CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo

CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo La Commune Urbaine d’Antananarivo,cœur vibrant Madagascar allie harmonieusement patrimoine traditionnel et héritage colonial.

Avec ses 192 Fokontany répartis en 6 arrondissements, elle incarne le moteur économique,culturel et touristique de la grande ile.

‎🤝🚔FIARAHA-MIASA EO AMIN'NY FONDATION VISEO SY NY KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA🤝🚔‎‎Tonga nanolotra  moto miisa 30🏍️...
03/06/2026

‎🤝🚔FIARAHA-MIASA EO AMIN'NY FONDATION VISEO SY NY KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA🤝🚔

‎Tonga nanolotra moto miisa 30🏍️🏍️🏍️ sy fiara 2🚓🚓 hentin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra miasa ny Fondation Viseo ny Alarobia 3 jona 2026 teny amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely.

‎🎯Tanjona ny fanafainganana ny asa tanterahan'ny Polisy Monisipaly eto anivon'ny CUA, sy fanatsarana ny tolotra amin'ny asa fanompoana vahoakan' Antananarivo.

‎🗣️Nantitranterin'ny roa tonta fa natao ampiasaina amin'ny asa ho an'ny Tanànan'Antananarivo ireo fitaovana ireo, fa tsy natao ampiasaina amin'ny filàna manokana.

‎🌟Ny fanomezana toy izao dia anisany hery manosika ny CUA hanao asa tsaratsara kokoa.

‎🤝Mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Fondation Viseo sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

🏛️ KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)‎LANONANA FAMETRAHANA GALONA HO AN’NY POLISY MONISIPALY‎‎👨🏻‍✈️🧑🏻‍✈️Polisy Mon...
03/06/2026

🏛️ KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)
‎LANONANA FAMETRAHANA GALONA HO AN’NY POLISY MONISIPALY

‎👨🏻‍✈️🧑🏻‍✈️Polisy Monisipaly miisa 38 mianadahy, andiany voalohany taona 2000, no notolorana galona nandritry lanonana notanterahina ny 📅 03 jona 2026 teny amin’ny 📍 Tobin’ny Polisy Monisipaly Anosipatrana.

‎Nahazo ny grady “Contrôleur Principal de Classe Exceptionnelle” izy ireo, ho fankasitrahana ny asa sy ny ezaka nataony nandritra ny taona maro. 🫱🏼‍🫲🏽

‎👉🏼 Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny Filohan’ny Delegasionina Manokan’Antananarivo Renivohitra, Andriamatoa Feno Ralambomanana, fa tsy fisondrotana fotsiny ny galona fa mariky ny fahamatorana, ny fahavononana ary ny fahamendrehana eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra.

‎🎁 Ho mariky ny fankasitrahana sy ho fanohanana ny asa ataon’ny Polisy Monisipaly dia nanolotra milina roa (02) sy fanampiana ara-bola mitentina 10 tapitrisa ariary ho fanatsarana ny fanamian’izy ireo ny CUA. 🫱🏼‍🫲🏽

‎Nanome voninahitra ny lanonana teny an-toerana ny Filohan'ny Delegasionina Manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, ny Filoha Lefitra Faharoan'ny Delegasionina Manokana sy ireo mpiara-miasa isan-tsokajiny avy eo anivon’ny CUA.

‎“Fahavonona – Filaminana – Fandrosoana”

🏛️ KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)🌍 “FIKAROHANA MANAKAIKY VAHOAKA”Ao anatin’ny fankalazana ny Andro Manerantany...
03/06/2026

🏛️ KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)
🌍 “FIKAROHANA MANAKAIKY VAHOAKA”

Ao anatin’ny fankalazana ny Andro Manerantany ho an’ny Tontolo Iainana, dia hotanterahina etsy amin’ny Parvis Analakely ny hetsika “Fikarohana Manakaiky Vahoaka” ny Zoma 05 Jona 2026, ary haharitra roa (2) andro 🌱.

