14/08/2026
Miarahaba tompoko
Ny Alizay malefaka miaantonony no mandrafitra ny mety ho toetry ny andro eto Analamanga.
Toy izao ny vina mandritra ny 3 andro
SABOTSY 15 AOGOSITRA 2026
⛅🌫️ Maraina : Hisy zavona maraina any Andramasina. Hifandimby ny rahona sy ny masoandro amin'ny distrika sisa.
☁️⛅ Tolakandro/hariva : Hisy herika manify mitsitapitapy indraindray any Anjozorobe sy Manjakandriana. Handrahona kosa ny distrika sisa.
🌡️🌡️ Maripàana : 12°C - 24°C
ALAHADY 16 AOGOSITRA 2026
🌫️⛅ Tolakandro/hariva : Handrahona any Ankazobe sy Anjozorobe. Hisy herika manify mitsipapitapy indraindray amin'ny distrika sisa.
🌫️🌧️ Tolakandro/hariva : Hisy herika manify mitsipapitapy indraindray amin'ny distrika rehetra.
🌡️🌡️ Maripàna : 14°C - 23°C
ALATSINAINY 17 AOGOSITRA 2026
🌫️🌧️⛅🌫️ Maraina : Hifandimby ny rahona sy ny masoandro any Ankazobe sy Anjozorobe. Hisy herika manify mitsipapitapy indraindray amin'ny distrika sisa.
🌧️🌧️ Tolakandro/hariva : Hisy herika manify mitsipapitapy indraindray amin'ny distrika rehetra.
🌡️🌡️ Maripàna : 12°C - 22°C
Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra!!!