18/04/2019
Faly miarahaba an’A/toa Tovositraka Jean Parfait isika nohon’ny nahavoatendry azy ho Directeur Régional de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche eto Ihorombe, araka ny tatitry ny Conseil des Ministres omaly Alarobia 17 Aprily 2019.
Mirary azy ho ela fanapahana sy hahavita be amin’ny asa fampandrosoana maharitra ny Faritra Ihorombe isika!
Betsaka ny asa vitan’ny Tale teo aloha fa mbola maro koa ny asa miandry ho fanohanana hatrany ny mpamokatra ka mampanantena ny hanao izay faraheriny sy farafahaizany ny Tale vaovao hanatanterahana izany vina fampandrosoana izany miaraka amin’ny ekipa rehetra!
Mangataka sy manantena ny fiaraha-miasa lalandava amintsika rehetra toin’ny efa nisy hatrizay ny ekipan’ny DRAEP Ihorombe.
Mirary soa hatrany e!
Am-pirahalahiana!