WWF Madagascar

WWF Madagascar Building a future in which humans live in harmony with nature. These characteristics have led some scientists to dub Madagascar the "seventh continent”.

The island of Madagascar separated from the African continent some 165 million years.1 Since then, a unique array of plants and animals have evolved, including many endemics species which are found nowhere else in the world. You say lemurs? All 99 known species and subspecies of these small primates are found only on this island and on the Comoros where they were likely to be introduced. These include the indri, the largest living lemur; black lemurs, which feed on ripe fruit, leaves, insects and flowers; and the hairy-eared dwarf lemur that has long wavy hair around its ears. The eastern, or windward side of the island is home to tropical rainforests, while the western and southern sides of the island are covered by tropical dry forests, thorn forests, and deserts and xeric shrublands. Dry forests support hundreds of endemic plant and animal species - for example, 7 species of baobab trees as compared to only one in all of Africa. The islands surrounding Madagascar are equally diverse as are the countless reefs, home to whales, sharks and marine turtles amongst many other species. WWF MDCO (Madagascar Country Office) works in six different fields: terrestrial, marine, footprint, sustainability, species and climate change. We are passionate about nature and leaders in community based conservation work. This group welcomes all people who are interested in our work, who want to read about the latest news and want to share their passion for this corner of the globe.

"🌊 Petite pêche : Madagascar au cœur des échanges mondiaux du 3è Sommet sur la pêche artisanale 🐟À Madagascar, la petite...
05/09/2026

"🌊 Petite pêche : Madagascar au cœur des échanges mondiaux du 3è Sommet sur la pêche artisanale 🐟

À Madagascar, la petite pêche représente 67 % de la production halieutique nationale. Mais derrière ce chiffre, ce sont surtout des milliers de communautés dont la vie dépend directement de la santé de nos océans et de nos ressources marines.
Comment leur donner davantage de place dans les décisions qui concernent ces ressources ? C’est l’un des sujets au cœur du 3ᵉ Sommet mondial sur la petite pêche, qui réunit du 4 au 6 septembre à Rome des pêcheurs, organisations, gouvernements et partenaires du monde entier.

🇲🇬 WWF Madagascar y participe pour porter et enrichir l’expérience malagasy.
Ce samedi 5 septembre, Jérémie Ndriamanja, Small-Scale Fisheries (SSF) Officer de WWF Madagascar, rejoint les échanges consacré à la mise en œuvre des Directives volontaires visant à assurer la durabilité de la pêche artisanale (Directives SSF).
À Madagascar, les communautés côtières sont déjà au premier plan de nombreuses initiatives de gestion locale des ressources marines avec son réseau d’Aires Marines/Pêches Gérées Localement (AMGL/APGL). Ce Sommet est l’occasion de partager ces expériences, mais aussi de découvrir ce qui fonctionne ailleurs dans le monde.en Afrique pour aller plus loin.

💬 « Nos communautés côtières ne doivent pas seulement être bénéficiaires des actions de conservation : elles doivent être pleinement actrices des décisions qui concernent leurs ressources. Ces échanges nous permettent de partager l’expérience de Madagascar, mais aussi d’apprendre d’autres pays pour renforcer une gestion de la petite pêche qui bénéficie à la fois aux communautés et à la nature. » — Jérémie Ndriamanja.

Pour Madagascar, l’intérêt de ces échanges est très concret : voir ce qui fonctionne ailleurs, comparer les pratiques et identifier ce qui peut réellement renforcer la gestion locale de la petite pêche et le rôle des communautés.

🌍 Ny fihoarana vetivety ny fetra 1,5 °C dia tsy midika fa very ny fanantenana. Saingy misy vokany izanyAraka ny tatitra ...
04/09/2026

🌍 Ny fihoarana vetivety ny fetra 1,5 °C dia tsy midika fa very ny fanantenana. Saingy misy vokany izany

Araka ny tatitra vaovao navoakan’ny UNEP dia tokony ho ferana araka izay tratra ny fihoarana ny 1,5 °C, ary tokony tsy haharitra ela izany. Satria arakaraka ny maha ela ny fijanonan'ny maripana ambonin’io fetra io, no vao mainka mitombo ny loza ho an’ny olona, ny zavaboahary ary ny toekarena. Misy aza ny fiovana sy fahasimbana mety tsy ho azo averina intsony.

