19/08/2026
📌 𝗙𝗔𝗠𝗘𝗟𝗔𝗕𝗘𝗟𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗥𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗘𝗢 𝗔𝗡𝗜𝗩𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗦𝗔𝗙𝗢𝗔𝗡-𝗗𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗔𝗡𝗞𝗔𝗣𝗢𝗕𝗘𝗡𝗬 𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗡𝗜𝗩𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗢𝗟𝗢𝗡𝗔
📅 Ny talata 18 aogositra 2026 dia naseho tamin'ny fomba ofisialy ny vokatry ny fitsirihana nataon'ny teo anivon’ny Fisafoan-draharaha ankapobeny eto anivon'ny Antenimierandoholona (𝑰𝒏𝒔𝒑𝒆𝒄𝒕𝒊𝒐𝒏 𝑮é𝒏é𝒓𝒂𝒍𝒆 𝒅𝒖 𝑺é𝒏𝒂𝒕). Ity asa fitsirihana ity, izay tarihan'Andriamatoa 𝑹𝑨𝑶𝑺𝒀 𝑨𝒗𝒐𝒎𝒊𝒍𝒂, Lehiben'ny Fisafoan-draharaha ankapobeny, dia mahakasika ny asa rehetra natao nanomboka ny taona 2024, nitohy ny taona 2025, ka hatramin'ny enim-bolana voalohan'ny taona 2026.
🔍Izao famelabelarana izao dia natao teo anatrehan'ireo Tompon’andraikitra ambony sy ireo Lehiben’ny Sampandraharaha eto anivon'ny Andrimpanjakana, izay notarihan'Andriamatoa Sekretera Jeneraly, 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑻𝑰𝑨𝑵𝑨 𝑱𝒆𝒂𝒏 𝑪𝒉𝒂𝒓𝒍𝒊𝒏. Nanatrika izany koa Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, 𝑵𝑫𝑹𝑬𝑴𝑨𝑵𝑱𝑨𝑹𝒀 𝑱𝒆𝒂𝒏 𝑨𝒏𝒅𝒓é, sy Andriamatoa Kestora, 𝑺𝑬𝑹𝑨𝑴𝑰𝑳𝑨 𝑨𝒗𝒊𝒛𝒂𝒓𝒂 𝑴𝒊𝒏𝒐, amin'ny maha Tompon’andraiki-panjakana misahana ny fitantanan-draharaha eto anivon'ny Antenimierandoholona azy ireo.
🎯Ny antony lehibe hanaovana ny fitsirihana dia ny hijerena akaiky ny fomba fiasan’ireo Fitaleavana tsirairay, amin’ny fampiharana ny fitsipika mifehy ny asa sy ny fanatanterahana ny andraikitra mifanaraka amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierandoholona. Ho an’ny omaly dia Fitaleavana efatra no nandray ny valin’ny fitsirihana: ny Fitaleavana misahana ny Fitantanana ny ara-Lozistika sy ny Vakoka, ny Fitaleavana misahana ny Fanaovan-dalàna sy ny Fandalinan-kevitra, ny Fitaleavana misahana ny Fitantanan-draharaha sy ny Maha Olona, ary ny Fitaleavana misahana ny Fitantanam-bola.
🚀Ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasa dia nifantoka tamin'ireto teboka manan-danja ireto ny dinika: ny taham-pahatongavan'ny mpiasa miasa, ny fanaraha-maso akaiky ny fitaovam-panjakana ampiasaina, ny fitahirizana tsara ireo Lalàna rehetra nandalo teto anivon'ny Antenimierandoholona, ary ny fampiasana ara-dalàna ny tetibola natokana ho an'ity Andrimpanjakana ity. Izany rehetra izany dia atao mba hampiakarana ny lenta sy ny kalitaon'ny fitantanana, ho fampiharana sy fampiroboroboana ny Fanjakana tsara tantana eto anivon'ny Antenimierandoholona.
📢Andriamatoa Kestora dia nanamafy fa maro ny asa miandry aorian'izao tatitra izao, ary ho arahana maso akaiky ny fampiharana ireo soso-kevitra fanatsarana natolotra. Ho fampisehoana ny mangarahara eto amin'ny fitantanan-draharaha eto anivon'ny Antenimierandoholona hoy izy no nanaovana izao.
🌐Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana kosa dia nanasongadina fa dingana lehibe eo amin’ny fampivoarana ny raharaham-panjakana izao hetsika izao, sady fototra iorenan’ny vina ho an’ny hoavin’ny Antenimierandoholona.