Hetsika eo ambany fiahian’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, tarihin’ny Minisitera ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, miaraka amin’ny Federasiona Malagasy Basketball 3x3, ary tohanan’ny IRD (France) 🤝.

Fiaraha-miasa eo amin’ny CUA, ny Minisitera ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisitera ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ireo mpiara-miombon’antoka maro.
🎯 Hetsika hampivondronana tanora avy amin’ny oniversite ao amin’ny faritra Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra.
🏀 Fifaninanana Basketball 3x3
🏫 Trano eva mihoatra ny 60
👥 Mpitsidika manodidina ny 2 000 no andrasana

📌 Ao anatin’ny fandaharana: kaonferansa siantifika 🧪, hetsika ara-kolontsaina 🎭 ary hira gasy 🎶.

02/06/2026

🏛️ KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA‎🧹 FANALANA IREO FIARA "ÉPAVE" SY IREO MPANAO "DÉCODAGE"‎‎Mitohy hatrany ny hetsika...
02/06/2026

🏛️ KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
‎🧹 FANALANA IREO FIARA "ÉPAVE" SY IREO MPANAO "DÉCODAGE"

‎Mitohy hatrany ny hetsika fanadiovana sy fandaminana ny Tanàna ataon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). 🚧

‎Tetsy Ampandrana dia nisy fiara simba (épave), efa nomena fampandrenesina (notifiée) mialoha ny tompony saingy tsy mbola nahetsika.

‎Torak'izany ihany koa tetsy Analakely, na dia efa nomena fampitandremana aza ireo fiara mpanao “décodage” tsy ara-dalana dia mbola minia manao izany ihany.

‎ Ho fanatanterahana ny fepetra sy ny fandaminana ny Tanàna dia nampidirina "fourrière" avy hatrany ireo fiara ireo.

‎🎯 Tanjona ny hanesorana ireo sakana manelingelina ny fivezivezena sy manimba ny endriky ny tanàna.

‎⚖️ Ho hentitra ny fepetra raisina amin'ireo fiara na fitaovana apetraka eny an-dalambe tsy ara-dalàna.

‎🔄 Mitohy sy tsy mihemotra ny asa fanadiovana.
‎🌿 “Antananarivo madio, milamina, mendrika kokoa”.

🧹  FANADIOVANA SY FANDAMINANA NY TSENAN'ANDRAVOHANGY📍 Fitsidihana ny tsenan'Andravoahangy izay niarahana tamin'ny Filoha...
02/06/2026

🧹 FANADIOVANA SY FANDAMINANA NY TSENAN'ANDRAVOHANGY

📍 Fitsidihana ny tsenan'Andravoahangy izay niarahana tamin'ny Filohan'ny Delegasionina Manokan’ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra Feno Ralambomanana, sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.

👀 Nijery ny fizotry ny asa:
- Fanadiovana sy fisokirana lakandrano Andrianampoinimerina izay mirefy 250 metatra 🛠️
- Fandaminana sy fanadiovana ny tsena hahafahana mampiditra ireo mpivarotra eny ivelany ho ao anatiny. 🧼

💬 Nilaza ny PDS fa ; “hisy ny fanamboarana sy fanatsarana fotodrafitrasa ho fanamorana ny fivezivezen’ny mponina toy ny fanavaozana ny tetezana vy”. 🚧 Hasiana fefy ihany koa ny lakan-drano mba tsy ho lasa fanariam-pako.
Tsy adinon’ny PDS ny nihaino ny hetaheta sy ny fangatahan’ireo mpivarotra.

“Antananarivo madio, milamina ary mendrika kokoa”
__________
🧹 NETTOYAGE ET RÉORGANISATION DU MARCHÉ D’ANDRAVOHANGY

📍 Visite du marché d’Andravoahangy en compagnie du Président de la Délégation Spéciale (PDS) de la Commune Urbaine d’Antananarivo, Feno Ralambomanana, ainsi que des différents responsables concernés.

