29/10/2025
🤝 Tontosa androany faha 29 oktobra tamin’ny 11h30 ny lanonana famindram-pahefana teo anivon’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, teo amin’ Atoa Olivier Rakotomalala, Minisitra teo aloha sy Atoa Carl Andriamparany, Minisitra mandray ny fitantanana.
💼 " Famadihana ny loharanon-karena ambanin’ny tany ho lasa harena iveloman’ny malagasy", izany no iompanan’ny andraikitra sahaniny amin’ny ankapobeny.
👉 Notsahiviny koa, nandritra ny lahateny nataony ireo fandaharan'asa laharam-pahamehana enina, ka misongasina amin’izany ny mahakasika ny lafiny sosialy.
✨ Nisaotra ny Minisitra teo aloha ny tenany ary manentana ireo mpiara-miasa rehetra hanohy sy hanatsara ny fiaraha- miasa eo anivon’ny Minisitera iadidiany.