Ministère de l'Environnement et du Développement Durable

Ministère de l'Environnement et du Développement Durable Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ministère de l'Environnement et du Développement Durable, Government Organization, Rue Toto Radola Antsahavola, Antananarivo.

𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗞𝗶𝗿𝗶𝗻𝗱𝘆 𝗠𝗶𝘁𝗲 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆  𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝗮𝗹𝗮 𝗳𝗲𝗻𝗼 𝗥𝗲𝗻𝗶𝗮𝗹𝗮 𝗶𝘁𝘆 Tato anatin’ny ...
04/06/2026

𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗞𝗶𝗿𝗶𝗻𝗱𝘆 𝗠𝗶𝘁𝗲 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝗮𝗹𝗮 𝗳𝗲𝗻𝗼 𝗥𝗲𝗻𝗶𝗮𝗹𝗮 𝗶𝘁𝘆

Tato anatin’ny 20 andro, raha mbola niara-nijery tamin’alahelo ny fahafatesan'i Tsitakakantsa, Reniala lehibe indrindra voarakitra eto Madagasikara, izay manana savaivo manodidina ny 29 metatra, isika tsirairay avy, ny Malagasy kosa dia afaka mirehareha fa manana iray amin'ireo ala voatahiry tsara indrindra sy ahitana Reniala betsaka indrindra maneran-tany. Ala izay tsy dia fantatry ny ankamaroantsika ka mendrika ny ho ampahafantarina ho fanamafisana ny fiarovana azy.

Ao anatin'ity fanadihadiana nalefa ny 27 Mey 2026 tao amin'ny RFI (Radio France Internationale) ity, ny mpanao gazety Sarah Tetaud dia mitondra antsika hitsidika faritra arovana iray, dia ny Valanjavaboahary Kirindy Mite.

🎙️ Ireo izay nandray anjara tamin’ny fanadihadiana dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ity faritra arovana ity sy nampahafantarana ny fanaovana dian-tongotra ammin’ny toerana iray antsoina hoe “Cathédrale”, izay noforonina tamin'ny taona 2014 niaraka tamin'ny CIRAD, tamin'ny alalan'ny sary avy amin'ny zanabolana. Lalana novolavolaina niaraka tamin'ny WWF sy ny Madagascar National Parks (MNP).

Ny tanjon'ity lalana atao dian-tongotra ity dia ny hahafahan'ny mpitsidika mahita ireo Reniala ao anatin'ny faritra arovana sy miaina akaiky ny hakanton’ny harena voajanahary ao aminy, dia ny ala maina mbola voatahiry tanteraka. Eto no tena ahitana ny lanjan'ilay anarana malagasy hoe “Reniala”, izay midika hoe “renin'ny ala”.

Ny fampandrosoana ny fizahantany maharitra (écotourisme) ao amin'ny valanjavaboahary Kirindy Mite dia manampy mivantana amin'ny fiarovana azy, sady mampiroborobo ny fari-piainan’ny mponina ao an-toerana, izay miara-monina amin'ireo harena voajanahary miavaka ireo.

Raha te hanaraka ilay fanadihadiana ianao dia ao amin'ny commentaire ny rohy misy an'izany.

Source : Cyrille Cornu

03/06/2026
⚠️❌️𝗧𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗼 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗺𝗲𝗻𝗮 – 𝗔𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗯𝗲 𝗜 : 𝗡𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗳𝗲𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗 𝗩𝗮𝗸𝗶𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮✅️Naharay fitara...
03/06/2026

⚠️❌️𝗧𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗼 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗺𝗲𝗻𝗮 – 𝗔𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗯𝗲 𝗜 : 𝗡𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗳𝗲𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗗𝗥𝗘𝗗𝗗 𝗩𝗮𝗸𝗶𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮

✅️Naharay fitarainana avy amin’ireo mponina ao amin’ny fokontany , distrikan’Antsirabe I, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ( ) ny 1 jona 2026, mahakasika tranga fandotoana tao amin’ny tatatra fivarinan-drano ao an-toerana.

