Minisiteran'ny Foloalindahy Madagasikara

Minisiteran'ny Foloalindahy Madagasikara Page officielle du ministère des Forces armées malgaches.

FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA SY NY IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY 👉Natomboka tamin’ny...
01/06/2026

FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA SY NY IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY

👉Natomboka tamin’ny fampiakaran-tsaina🇲🇬 iombonana manoloana ny Lapan'ny Tanàna Analakely ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan'ny fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy, ny alatsinainy 1 jona 2026 tamin'ny 10 ora maraina. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Jeneraly ZAFITASONDRY Marcellin niaraka tamin’ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry izay nisolo tena an’Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanatrika izao lanonana izao ihany koa ny Praiminisitra Lehiben'ny governemanta, ireo minisitra mpikambana anivon'ny governemanta ary ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena sivily sy miaramila.

✅Nandritra izany dia nisy ny hafatra tena mafonja nampitain’Andriamatoa Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Jeneraly ZAFITASONDRY Marcellin ny amin’ny tsy tokony haneken’ny vahoaka Malagasy ho voatarika any amin'ny làlan-diso, sy tokony hanohizan'ny Foloalindahy ny fahendrena izay efa nananany hatramin’zay ary ny fampitomboana hasina ny Teny Malagasy.

ℹ️Nandritra lahatenin’Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely no nanamafisany fa andro lehibe sy manan-tantara ho an’ny firenena Malagasy ny 26 jona sady andro manamarika ny fahafahana sy ny fiverenan’ny hasin’ny firenena Malagasy. Nambarany fa tsy kisendresendra no nahazoana an’izany fahaleovantena izany fa nisy ny fahafoizan-tena sy ady mafy natrehan’ireo razam-be sy mahery fon’ny firenena izay niady ary nanolotra ny ainy ka nahafahantsika misitraka ny fahalalahana sy fahaleovantena izay hiainantsika ankehitriny. Koa amin’izao fanombohana ny fankalazana ny fetim-pirenena izao dia aoka hiredareda ao am-potsika hatrany izany fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo razam-betsika zany, mba ho solika mandrehitra ny fanahin’ny herim-po, hiady sy hifofotra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikarahoy hatrany ny teneny. Notsipihiny fa ny tara-kevitra noraisina tamin’ity taona ity dia ny hoe “Fanavaozana ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara”, izay mifanindran-dalana tanteraka amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, dia vanim-potoanan’ny fanavaozana. Tsy fehezanteny fotsiny izany, fa antso sy ainga ho an’ny rehetra hanavao sy hanamafy ny fitiavan-tanindrazana.

🟢Nifanindran-dalana tamin'izao lanonana izao ihany koa ny fanokafana ny "Iray volan'ny Teny Malagasy" ka nisy ny fanolorana ny loka ho an'ireo nandresy tamin'ny fifaninanam-pirenena momba ny literatiora. Nampiavaka izao lanonana izao ny seho an-tsehatra momba ny fahaleovantena nataon’ireo tanora
Marihina fa samy nanatanteraka ity fananganan-tsaina niombonana ity avokoa ny tany amin'ny faritra rehetra manerana ny Nosy, ho fiaraha-mientana sy firaisankina hahatongavana amin'ny tena fanavaozana ho fampandrosoana an'i Madagasikara.
Araka ny fanentanana nataon'ny Komity mpikarakara ny fankalazana ny fetim-pirenena dia asaina ihany koa ny isan-tokantrano hametaka ny sainam-pirenena.

01/06/2026

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny : « Fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ».

Fankalazana ny iray volan’ny teny Malagasy

𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐅𝐀𝐓𝐀𝐅𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐁𝐋𝐈𝐊𝐀𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐈𝐓𝐀𝐋𝐀𝐕𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀.Maro ...
01/06/2026

𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐅𝐀𝐓𝐀𝐅𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐁𝐋𝐈𝐊𝐀𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐈𝐓𝐀𝐋𝐀𝐕𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀.

