Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures

Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures Toutes les actualités du Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures

✳️ Ampandrianomby 4 Jona 2026▶️ Lanonana ofisialy fanolorana fitaovana ho an'ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo
04/06/2026

✳️ Ampandrianomby 4 Jona 2026
▶️ Lanonana ofisialy fanolorana fitaovana ho an'ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo

🇲🇬 Tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra,  2 Jona 2026
02/06/2026

🇲🇬 Tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra, 2 Jona 2026

👉 Recrutements
02/06/2026

👉 Recrutements

💡 Tonga eto Tsaratanana ny milina mpihary herinaratra vaovao 200 kW
02/06/2026

💡 Tonga eto Tsaratanana ny milina mpihary herinaratra vaovao 200 kW

🚩TSARATANANA

Nisedra olan'ny fahatapahan-jiro nandritra ny andro vitsivitsy ny mpanjifa eto Tsaratanàna vokatry ny fahasimbana milina mpihary herinaratra. Efa tonga eto an-toerana amin'izao fotoana izao ny milina mpihary herinaratra vaovao ary efa foana tsikelikely izany fahatapahan-jiro izany, nohon'ny fahafenoan'ny vokatra herinaratra.

Dingana lehibe ho amin'ny fanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa izao tetik'asa fanapariahana vondrona mpihary herinaratra izao, izay marihina fa famatsiam-bolan'ny Orinasa JIRAMA, ny ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ka hisitraka izany avokoa ireo Faritra izay sahanin'ny Orinasa JIRAMA.

💡 Fanatsarana ny famatsiana herinaratra any Mahabo, Ampanihy, Amboasary Atsimo
01/06/2026

💡 Fanatsarana ny famatsiana herinaratra any Mahabo, Ampanihy, Amboasary Atsimo

📍MAHABO - AMPANIHY - AMBOASARY ATSIMO⚡

Hiainga rahampitso maraina eto Antananarivo ny andiany vaovao amin'ireo milina mpihary herinaratra, hihazo ireto Faritra ireto:

Mahabo : 250KW.
Ampanihy : 200KW.
Amboasary Atsimo : 250KW.

Ireo vondrona mpihary herinaratra ireo dia hanampy ireo efa misy any an-toerana, hanatsara sy hampitombo ny famokarana herinaratra.

Marihina fa izao asa izao dia tafiditra ao anatin'ny tetik'asan'ny Orinasa JIRAMA, iarahana amin'ny ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ho fanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa manerana ireo toby famokarana herinaratra tantanan'ny JIRAMA.

01/06/2026

💡 Fanatsarana ny famatsiana herinaratra ao Antsiranana

▶️ Ambohimanambola, 1 Jona 2026 : Ho fanatsarana ny famatsiana herinaratra ao Antsiranana, dia nandefa milina mpihary herinaratra ( Groupe Électrogène) miisa 8 ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, miaraka amin’ny .

✅ Milina mpihary herinaratra manana tanjaka 500 kW miisa 6, ary milina mpihary herinaratra manana tanjaka 800 kW miisa 2. Mitotaly 4,6 W ny tanjak'ireo.

👉🏽 Niainga androany ireo fitaovana ireo ary vinavinaina ho tonga any an-toerana ao anatin’ny 3 hatramin’ny 4 andro .

❇️ zao dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra manerana ny Nosy. Anisany ny famafana ny olan'ny fahatapahan-jiro vokatry ny tsy fahampian'ny famokarana.

🇲🇬 Tsiahivina fa vola madiodion'ny Fanjakana Malagasy, tamin'ny alalan'ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny JIRAMA, no nividianana ireo milina ireo.

  : ⬆️ extension du délai de candidature▶️ Appel à projets "convertisseurs solaires" jusqu'au 12 Juin 2026
01/06/2026

: ⬆️ extension du délai de candidature
▶️ Appel à projets "convertisseurs solaires" jusqu'au 12 Juin 2026

📢 𝗕𝗼𝗻𝗻𝗲 𝗻𝗼𝘂𝘃𝗲𝗹𝗹𝗲 : 𝗘𝘅𝘁𝗲𝗻𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗱𝘂 𝗱é𝗹𝗮𝗶 𝗱𝗲 𝗰𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲 – 𝗔𝗽𝗽𝗲𝗹 à 𝗽𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁𝘀 𝗖𝗼𝗻𝘃𝗲𝗿𝘁𝗶𝘀𝘀𝗲𝘂𝗿𝘀 𝘀𝗼𝗹𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀 ⚡

⏳ La date limite de soumission est exceptionnellement prolongée au 𝘃𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗱𝗶 𝟭𝟮 𝗷𝘂𝗶𝗻 𝟮𝟬𝟮𝟲, dans le cadre du Guichet 3 : Utilisation Productive de l’Énergie (UPE) – 𝗙𝗲𝗻ê𝘁𝗿𝗲 𝟭 : 𝗖𝗼𝗻𝘃𝗲𝗿𝘁𝗶𝘀𝘀𝗲𝘂𝗿𝘀 𝘀𝗼𝗹𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀.

Si vous êtes une entreprise du secteur et que vous n’avez pas encore soumis votre candidature, c'est le moment de le faire.