✅️Nidina nijery ifotony ny zava-misy tany anavy hatrany ny ekipan’ny DREDD ny 2 jona 2026. Nandritra ny fitsirihana dia tsikaritra fa niova ho miloko mena ny rano tao amin’ilay lakandrano. Rehefa natao ny fanadihadiana dia hita fa avy amin’ny orinasa mpanamboatra lamba iray ao an-toerana no niavian’ny rano miloko mena niditra tao amin’ny tatatra.

✅️Fokontany roa no voakasik’ity tranga ity, dia ny sy . Nandritra ny fitsirihana natao tao amin’ilay orinasa dia fantatra fa nisy tsy fahatomombanana teo amin’ny rafitra fanadiovana rano maloto, ka nahatonga ny rano nampiasaina tamin’ny fandokoana lamba hivoaka nefa mbola tsy voadio tanteraka. Marihina fa manana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ilay orinasa ary tatatra fivarinan-drano maloto no nandray ireo rano efa voadio avy aminy hatramin’izay.

✅️Fepetra noraisina dia naato avy hatrany ny famarinana rano ataon’ilay orinasa ao amin’ity tatatra ity mandra-pahavitan’ny fanarenana ny fitaovana fanadiovana rano. Takiana aminy ihany koa ny hanadio ny tatatra voaloto, miara-hiasa amin’ireo fokontany voakasika izy amin’izany ary tsy maintsy manao fialan-tsiny amin’ny mponina.

✅️Ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ( ) dia manentana hatrany ny olom-pirenena tsirairay mba hampandre avy hatrany ny Fitaleavam-paritry ny MEDD raha mahita tranga fandotoana, hahafahana mandray fepetra ara-potoana.

𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 | 𝟎𝟐 𝐣𝐨𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐈𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐨𝐯𝐚𝐢𝐧𝐣𝐚𝐟𝐲 ( #𝐌𝐄𝐃𝐃)...
03/06/2026

𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 | 𝟎𝟐 𝐣𝐨𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔
𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐈𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐨𝐯𝐚𝐢𝐧𝐣𝐚𝐟𝐲 ( #𝐌𝐄𝐃𝐃).

🦜 FANTATRAO VE IRETO BOLOKY MALAGASY IRETO?Ireto karazana vorona telo ireto dia atahorana ho lany tamingana eto Madagasi...
03/06/2026

🦜 FANTATRAO VE IRETO BOLOKY MALAGASY IRETO?

Ireto karazana vorona telo ireto dia atahorana ho lany tamingana eto Madagasikara:

1. Coracopsis vasa → Boloky mainty lehibe
2. Coracopsis nigra → Boloky mainty madinika / Vaza kely
3. Agapornis cana → Sarivazo maitso_

⚠️ TANDREMO
1. Tafiditra ao amin'ny "Tovana II ny lalàna CITES" avokoa izy telo ireo.
2. Midika izany fa : Biby arovana ka atahorana ho lany tamingana.

⛔ NOHO IZANY
1. Ny fisamborana, ny fivarotana, na ny fitaizana azy ireo dia mila "fahazoan-dalana manokana"
2. Enjehin'ny lalàna velona izay minia mandika izany

💚 Sahia mandray andraikitra ho an'ny tombontsoa iombonona

📷 DREDD BOENY






🌳🌿𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗮𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼𝗲 “𝗣𝗮𝗶𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗦𝗲𝗿𝘃𝗶𝗰𝗲𝘀 𝗘́𝗰𝗼𝘀𝘆𝘀𝘁𝗲́𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲𝘀 (𝗣𝗦𝗘)🐦🐝🦩🌵🚰Ny zavaboahary dia manome tolotra maro...
02/06/2026

🌳🌿𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗮𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼𝗲 “𝗣𝗮𝗶𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗦𝗲𝗿𝘃𝗶𝗰𝗲𝘀 𝗘́𝗰𝗼𝘀𝘆𝘀𝘁𝗲́𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲𝘀 (𝗣𝗦𝗘)🐦🐝

