mitana anjara toerana lehibe amin'ny fampaharetana ny fanavaozana ny sehatry ny fananan-tany.

==================================

Le jeudi 24 avril 2026 s’est tenue la deuxième journée de la conférence régionale d’Analamanga, organisée dans la salle de réunion du Plan à Anosy.

Les échanges ont porté sur la prise en compte directe des problématiques et des attentes liées à l’amélioration de la propriété foncière, de l’aménagement du territoire et de l’habitat. Une attention particulière a été accordée aux propositions formulées par les jeunes et les étudiants ayant pris part à cette rencontre.

Le Directeur Général du Fonds National Foncier a officiellement ouvert la séance, en rappelant l’importance stratégique de la question foncière. Il a également profité de l’occasion pour présenter le Fonds National Foncier (FNF), un instrument essentiel de développement pour la politique foncière à Madagascar, appelé à jouer un rôle majeur dans la pérennisation de la réforme foncière.

Address

Route Digue, Ambodimita (Enceinte APIPA)
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 16:00
Tuesday 08:30 - 16:00
Wednesday 08:30 - 16:00
Thursday 08:30 - 16:00
Friday 08:30 - 16:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fonds National Foncier posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Fonds National Foncier:

Share