13/08/2026
FIDINANA IFOTONY TENY 67 HA NORD-OUEST
🤝 Niara-nidina ifotony teny an-toerana ny ekipan'ny Boriborintany Voalohany, Polisy Monisipaly, SMA, SMGD, DAU, DEA, DM, DBTP eto anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA)
🎯 Antony sy tanjona :
Natao izao fidinana ifotony izao mba hijerena sy handraisana fepetra manoloana ireo olana hita eny an-toerana, anisan’izany :
🛍️ Toeram-pivarotana amoron-dalana sy eny ambony trottoir ;
🚗 Fiantsonan’ny fiara eny ambony trottoir, izay manelingelina ny fivezivezen’ny mpandeha an-tongotra ;
🏗️ Fanorenana eny ambonin’ny canal ;
🛺 Kalesa sy fiara lasa “épaves” eny ambony trottoir, ka manakana ny fivezivezen’ny mpandeha an-tongotra ;
🌙 Toeram-pivarotana sasantsasany izay miteraka korontana sy mety hiteraka tsy fandriam-pahalemana, indrindra amin’ny alina ;
📌 Ary ireo tranga hafa izay manohintohina ny filaminana, fahadiovana eny amin’ny toerana ho an’ny daholobe.
📢 Nandritra ny fidinana ifotony dia natao ny fanentanana sy fampitandremana ireo voakasika, ary nampahafantarina azy ireo ny momba ny CMH – Code Municipal d’Hygiène, mba hampahatsiahivana ny tsirairay ny adidiny sy ny fitsipika tokony harahina.
Ireo fanentanana ireo dia dingana voalohany, mialohan'ny fampiharana ny fepetra sy sazy, amin’ireo olona minia mandika ny fitsipika na tsy manaja ny fampitandremana efa nomena.