🦩🌵🚰Ny zavaboahary dia manome tolotra maro izay tena ilaina amin'ny fiainantsika andavanandro. Ny ala dia miaro ny loharano tsy ho ritra, ny faritra mando dia mampihena ny tondra-drano, ny ala honko dia miaro ny morontsiraka, ary ny tantely dia manampy betsaka amin'ny fahombiazan’ny fambolena… Ireo tombontsoa ireo, izay matetika raisina ho zavatra mahazatra fotsiny ihany sy maimaim-poana, no antsoina hoe 𝗧𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 (𝘚𝘦𝘳𝘷𝘪𝘤𝘦𝘴 𝘌́𝘤𝘰𝘴𝘺𝘴𝘵𝘦́𝘮𝘪𝘲𝘶𝘦𝘴).🌳

🌳🚰🐦« 𝗣𝗮𝗶𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗦𝗲𝗿𝘃𝗶𝗰𝗲𝘀 𝗘́𝗰𝗼𝘀𝘆𝘀𝘁𝗲́𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲𝘀 (𝗣𝗦𝗘) »🌿🐝🌵

🌿👥️Ny 𝗧𝗮𝗺𝗯𝗲𝗿𝗶𝗺-𝗯𝗶𝗱𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 ( #𝗣𝗦𝗘) dia rafitra iray manome tambiny ara-bola na ara-pitaovana ho an'ireo olona na vondrom-piarahamonina miaro ny harena voajanahary sy mitazona ireo tolotra omen'ny zavaboahary ho an'ny fiarahamonina ireo mba haharitra. Ny rohifiasa PSE arak’izany dia fitaovana ara-toekarena iray ho fitantanana maharitra ny rohivoahary.🐝🐦🌳

🌳🦩🐝Tsotra ny foto-kevitra amin’izany : ireo misitraka tombontsoa avy amin'ny tontolo iainana dia mandray anjara amin'ny fanohanana ireo izay miaro sy mikajy izany. Ohatra, ny vondron’olona eny ifotony iray miaro ny ala izay miantoka ny famatsian-drano ho an'ny tanàna iray dia afaka misitraka tambiny noho ny ezaka ataony amin'ny fiarovana izany ala izany.🌵🌱

🎯𝗧𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗣𝗦𝗘🌿

🌳🦩Maro ny tanjon'ny PSE. Anisan'izany ny famporisihana ny fiarovana ny rohivoahary, ny fanatsarana ny fidiram-bolan'ny mponina eny ifotony, ny fampihenana ny fahasimban'ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra izay mampifandanja ny fiarovana ny zavaboahary sy ny fahasalaman'ny olombelona.🌵🌱

🌳🌳Ho antsika eto Madagasikara, Ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ( ) dia efa miroso amin’ny amin’ny fametrahana ity rohifiasa PSE ity, izay manome fahafahana lehibe hanomezana lanja ny ezaka ataon'ireo vondrom-piarahamonina mandray anjara amin'ny fiarovana ny ala, ny loharano, ny harena voajanahary ary ny zavamananaina maro samihafa. Fitaovana vaovao sy mahomby izy io ahafahana manaiky fa ny fiarovana ny zavaboahary dia mamokatra tombontsoa ho an'ny fiarahamonina manontolo.🌱🌵

🌳🐦𝗡𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗱𝗶𝗱𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝘁𝘀𝗶𝗻𝘆, 𝗳𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗵𝗼𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮.🐝🌿🌵

🌳🌿𝗔𝗹𝗮 𝗵𝗼𝗻𝗸𝗼 : 𝗛𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼𝗮🌳💡🌱𝗙𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗼 𝗳𝗮 :🌳🌳Manana ala honko mirefy 𝟯𝟵𝟬.𝟴𝟱𝟯 𝗵𝗲𝗸𝘁𝗮𝗿𝗮 eo ho eo i Ma...
01/06/2026

🌳🌿𝗔𝗹𝗮 𝗵𝗼𝗻𝗸𝗼 : 𝗛𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼𝗮🌳

💡🌱𝗙𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗼 𝗳𝗮 :

🌳🌳Manana ala honko mirefy 𝟯𝟵𝟬.𝟴𝟱𝟯 𝗵𝗲𝗸𝘁𝗮𝗿𝗮 eo ho eo i Madagasikara, izay mandrakotra ny 𝟮𝟬%-n’ny velaran’ala honko manerana an’i Afrika ary 𝟮%-n’ny ala honko hita maneran-tany. Ny 90%-n’ireo ala honko eto Madagasikara ireo dia any amin’ny morontsiraka andrefana sy ny tapany avaratry ny Nosy avokoa no ahitana azy.