📌 Il s’agit de la dernière opportunité pour participer à cet appel à projets.

👉Soumettez votre candidature ici :
https://forms.zohopublic.com/jessica20/form/FBRSHRConvertisseurssolaires/formperma/Gn2f_LJnagD9vEqaed5RV1QJVbseS8Cj4RTsrULwTfg

✅Pour toute question, contactez-nous à : [email protected]

✅Pour voir les appels à projets en cours : https://fondsdecim.mg/les-appels-a-projets/

Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures
MNDPT
Banque mondiale Madagascar

✳️ Songadina amin'ny sehatry ny angovo nandritra ny fandaharana manokana nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan’...
01/06/2026

✳️ Songadina amin'ny sehatry ny angovo nandritra ny fandaharana manokana nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël

🇲🇬JIRAMA: MISY NY EZAKA SY FANATSARANA NY FITANTANANA

Ireo teboka lehibe nisongadina nandritra ny Tafatafa nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Isan'ireo nanotrona izany ny Tale Jeneralin'ny Orinasa JIRAMA, ny Jeneraly RASOLOMANANA Hajatiana.

▪️Anisan’ny fitakiana lehibe nataon’ny tanora ny fanatsarana ny jiro sy ny rano. Misy ny vahaolana fohy ezaka, izay efa hita ankehitriny sy ny lavitr'ezaka entina hamahana izany.

▪️Tsy misy intsony ny délestage fa ny fahanteran’ny fitaovana sy ny fahavoazana ara-teknika (panne) no misy amin'izao fotoana izao, ary manao ezaka ny JIRAMA sy ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo mamaha izany.

Matoa tsy misy ny délestage dia mety mba efa manao ny ezaka sy fanatsarana ny fitantanana ka mendrika isaorana ny JIRAMA. Tsy voatery andrasana vahiny vao hanova zavatra, hoy ny Filohan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.

📍 Antananarivo: Efa miasa Ilay Unité Compacte de Traitement (UCT) Izay mamokatra rano 22 000m3 isan'andro izay notokanana nandritra ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny JIRAMA, ary efa manomboka tonga any amin'ny vahoaka ny rano.
Misy ireo toerana sasany izay efa dila 5 ka hatramin'ny 10 taona tsy nisitraka izany dia nohon' ny fiverenan'ny tosiky ny rano anefa dia vaky ny ankamaraon'ireo fantsona. An-dalam-panoloana azy ireny ihany koa ny JIRAMA.

▪️ANY AMIN'NY FARITRA :

📍Mahajanga: Tsy misy olana ny famatsiana herinaratra, saingy misy tsy fahampian-drano 7000m3.

📍Ambalavao: Miaina ao anatin'ny fahasahiranana ara-drano ihany koa ny tanàna.

📍Antsiranana: Misedra olana ny lafiny herinaratra saingy handefasana milina mpihary herinaratra miisa 6 ny JIRAMA atoato. Mahakasika ny rano kosa dia misy "forages" 4 miasa. Tsy tokony ho tanàn-dehibe tahaka an'i Diégo anefa no vatsiana rano amin'ny forages.

📍Toamasina : Efa madiva ho vita tanteraka ny asa fanarenana ny fotodrafitr'asa ara-herinaratra (98%), ary efa tontosa ihany koa ny fanarenana ny toby famokarana sy fitsinjarana rano ka tsy misy olana intsony ny famatsian-drano any an-toerana.

▪️Misy ny tetik'asa fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio na izay natao hamahana mivantana ny olan’ny rano.
Nividy fantsona mitentina 4 miliara Ariary ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ary nalefa any Nosy Be sy Antsiranana ny ampahany hanoloana ireo simba.

▪️Vinavinaina hivaha tanteraka ato anatin'ny 4 volana ny olan'ny famatsian-drano amin'ny ankapobeny na dia mbola misy tsy fahampiana ihany aza amin'izao fotoana izao.

▪️Mahakasika ny tetik'asa Volobe, mbola mitohy ny fifampiresahana satria ny vidin'ilay herinaratra hovokarina dia mbola misy tsy hifanarahana ka izay no mbola tsy mampandroso ity tetik'asa ity.

🛠 Fanamboarana fantson-drano vaky eo Mandroseza
29/05/2026

🛠 Fanamboarana fantson-drano vaky eo Mandroseza

🚩 MANDROSEZA

Tontosa ny ampahany voalohany amin'ny asa fanamboarana ilay fantsona vaky tety Mandroseza. Mbola hitohy ny asa.

Na Izany aza, efa miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsian-drano amin'ireto toerana ireto:

👉 Analamahitsy, Ivandry, Alarobia, Ankorondrano, Soavimasoandro, Manjakaray, Ambatomainty, Ambatobe, Ankerana, Ankadindramamy, Soamanandrariny, Andrononobe, Ambohitrarahaba, Ankadikely, Ilafy Ambohimailala, Anjanahary, Ambodivona, Ankadifotsy sy ny manodidina.

Address

Bâtiment Lacroix, Rue Farafaty Ampandrianomby
Antananarivo
101

Telephone

+261333330026

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures:

Share