Maro ireo teboka mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny vahoaka noresahan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara🇲🇬, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, nandritra ny fandaharana manokana nataony tamin’ny fahitalavim-pirenena ny takarivan’ny 31 mey 2026.

Raha ny teo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana manokana dia noresahiny ny fivelaran’ny 🤝fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena mpiara-miombon’antoka, izay mitondra tombontsoa ho an’ny firenena. Notsiahiviny tamin’izany ny tsy fahampian’ny fitaovana teo am-pelatanan’ny Tafika Malagasy tany aloha, indrindra eny anivon’ireo toby miaramila, ka nisy fiantraikany tamin’ny fanatanterahana ny asa sy iraka fampandriana fahalemana.

🟢Ankehitriny anefa, hoy izy, dia maro ireo fitaovana vaovao voarain’ny Tafika Malagasy, toy ny fiara mifono vy noraisina teny amin’ny 1er Bataillon Parachutiste, ary koa ireo angidimby🚁 izay manampy betsaka amin’ny ady amin’ny asan-dahalo sy ny fampandriana fahalemana. Notsipihiny fa tsy natokana ho an’ny Tafika Malagasy irery ireo fitaovana ireo, fa azon’ny Zandarimariam-pirenena ampiasaina ihany koa amin’ny fanatanterahana ny iraka fampandriana fahalemana manerana ny Nosy.

31/05/2026
🟢Hiatrika ny fanamarihana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindah...
30/05/2026

🟢Hiatrika ny fanamarihana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy isika izao.
Ny Minisiteran’ny Foloalindahy dia miantso ny mpiray tanindrazana rehetra, eto an-toerana sy maneran-tany, mba samy hanangana ny Sainam-pirenena Malagasy🇲🇬 manomboka ny 1 jona ho avy izao. Izany dia ho marika fanehoana ny firaisam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana iombonana.
➡️Vanim-potoana manan-danja lehibe ho an’ny firenena izany koa entanina ny tsirairay hiray hina sy handray anjara am-pifaliana ary am-pahamendrehana.

Ho an’ny Tanindrazana.

26 JONA 2026 : FANEHOANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TARA-KEVITRA SY NY SARY FAMANTARANA NY FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA ...
29/05/2026

26 JONA 2026 : FANEHOANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TARA-KEVITRA SY NY SARY FAMANTARANA NY FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA

👉Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Komity Teknika Nasionaly mpikarakara ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantenan'i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy, notarihin’ny Jeneraly DODO Andrianilaina Tiana, Filohan'ny Komity, ny zoma 29 mey 2026, tao amin'ny efitrano fivorian’ny Minisiteran'ny Foloalindahy.

✅Nandritra izany no nanehoana ampahibemaso ny sary famantarana sy ny tara-kevitra entina hankalazana ny fetim-pirenena amin’ity taona ity dia ny hoe : «FANAVAOZANA HO AN'NY FANDROSOAN'I MADAGASIKARA». Tara-kevitra izay manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanavaozana amin’ny lafiny rehetra toy ny toe-tsaina, ny fitantanana, ny foto-drafitrasa ary ireo sehatra rehetra afaka mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nilaza ny Filohan’ny Komity fa mbola maro ny ezaka tokony hatao amin’ny fanatrarana ny fampandrosoana maharitra, ka ny fanavaozana no lalana ahafahana miroso mankany amin’izany.

Ny sary famantarana kosa izay ahitana vondron'olona dia mampiseho fa miray hina sy miombom-po hatrany ny Malagasy. Ahitana ny sarin’i Madagasikara miloko maitso ihany koa izany, izay maneho fa firenena mamokatra sy manantena hoavy tsaratsara kokoa i Madagasikara. Ny sarin'ny Foloalindahy indray dia midika fa eo anilan’ny vahoaka hatrany izy ireo. Ahitana ireo olona marefo ihany koa ao anatin’ny sary famantarana, entina hanehoana fa tsy misy fanavakavahana ary samy manana ny toerany sy ny anjara asany amin’ny fampandrosoana ny firenena ny rehetra.