🌿🌳Na dia very ampahany betsaka tamin’ny ala honkony aza i Madagasikara teo anelanelan’ny taona 1980 sy 2005, dia hita fa nihena ny tahan’ny fahapotehany tao anatin’ny folo taona farany. Nisy ihany koa ny fitomboana tsikelikely ny velaran-tany rakotra honko noho ny ezaka nataon’ny fanjakana, ao anatin’izany ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ( ), sy ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanarenana sy fambolena honko niarahana tamin’ny mponina eny ifotony, ny fanamafisana ny ady amin’ny fanapahana an-tsokosoko ny ala honko, ny fikajiana ny tontolo iainana.

✅️𝗡𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝗮𝘇𝘆

🌿Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny ala honko. Izy no miaro ny morontsiraka amin’ny rivodoza sy ny fiakaran’ny ranomasina, toeram-ponenana sy fitomboan’ny karazana hazan-dranomasina maro. Ankoatra izany, mahavita mitahiry karbaona betsaka kokoa noho ny ala an-tanety ny honko ary manohana ny fiveloman’ireo mponina miantehitra amin’ny jono, ny fiompiana landy ary ny fiompiana tantely.

🌱Anisan’ny mampiavaka ny honko ihany koa ny fahafahana mamboly azy mandritra ny taona manontolo ary tsy ilana fanarahamaso. Na izany aza, mbola miatrika fanamby maro ireo faritra amorontsiraka noho ny fitrandrahana an-tsokosoko sy ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetrandro.

✅️𝗡𝘆 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗮𝘁𝗮𝗼

🌳🌿Ho fiarovana ity harena voajanahary sarobidy ity dia ilaina ny manohy ny fambolena honko sy ny fanarenana ny ala honko, manamafy ny fanaraha-maso ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, manatsara ny fidiram-bolan’ny mponina eny ifotony ary mampiroborobo hatrany ny fanabeazana momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary.

🇲🇬𝟤𝟨 j𝗼𝗻𝗮 𝟣𝟫𝟨𝟢 – 𝟤𝟨 𝗷𝗼𝗻𝗮 𝟤𝟢𝟤𝟨 : 𝗠𝗶𝘀𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗼𝗳𝗶𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟲𝟲 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗶𝘃𝗲𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻...
01/06/2026

🇲🇬𝟤𝟨 j𝗼𝗻𝗮 𝟣𝟫𝟨𝟢 – 𝟤𝟨 𝗷𝗼𝗻𝗮 𝟤𝟢𝟤𝟨 : 𝗠𝗶𝘀𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗼𝗳𝗶𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟲𝟲 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗶𝘃𝗲𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝗶𝗷𝗼𝗿𝗼𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗼𝗹𝗼𝗮𝗹𝗶𝗻𝗱𝗮𝗵𝘆👮‍♂️🇲🇬

📍𝘈𝘯𝘢𝘭𝘢𝘬𝘦𝘭𝘺 - 📅1 𝘫𝘰𝘯𝘢 2026

“𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢”

🇲🇬🇲🇬Fananganan-tsaina notarihin’ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta manoloana ny Lapan’ny Tanàna eo Analakely no nanombohana ny fankalazana ny fetim-pirenena.

🇲🇬“Fanavaozana ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara” no lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity.

📣📣🇲🇬Entanina arak’izany isika olom-pirenena tsirairay samy hanangana ny sainam-pirenena hanehoantsika ny fanomezan-kasina ny fiandrianam-pirenena, ny fiaraha-mientana ary ny fihavanana.

Address

Rue Toto Radola Antsahavola
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministère de l'Environnement et du Développement Durable posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ministère de l'Environnement et du Développement Durable:

Share