Eto Madagasikara, tena misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainantsika izany.
🌳 Mila arovana sy haverina amin’ny laoniny ny ala sy ny tontolo voajanahary.
🐾 Mila arovana ireo karazam-biby sy zavamaniry izay mora tohina amin’ny fiovan’ny tontolo iainany.
👥 Ary maro ireo vondrom-piarahamonina sy fiveloman’ny olona miankina mivantana amin’ny zavaboahary, ka mila miomana sy mampifanaraka ny fomba fiainany amin’ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro.

Izany no antony iantsoan’ny WWF antsika mba hanao hetsika dieny izao, fa tsy hiandry: hanamafy ny ezaka momba ny toetrandro, hampihena haingana kokoa ny entona mampiakatra ny maripana, hampitombo ny famatsiam-bola ho an’ny toetrandro, hanamafy ny fahafahana miatrika ny fiovan'ny toetrandro, hampitombo ny fampiasana angovo azo havaozina, hamerina amin’ny laoniny ny tontolo voajanahary ary hampitsahatra ny fandripahana ala.

Ho an’ny WWF, ny fihoarana ny 1,5 °C dia tsy tokony hahakivy antsika fa hanosika antsika kosa hanafaingana ny ezaka.

Mbola afaka mampihena ny loza isika. Na dia ampahany kely amin’ny fiakaran’ny maripana aza no voasoroka, dia efa manan-danja izany.

💡Henriette, ilay vehivavy nitondra hazavana ho an’i Andavoanemboka ☀️Roapolo taona mahery i Henriette Mahafeno no monina...
03/09/2026

💡Henriette, ilay vehivavy nitondra hazavana ho an’i Andavoanemboka ☀️

Roapolo taona mahery i Henriette Mahafeno no monina tao Andavoanemboka, tanàna mitokana any atsimo andrefan’ny distrikan’Ambilobe, faritra DIANA. Rehefa alina, labozia sy jiro kapoaka no tena fampiasan’izy ireo mba hanazavana ny tokantrano. Saingy mety hiteraka hain-trano izany.

Tamin’ny taona 2021, niova ny fiainan’i Henriette. Anisan’ ireo vehivavy efatra voafidy tao Andavoanemboka handray anjara amin’ny Programme National Barefoot College izy. Niofana nandritra ny dimy volana tao amin’ny Centre Barefoot College Tsiafajavona izy. Nianatra nametraka, nanamboatra ary mikojakoja fitaovana mandeha amin’ny angovo avy amin’ny masoandro izy, ary koa nianatra momba ny fitantanana ara-bola, ny fiarovana ny ala honko sy ny ranomasina ary ny zon’ny vehivavy.
Rehefa niverina tao an-tanànany i Henriette dia lasa isan’ireo mitondra fiovana. Noho ireo fahaiza-manao azony, dia mandray anjara amin’ny fampandehanana ny rafitra mampiasa angovo avy amin’ny masoandro izy, izay manome herinaratra ny mponina ao Andavoanemboka ankehitriny. Ny vola raisina avy amin’ny fandraisan’anjaran’ireo mpampiasa dia ampiasaina ihany koa amin’ny fikojakojana ireo fitaovana, mba haharitra sy hitohy ny fampiasana azy.

Tamin’ny taona 2026, nisy dingana lehibe vaovao nanova ny fiainan’ny mponina: tonga tao an-tanàna ny rano fisotro madio, miaraka amin’ny paompy dimy napetraka amin’ny toerana samihafa. Tsy mila mandeha lavitra intsony ny fianakaviana mba haka rano, ary tsy voatery hividy rano amin’ny vidiny lafo. Manana fahadiovana, fampiononana ary toe-pahasalamana tsara kokoa izy ireo ankehitriny.
Ankehitriny, noho ny herinaratra avy amin’ny masoandro sy ny fahazoana rano fisotro madio, dia manana ireo tolotra fototra ilaina hanatsarana maharitra ny fiainan’izy ireo ny mponina ao Andavoanemboka. Mampiseho ny tantaran’i Henriette fa rehefa omena fahalalana sy fitaovana ahafahany mandray andraikitra ny vondrom-piarahamonina, dia afaka mitondra ny fiovana sy manova ny fiainany ho amin’ny tsara kokoa.

Araho ny rohy raha hamaky ny lahatsoratra feno.

🌍 1,5°C: tsy midika izany hoe “tara loatra”. Fa famantarana kosa fa mila manafaingana ny hetsika isika. 🌡Mihamanakaiky n...
02/09/2026

🌍 1,5°C: tsy midika izany hoe “tara loatra”. Fa famantarana kosa fa mila manafaingana ny hetsika isika. 🌡

Mihamanakaiky ny fetra 1,5°C amin’ny fiakaran’ny maripana maneran-tany isika.

