19/06/2026
🚀 𝙞𝙎𝘼𝙑𝘼 : 𝙙𝙞𝙣𝙜𝙖𝙣𝙖 𝙫𝙖𝙤𝙫𝙖𝙤 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙫𝙖𝙤𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙤𝙢𝙚𝙧𝙞𝙠𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖
Ao anatin’ny ezaka ho amin’ny fanavaozana ara-nomerika ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara, ny Centre Immatriculateur de Madagascar (CIM), eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, miaraka amin’ny tohana ara-teknika avy amin’ny Unité de Gouvernance Digitale (UGD) ary famatsiam-bolan’ny Tetikasa PRODIGY, dia nanatanteraka ny fampahafantarana nasionaly ny sehatra iSAVA ny 19 Jona 2026 tao Antananarivo.
Natsangana mba hanamorana ny fijerena ny satan’ny antontan-taratasim-panjakana momba ny fiara, ny sehatra iSAVA dia ahafahana manamarina, amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana ny fiara, ireo vaovao manan-danja toy ny situation de gage, situation de position, ary situation d’interdiction. Anisan’ny dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny asam-panjakana izy ity, sady manamafy ny mangarahara ara-pitantanana no manatsara ny fahazoan’ny mpampiasa vaovao sy tolotra.
Nandritra ny lahateniny, ny Secrétaire exécutif an’ny UGD, Zo Bienvenue Randriamanana, dia nanamafy fa efa nanomboka tamin’ny taona 2022 ny fiaraha-miasa teo amin’ireo rafitra voakasika, ary na dia efa nisy hatramin’izay aza ny ezaka sy ny fototra napetraka, dia tao anatin’ny enin-bolana farany no tena nahitana vokatra mivaingana. Nambarany ihany koa fa efa misy angon-drakitra momba ny fiara mihoatra ny 500 000 voarakitra ao anatin’ny sehatra, ka nanentana ny olom-pirenena izy mba hanamarina mandrakariva ny satan’ny fiara alohan’ny hividianana azy.
Nasongadiny fa anisan’ny andraikitry ny UGD ny fanatsarana ny tolotra ara-teknika, ny fiarovana sy fanamafisana ny fiarovana ny angon-drakitra, izay tena saropady, ary koa ny fampiroboroboana ny interopérabilité amin’ireo sehatra hafa toy ny banky sy ny fiantohana, izay mety hampiasa ihany koa ireo angona ireo araka ny filàna sy ny fanavaozana hatao. Nohamafisiny fa hijoro hatrany amin’ny fanohanana ara-teknika ny UGD ho fanamafisana ny fahombiazan’ny sehatra iSAVa.
Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana - Pejy ofisialy
PREA - Programme de Réformes pour l'Efficacité de l'Administration
https://isava.cim.gov.mg/