17/04/2026
🇲🇬🤝🇹🇷 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 SY 𝐓𝐔̈𝐑𝐊𝐈𝐘𝐄
🗓 Antananarivo, 15 Aprily 2026
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tamin-dRamatoa Alice N’Diaye, Minisitry ny Raharaham-bahiny, Andriamatoa Shak Ebrar Çubukçu, Masoivohon’ny Repoblikan’i Türkiye eto Madagasikara.
Ity fihaonana ity dia nahafahana nanamafy ny kalitaon’ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta ary koa nahafahana nanamafy ny fahavononana hampiakatra izany amin’ny sehatra ambony kokoa.
Voasongadina nandritra ny dinika ireo vina-piarahamiasa, indrindra mahakasika ireo sehatra stratejika toy ny fambolena, ny angovo, ny fotodrafitrasa, ny fizahantany, ny fifanakalozana ara-barotra ary ny indostria.
Nohamafisin’ny roa tonta ny fahavononany hiara-hiasa akaiky amin’ny fanatanterahana tetikasa lehibe ho an'ny tombontsoan’ny vahoaka ao anatiny
-----
🇲🇬🤝🇹🇷 𝐂𝐎𝐎𝐏𝐄́𝐑𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 – 𝐓𝐔̈𝐑𝐊𝐈𝐘𝐄 : 𝐔𝐍𝐄 𝐃𝐘𝐍𝐀𝐌𝐈𝐐𝐔𝐄 𝐑𝐄𝐍𝐅𝐎𝐑𝐂𝐄́𝐄
🗓Antananarivo, 15 avril 2026.
Madame Alice N’Diaye, Ministre des Affaires étrangères, a reçu en visite de courtoisie Son Excellence Monsieur İshak Ebrar Çubukçu, Ambassadeur de la République de Türkiye à Madagascar.
Cette rencontre a permis de réaffirmer la qualité des relations bilatérales entre Madagascar et la Türkiye, ainsi que la volonté commune de les hisser à un niveau supérieur. Les échanges ont mis en lumière les perspectives prometteuses de coopération, notamment dans les secteurs stratégiques pour ne citer que l’agriculture, l’énergie, les infrastructures, le tourisme, les échanges commerciaux et l’industrie de pointe.
Les deux parties ont réitéré leur détermination à œuvrer conjointement à la concrétisation de projets structurants, au bénéfice des deux peuples.