Ho an’ny WWF anefa, na dia mihoatra vetivety aza io fetra io, dia tsy midika izany fa very ny fanantenana. Mifanohitra amin’izany aza: mila manafaingana ny hetsika isika mba hamerana ny fiakaran’ny maripana ary hiverina ambanin’ny 1,5°C haingana araka izay azo atao.
Nahoana no zava-dehibe izany? Satria manan-danja ny ampahany kely rehetra amin’ny mari-pana ho an’ny olona, ny zavaboary ary ny toekarena.

🌊 Aty amin’ny Ranomasimbe Indianina Andrefana, mampiseho amintsika ny haran-dranomasina fa tena mora tohina ny tontolo voajanahary. Taorian’ny taona maro nahafahany niverina tsikelikely, dia nihena be indray ny velaran’ny haran-dranomasina tamin’ny 2024. Eto Madagasikara, toerana fanaraha-maso 18 ao amin’ny faritra Mahafaly no nandray anjara tamin’ny angona nampiasaina tao amin’ilay tatitra iraisam-pirenena farany momba ny haran-dranomasina.

Ny vaovao mampahery dia izao : afaka miverina sy mihasitrana ny zavaboahary rehefa omena fotoana sy fahafahana hanao izany.

Izany indrindra no antony mbola anohizan’ny WWF ny ezaka: hiaro ny tontolo voajanahary, hanamafy ny fahafahany miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ary hampiroborobo hetsika ara-toetr’andro feno fahavononana bebe kokoa.

Tsotra ny hafatra: ahena ny entona miteraka fiakaran’ny maripana, fa tsy ny finiavana.

Manan-danja ny ampahany kely rehetra amin’ny mari-pana azo sorohina. Andao hiara-hiasa dieny izao ho an’ny zavaboahary sy ny hoavintsika.

🐟 Kaoperativan’i Mandrosoa Ambohibola : ny vehivavy manova ny jono ho lasa hery enti-mampandroso ny fiarahamonina 🌎Any a...
01/09/2026

🐟 Kaoperativan’i Mandrosoa Ambohibola : ny vehivavy manova ny jono ho lasa hery enti-mampandroso ny fiarahamonina 🌎

Any amin’ny morontsiraka Mahafaly, any amin'ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara, ireo vehivavy ao amin’ny kaoperativan’i Mandrosoa dia manova ny vokatra azo avy amin’ny jono ho lasa fahafahana ara-toekarena ho an’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina misy azy.

Ankehitriny, ahitana vehivavy 31 mizara ho vondrona efatra ny kaoperativa. Nifantoka tamin’ny fanaovana trondro sira sy fanamainana trondro izy ireo, asa iray ahafahana manatsara ny sandan’ny vokatra azo, mampihena ny fahasimban’ny trondro aorian’ny jono ary mampitombo ny loharanom-bolan’ny tokantrano.

💬 « Ny trondro tsirairay ovainay ho vokatra voahodina dia midika ho fidiram-bola ho an’ny fianakaviana iray ary fanantenana ho an’ny hoavin’ny zanakay. » — Remeny Isabelle, filohan’ny kaoperativan’i Mandrosoa

Isaky ny vanim-potoana famokarana iray, dia mahavita manodina kitapo trondro fito eo ho eo ny kaoperativa, izay amidy any amin’ireo toerana maro samihafa any amin'ny faritra Atsimo Andrefana. Na dia eo aza ny fahasarotan’ny fivezivezena nohon'ny halaviran-toerana sy ny fahasarotan’ny fidirana ao Ambohibola, dia manohy sy mampivelatra ny asany ireo vehivavy.
Nandrisika ny mponina hafa tao an-tanàna ihany koa ny fahombiazan’izy ireo. Izay nanomboka ho hetsika nataon’ny vehivavy vitsivitsy dia lasa fomba fivelomana noraisin’ny ampahany betsaka amin’ny fiarahamonina ankehitriny.

Tamin’ny alalan’ny fanohanana avy amin’ny WWF, dia nanamafy ny fahaizany amin’ny lafiny fitarihana, fitantanana kaoperativa, fandrindrana asa ary fanaraha-maso ny hetsika ireo mpikambana. Izany dia nanampy tamin’ny fanamafisana ny firafitry ny kaoperativa sy ny fahafahan’izy ireo mampandroso ny asa ataony.

Ny traikefan’ity kaoperativa ao Ambohibola itydia mampiseho fa ny fanomezana hery ara-toekarena ho an’ny vehivavy sy ny fanatsarana ny fomba fanodinana ny vokatra avy amin’ny jono dia afaka manamafy ny faharetan’ny fiarahamonina iray manontolo.