👀 Constat et suivi de l’avancement des travaux :

* 🛠️ Nettoyage et curage du canal Andrianampoinimerina sur une longueur de 250 mètres.
* 🧼 Réorganisation et assainissement du marché afin de permettre l’installation à l’intérieur des commerçants actuellement installés à l’extérieur.

💬 Le PDS a annoncé que des travaux de réhabilitation et d’amélioration des infrastructures seront entrepris pour faciliter la circulation des habitants, notamment la rénovation du pont métallique 🌉.Une clôture sera également installée le long du canal afin d’éviter qu’il ne soit utilisé comme dépôt d’ordures. 🚧
🤝 Le PDS a également pris le temps d’écouter les préoccupations, les attentes et les demandes des commerçants.

“Antananarivo madio, milamina ary mendrika kokoa”

‎FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FAHA 66 TAONA NAHAZOANA NY FAHALEOVANTENAN'I MADAGASIKARA 🇲🇬 SY NIJOROAN'NY FOLOAL...
02/06/2026

‎FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FAHA 66 TAONA NAHAZOANA NY FAHALEOVANTENAN'I MADAGASIKARA 🇲🇬 SY NIJOROAN'NY FOLOALINDAHY ARY NY IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY - 01 JONA 2026 - PARVIS DE L'HOTEL DE VILLE

‎🟡 Ny Tara-kevitra voizina mandritra ny Fankalazana "Ny Fanavaozana ho an'ny Fampandrosoana an'i Madagasikara".

‎Nisy ny:

‎- Fananganan-tsaina 🇲🇬
‎- Lahateny ofisialy 🗣️
‎- Dihy mirindra 🎼
‎- Fanolorana loka ho an'izay mendrika tamin'ny fifaninana literatiora Malagasy 🎁
‎- Fanentanana maro samihafa 📣
‎- Seho ara-java-kanto sy ara- kolontsaina 🧠

‎Hisy ihany koa ny hetsika ara-kolontsaina, ara- tsosialy, ara-panatanjahantena manerana ny Nosy.

👉🏼 ‎Manentana ny rehetra hanavao ny fitiavan- tanindrazana, hanamafy ny soatoavina Malagasy, hampisongadina ny Kolontsaina Malagasy. 🇲🇬

‎✨ Tonga nanatrika ny lanonana fanokafana teny an-toerana ny Filohan'ny Delegasionina Manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra. ✨




31/05/2026

31/05/2026

🚗🚦 FANENTANANA HO AN’IREO AUTO-ÉCOLENy Kaominina Antananarivo Renivohitra dia manentana ireo “auto-école” rehetra mba ha...
31/05/2026

🚗🚦 FANENTANANA HO AN’IREO AUTO-ÉCOLE

Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia manentana ireo “auto-école” rehetra mba hanamafy hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ireo mpianatra mpamily 📚🚗.

Ny fanofanana dia tsy mijanona amin’ny fahaizana mitondra fiara fotsiny, fa fanabeazana amin’ny andraikitra, ny fanajana lalàna, ary ny fifampitsinjovana eny an-dalambe 🤝. Ny lalana dia iombonana ka mila fifanajana sy fifampizarana mba hisian’ny fifamoivoizana milamina sy azo antoka 🚦.

Tsy ny familiana fotsiny no zava-dehibe, fa ny fahafantarana fa iombonana ny lalana 🌍. Ilaina ny fifampiresahana amin’ny alalan’ny fitaovana famantarana (clignotants) 🔄💡 sy ny fanajana ireo famantarana rehetra eny an-dalana, indrindra rehefa hivily na hanova lalana ny fiara iray 🚗➡️.

👉 Ampianaro tsara ny taranaka, satria ho avin’ny firenena 🌱🇲🇬.

Address

Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category