03/04/2026
SAKAFOM-PANAHY ISAN'ANDRO
ZOMA 03 APRILY 2026
MIADIA NY ADY TSARA HO AN'NY FIRENENTSIKA
β₯οΈ"Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitrΓ na amin'ny aretinao". β Marka 5 : 34
π LESONA: Fiadanana anie ho anao, fiadanana ho an'ny ankohonanao ary fiadanana ho an'izay rehetra anananao. Mbola averiko ihany ! volana mahafinaritra ho an'izay mino, ity diavintsika ity, koa esory ny tahotra . . Inona Jereo anie ity vehivavy ity e. Vakio tsara io :21-34 io fa misy lesona lehibe ao.
π΄ AZA AVELA HISY HANAKANA NY FANIRIANAO
β‘οΈ Ity vehivavy ity te hositrana, ka na amin'ny fomba ahoana ahazoany izany dia nataony izany, rehefa teny fa avy handalo eo Jesosy. izy na dia maro aza ny vahoaka nifanety.
β‘οΈ Ianao koa , Raha te hahomby. Aza avela hisy hahasakana ny fanirianao tsy ho tanteraka.
π΄ MANAOVA ZAVATRA AMIN'NY FINOANA
β‘οΈ Tena nataony tamin'ny finoana izany, dia nahasitrana azy. Avy hatrany izy dia . Zay ihany no nataony dia sitrana izy.
β‘οΈ Anio, mandehana koa ianao dia manaova toy izany koa. Hoy koa Jesosy hoe: . (And:36)
π FEHINY: Inona no manakana anao tsy hirosoβ Sahia misisika na maro aza ny mpanakan-dalana, ny tanjonao tratraro; dia ho sitrana ianao raha marary ary handresy sy hahomby anaty ny adinao.
:
π Jehovah Γ΄ ! Andriamanitra Mpamonjy anay Ianao. Vonjeo, sitrano izay rehetra manantona Anao anio. AMEN πππ
π Mitomboa amin'ny finoana, dia hitohy tsy tapaka ny fahombiazanao. Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra ho anao sy ny ankohonanao.
πͺπͺ