🌎 Efa nivoaka ny famintinana ireo vaovan'ny WWF Madagascar volana aogositra 2026 !Amin'ity andiany iray ity dia miverina...
31/08/2026

🌎 Efa nivoaka ny famintinana ireo vaovan'ny WWF Madagascar volana aogositra 2026 !

Amin'ity andiany iray ity dia miverina amin’ireo vaovao sy hetsika nisongadina nandritra ny volana jolay sy aogositra isika. Isan'izany ny fandraisan’anjaran’ny tanora, ny fiarovana ny ala honko, ary ireo asa samihafa tanterahin’ny WWF Madagascar miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina ho fiarovana ny natiora.

🔗 Ao amin'ny ranty ny rohy raha te hamaky feno izany ianao.

📢 APPEL À MANIFESTATION D’INTÉRÊTDans le cadre de l’élargissement de sa base de données, WWF Madagascar invite les prest...
30/08/2026

📢 APPEL À MANIFESTATION D’INTÉRÊT

Dans le cadre de l’élargissement de sa base de données, WWF Madagascar invite les prestataires professionnels à manifester leur intérêt pour différentes prestations, notamment :
✅ Location de voitures pour les missions sur terrain dans tout Madagascar
✅ Transferts en ville et vers les aéroports
✅ Vente d’équipements téléphoniques
✅ Entretien et réparation de voitures
✅ Vente, entretien et réparation de matériels informatiques
✅ Vente de matériels solaires
✅ Consommables et accessoires informatiques, fournitures de bureau
✅ Matériels de camping
✅ Agences de voyage
✅ Travaux d’impression et objets personnalisés
✅ Matériels de plongée
✅ Matériels de pêche
✅ Location de salles de réunion ou de banquet
✅ Location de matériels événementiels

Les documents de manifestation d’intérêt devront être déposés au bureau de WWF au lot Près lot II M 85 Ter Antsakaviro, Antananarivo 101, et porter expressément la mention « AO – 31/TNR/26 AMI - N° et Titre de la prestation »

Ou envoyés à l’adresse [email protected] avec en objet « AO – 31/TNR/26 AMI - N° et Titre de la prestation»

Au plus t**d le 14/09/26 à 17 heures.

Le lien de l'offre en premier commentaire.

Vous connaissez un prestataire susceptible d’être intéressé ? Partagez cette opportunité autour de vous.

🌡 Ny fiatrehana ny haintany dia fandraisana andraikitra ho an’ny toetrandro ihany koaTsy rehefa tsy avy ny orana ihany n...
28/08/2026

🌡 Ny fiatrehana ny haintany dia fandraisana andraikitra ho an’ny toetrandro ihany koa
Tsy rehefa tsy avy ny orana ihany no manomboka ny haintany. 🔅

Miankina amin’ny fahasalaman’ny nofon-tany, ny zavamaniry, ny loharanon-drano ary ny fomba fitantanana ny tany ihany koa ny fahafahan’ny faritra iray miatrika azy.
Ny tany rakotra zavamaniry sy salama dia mitahiry rano tsara kokoa. Ny tontolo voajanahary voarenina dia afaka miatrika tsara kokoa ny fotoana maina. Ary ny fomba fambolena mifanaraka amin’ny zava-misy dia afaka manampy ny vondrom-piarahamonina hanohy hamokatra, na dia mihasarotra vinaniana aza ny toetr’andro.

Eto Madagasikara, araka ny angon-drakitra UNCCD (taona nanaovana tatitra: 2019), olona 6 amin’ny 10 no niharan’ny hain-tany. Midika izany fa tena zava-dehibe amintsika ny fanamafisana ny fahafahana miatrika izany.

Izany koa no iray amin’ireo hafatra lehibe ao amin’ny COP17 an’ny UNCCD, izay tanterahina amin’izao fotoana izao any Mongolia : tsy ampy ny mihetsika rehefa tonga ny hain-tany. Mila manomana mialoha ny tany sy ny vondrom-piarahamonina mba hahafahany miatrika izany tsara kokoa isika.