ℹ️Nambaran’ny Filohan’ny Komity Teknika Nasionaly ihany koa fa mifototra amin’ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisankina ary ny fanandratana ny maha-Malagasy ny fanomanana rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana lanja ny kolontsaina Malagasy sy ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fankalazana, ary indrindra ny fanentanana ny olom-pirenena hanana toe-tsaina mendrika sy hanaja ny soatoavina maha olom-pirenena na ny “civisme”.

Hanomboka ny voalohan'ny volana jona hatramin'ny 27 jona ireo hetsika maro samihafa, izay ahitana ny hetsika fanabeazana maha olom-pirenena na ny "civisme" ho fanentanana ny rehetra amin’ny fanajana ny sainam-pirenena. Hisy ihany koa ireo hetsika ara-pinoana, ahitana ny fanompoam-pivavahana iarahana amin’ny Silamo🕌, ny advantista💒 ary ny FFKM⛪. Ny hetsika ara-kolontsaina kosa dia hanasongadina ny firaisankina sy ny maha-Malagasy amin’ny alalan’ny fomba amam-panao, ny fitafy ary ny sakafo Malagasy, araka ny vina sy toromarika napetrak’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.

🟢Eo amin’ny lafiny sosialy, hisy ny fizarana fanomezana ho an’ireo beantitra sy olona manana fahasembanana ho an’ Antananarivo sy ny manodidina, isan’izany Ambohidratrimo, Antananarivo Atsimondrano ary Antananarivo Avaradrano. Ankoatra izany dia hisy ny hetsika ara-miaramila toy ny matso sy ny fampisehoana ny fahaiza-manaon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ary koa ny kerimesy izay mampiavaka ny Foloalindahy Malagasy mandritra izao fankalazana izao.

Ho an’ny sehatra ara-panatanjahantena kosa dia ny fifaninanana baolina kitra eny anivon’ny fokontany sy ireo lalao iarahan’ny Hery Fiarovana sy Filaminana no hanamarihana izany.

Ny 1 jona 2026 eny amin’ny Parvis Analakely no hanatanterahina ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana. Manomboka amin’io andro io ihany koa ny fananganana ny sainam-pirenena🇲🇬 isam-pianakaviana.

Marihina fa voarara ny fampiasana sy fivarotana 🔦“laser” sy tsipopoka💣 mandritra ny fankalazana, ho fiarovana ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana ny rehetra.

𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐈𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐊𝐏𝐌𝐅➡️Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao g...
29/05/2026

𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐈𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐊𝐏𝐌𝐅

➡️Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Komity mpanomana ny fankalazana ny faha-66 taonan'ny fahaleovantena sy ny Foloalindahy (KPMF na CTNO) ny zoma 29 mey 2026 maraina tao amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy Ampahibe dia nisy ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety momba ny fanasana olona amin'ny 26 jona 2026. Namaly izany ny Filohan'ny KPMF fa "asaina avokoa ny olona rehetra tsy an-kanavaka" fa tsy niteny manokana kosa izy momba ny fanasana ny Filoha teo aloha, na dia nanontanian'ny mpanao gazety mivantana momba izany aza.

ℹ️Manoloana ny lahatsoratra miparitaka eny amin'ny tambanjotra-tserasera fa "asaina manokana ny Filoha teo aloha" dia mametraka mazava ny KPMF fa tsy nanambara izany velively ny Filohany ary mangataka ny gazety an'habaka namoaka izany tsy handiso na handika izay voalaza ka hampiroaroa ny saim-bahoaka. Ny hevitra tiany nampitaina dia ny fanasana ny olom-pirenena rehetra (lahy, vavy, sivily, Miaramila, manana fahasembanana na tsia) ho amin'ny matso amin'ny 26 jona. Ny fankalazana am-pilaminana ny fetin'ny 26 jona no tanjona ary ny filaminana, firaisan-kina, fitiavan-tanindrazana no lalan-tsaina hikarakarana izany.

29/05/2026

Address

BP08 AMPAHIBE
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Minisiteran'ny Foloalindahy Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share