Eo ambany fahefan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy. Ahitana ratsamangaika avokoa ny 119 distrika sy any amin’ireo ambasadin’ny Madagasikara any ivelany. Ny fandoavam-bola (karama, fisotroan-dronono, volan’ireo mpamatsy ny Fanjakana sns) no tena ahalalan’ny maro azy fa mbola manana anjara andraikitra maro izay iankinan’ny aimben’ny firenena ihany
koa anefa ny Tahirimbolam-panjakana. Mitsinjara toy izao amin’ny ankapobeny ny asan’ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy:
- Fitankaontim-panjakana
- Fitantanana ny raharaham-bolam-panjakana
- Fitantanana ny trosam-panjakana
- Fanaovana fitsirhina ny fampiasana ny volam-panjakana
- Fandalinana sy fanomezana toro-hevitra ara-toekarena sy ara-bola
Isan’ny fanamby ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatsarana ny tolotra ary ny fanakaikezana bebe kokoa ireo mpisitra ka izany no anton’ny mahatonga ny Tahirimbolam-panjakana manentana hatrany antsika mpisitraka tsy hisalasala ny andefa MP na hafatra miafina na hanantona mivantana raha ilaina izany. TOERANA AHITANA IREO FOIBEM-PITANTANANA ATO AMIN’NY TAHIRIMBOLAM-PANJAKANA:
• NY Foibem-pitantanana amin’ny ankapobeny (Direction Générale): Immeuble Ministère des Finances et du Budget Antaninarenina. 3ème étage – porte 311 BP 129 – 101 Antananarivo MADAGASCAR
Contact: 020 22 276 14/ [email protected]
• Direction de la Comptabilité Publique (DCP) : Immeuble Trésor Antaninarenina, 2ème étage
BP 129 – 101 Antananarivo MADAGASCAR
Contact: 020 22 215 10 / [email protected]
→ Eo ambany fahefana mivantan’ny DCP ny PGA, ny RGA, Trésoreries generales, Trésoreries ministérielles, Trésoreries principales, Perceptions Principales.
• Direction de la Brigade d’Investigation Financière et de l’Audit : Lot IBG 53 Bis Antsahavola
Antananarivo MADAGASCAR
Contact : 020 22 284 59/ [email protected]
• Direction de la Dette Publique : Ex Immeuble Negresky 41, rue Ranavalona Ambatonakanga
BP 129 – 101 Antananarivo MADAGASCAR
Contact : 034 07 621 87/ [email protected]/
• Direction des Etudes : Lot IBG 29bis Antsahavola BP 129 – 101 Antananarivo MADAGASCAR
Contact: [email protected]
• Direction des Opérations Financières: Immeuble du Trésor (Ex-SOLIMA) 4e Etage Rue Andrianaivoravelona Zanany, Ampefiloha 101 Antananarivo MADAGASCAR
Contact : 034 07 621 93