🌧 Rehefa tsy ampy ny orana, tsy ny tany ihany no maina. Mety ho tonga hatrany an-dovia koa ny vokany. 🌱Eto Madagasikara,...
27/08/2026

🌧 Rehefa tsy ampy ny orana, tsy ny tany ihany no maina. Mety ho tonga hatrany an-dovia koa ny vokany. 🌱

Eto Madagasikara, fianakaviana maro no miankina mivantana amin’ny fambolena sy ny rotsak’orana mba hahazoana sakafo sy fidiram-bola.
Rehefa mikorontana ohatra ny fizaran-taona, maharitra ny haintany na mihasimba ny tany, ka mety hihena ny vokatra. Ary rehefa ratsy ny vokatra, dia mety hihena koa ny fidiram-bolan’ny tokantrano ary ho sarotra kokoa ny fahazoana sakafo.
Ankehitriny, olona 1,7 tapitrisa eto Madagasikara no miatrika olana goavana amin’ny fahazoana sakafo ampy, araka ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM/WFP). Anisan’ny antony voalazan’ny PAM ny fiankinan-doha amin’ny fambolena miankina amin’ny orana, ny fahavitsian’ny fidiram-bola, ny fiakaran’ny vidin-tsakafo ary ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro.
Ny FAO koa dia manamarika fa ny tsy fahatomombanan’ny rotsak’orana, ny rivodoza nifandimby ary ny haintany any Atsimo dia mety hampihena ny vokatra toy ny vary, katsaka ary voamadinika hafa amin’ny taona 2026.

Izany indrindra no mahatonga ireo dinika atao mandritra ny COP17 an’ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana mikasika ny ady atao amin’ny fihangazanana (UNCCD), any Oulan-Bator, Mongolia, ho zava-dehibe ho antsika ho an’i Madagasikara. Anisan’ny lohahevitra lehibe resahina ao ny fanarenana ny tany, ny fiatrehana ny haintany, ny rano ary ny rafitra ara-tsakafo.

🌱 Ny fiarovana ny nofon-tany, ny fanarenana ny tany ary ny fitantanana tsara kokoa ny rano dia fiarovana ihany koa ny fahafahantsika mamokatra sy mahazo sakafo amin’ny ho avy.

🇲🇬 Ary any aminareo, inona avy ireo fiovana tsikaritrareo tato anatin’ny taona vitsivitsy? Orana tsy ara-potoana? Tsy fahampian-drano? Fihenan’ny vokatra? Zarao aminay ao amin’ny fanehoan-kevitra ny zavatra hitanareo sy iainanareo.

🌳 Ary ahoana raha tsy afaka mifindra intsony avy amin’ny ala iray mankany amin’ny ala hafa ny biby? 🐒Ho an’ny karazam-bi...
26/08/2026

🌳 Ary ahoana raha tsy afaka mifindra intsony avy amin’ny ala iray mankany amin’ny ala hafa ny biby? 🐒

Ho an’ny karazam-biby maro eto Madagasikara, tena ilaina ny fahafahana mifindra toerana mba hitadiavana sakafo, hiterahana ary hahafahana miaina sy mivelona.
Saingy rehefa mihasimba na misaratsaraka ny ala sy ireo toerana voajanahary hafa, dia mety ho tapaka ireo lalana ampiasain’ny biby hifindra. Rehefa tafasaraka ny ala iray amin’ny ala hafa, dia mety ho lasa sakana lehibe ho an’ireo biby miankina aminy izany.
Eto Madagasikara, tena manan-danja ireo lalantsara voajanahary mampitohy ny toeram-ponenan’ny biby. Izy ireny no ahafahan’ireo karazana varika sy biby hafa mifindra sy mifandray hatrany amin’ireo toerana samihafa onenany.
Ohatra amin’izany ny COMATSA, any avaratr’i Madagasikara, izay mampitohy an’i Marojejy, Anjanaharibe-Sud ary Tsaratanana. Any Atsimo-Andrefana kosa, Amoron’i Onilahy dia lalantsara manan-danja ho an’ireo biby miaina ao amin’ny ala tsilo.

🌍 Amin’ity herinandro ity dia mitohy any Oulan-Bator, Mongolia, ny COP17 an’ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana mikasika ny ady atao amin’ny fihangazanana (UNCCD), izay tanterahina ny 17 ka hatramin’ny 28 aogositra 2026.
Anisan’ny lohahevitra lehibe dinihina ao ny ady amin’ny fahasimban’ny tany sy ny fanarenana ireo tontolo voajanahary. Satria ny fanarenana ny tany dia midika ihany koa hoe miaro ny toeram-ponenan’ny biby sy ireo lalana mampifandray azy ireny, izay tena ilain’ny biby mba hiaina sy hifindra toerana.

Rehefa mifandray hatrany ny tontolo voajanahary, dia afaka mitohy koa ny fiainan’ny zavamananaina.

Address

BP 738 Lot Près II 85 Ter Antsakaviro
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261344988804

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when WWF Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to WWF Madagascar:

Shortcuts

Share